Malagasy

聖經新譯本

2 Peter

3

1[Ny amin'ny hihavian'ny Tompo, sy fananarana noho izany] Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin'ny fampahatsiarovana,
1必有人不信主再來的應許親愛的,我現在寫給你們的是第二封信。在這兩封信中,我都用提醒的話來激發你們真誠的心,
2mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;
2叫你們記起聖先知說過的話,和主救主藉著使徒傳給你們的誡命。
3efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany
3最重要的,你們應當知道:在末後的日子,必定有好譏笑的人出來,隨著自己的私慾譏笑說:
4ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza.
4“他要降臨的應許在哪裡呢?因為自從列祖睡了以來,萬物依然存在,與起初創造的時候一樣。”
5Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra,
5他們故意忘記這事:在太古的時候,因著 神的話,就有了天,和從水而出、藉水而成的地。
6ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy;
6當時的世界,因被水淹沒而消滅了。
7fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
7但現在的天地,還是因著同樣的話可以存留,直到不敬虔的人受審判和遭滅亡的日子,用火焚燒。
8Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
8主必再來親愛的,這一件事你們不可忘記:在主看來,一日如千年,千年如一日。
9Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra,
9主決不耽延他的應許,像有些人以為他是耽延的一樣;其實他是寬容你們,不願有一人滅亡,卻願人人都悔改。
10Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [ Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana]
10但主的日子必要像賊一樣來到。在那日,天必轟然一聲地消失,所有元素都因烈火而融化;地和地上所有的,都要被燒毀。
11Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
11這一切既然都要這樣融化,你們應當怎樣為人,過著聖潔和敬虔的生活,
12sady manantena no mampahafaingana ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra! [ Na: maniry mafy]
12等候並催促 神的日子降臨呢?因為在那日,天要被火焚燒就融化了,所有元素都因烈火而融解!
13Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana.
13但是我們按照他所應許的,等候新天新地,有公義在那裡居住。
14Koa amin'izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fihavanana.
14要在主的恩典和知識上長進所以,親愛的,你們既然等候這些事,就當殷勤努力,使你們沒有污點,沒有瑕疵,安然見主。
15Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy,
15並且要以我們的主恆久忍耐為給人得救的機會,就如我們所親愛的弟兄保羅,按照所賜給他的智慧,寫給你們的一樣;
16tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.
16他在一切書信上,都講論這些事。在這些書信中,有些難明白的地方,那不學無術和不穩定的人加以曲解,好像曲解別的經書一樣,就自取滅亡。
17Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo;fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.
17所以,親愛的,你們既然預先知道了,就要謹慎,免得受惡人的錯謬引導,就從自己堅固的地步上墜落。
18fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.
18你們卻要在我們的主、救主耶穌基督的恩典和知識上長進。願榮耀歸給他,從現在直到永遠。阿們。