Malagasy

聖經新譯本

2 Corinthians

13

1Izao no fanintelon'ny hankanesako atỳ aminareo. Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra (Deo. 19. 15).
1勸勉和祝福這是我第三次到你們那裡去,各樣事情必須憑兩三個證人的口,才能確定。
2Efa nambarako fahiny, sady milaza rahateo koa aho - toy ny nataoko fony mbola teo aminareo fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa - amin'izay nanota teo aloha sy amin'ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra,
2我第二次到你們那裡去的時候說過,現今不在你們那裡,再預先對那些從前犯了罪的和其餘的人說:我若再來,必不寬容,
3satria ianareo mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa.
3因為你們在找基督藉著我說話的憑據。基督對你們不是軟弱的,相反地,在你們身上是有能力的。
4Fa voahombo tamin'ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin'Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin'Andriamanitra.
4他因著軟弱被釘死了,卻靠著 神的大能活著。我們在他裡面也是軟弱的,但靠著 神向你們所顯的大能,也必與他一同活著。
5Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo ?
5你們應當察驗自己是不是持守著信仰,也應當考驗自己。難道不曉得基督耶穌是在你們裡面嗎?(除非你們是經不起考驗的人。)
6Nefa manantena aho fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina.
6我盼望你們曉得,我們不是經不起考驗的人。
7Ary mangataka amin'Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay ho olona voazaha toetra anefa, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy ny olona nolavina aza izahay.
7我們祈求 神,使你們不作甚麼惡事。這並不是要顯明我們是經得起考驗的,而是要你們行善;我們呢,就讓我們作經不起考驗的人好了!
8Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa.
8我們不能作甚麼事違背真理,只能維護真理。
9Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo.
9當我們軟弱、你們剛強的時候,我們就歡喜;我們所求的,就是要你們完全。
10Izany no anoratako izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hanao izay mafy araka ny hery izay nomen'ny Tompo ahy ho fananganana, fa tsy ho fandravana.
10因此,我趁著不在你們那裡的時候,把這些話寫給你們,到我來了,就不必憑著主所給我的權柄嚴厲地對待你們。這權柄不是要拆毀你們,而是要建立你們。
11Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.[Na: veloma]
11最後,弟兄們,你們要喜樂,要完全,要受安慰,要同心,要和睦。這樣,施慈愛賜平安的 神必與你們同在。
12Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina.
12你們要用聖潔的親嘴彼此問安。
13Ny olona masina rehetra manao veloma anareo.Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.
13眾聖徒都問候你們。
14Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.
14願主耶穌基督的恩惠, 神的慈愛,聖靈的契通,常與你們眾人同在。