Malagasy

聖經新譯本

Acts

15

1[Ny nifandiran'ny sasany ny amin'ny famorana, sy ny nataon'ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema tamin'izany] Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon'i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.
1耶路撒冷的會議有幾個人從猶太下來,教導弟兄們說:“你們若不照摩西的規例受割禮,就不能得救。”
2Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin'ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran'izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin'ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany. [ Gr. presbytera]
2保羅和巴拿巴,與他們大大地爭執辯論起來。大家就派保羅、巴拿巴和他們中間的幾個人,為這個問題上耶路撒冷去見使徒和長老。
3Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an'i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan'ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
3於是教會給他們送行,他們就經過腓尼基、撒瑪利亞,述說外族人怎樣歸主的事,使弟兄們大大喜樂。
4Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin'ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy. [ Gr. presbytera]
4到了耶路撒冷,他們受到教會、使徒和長老的接待,就報告 神同他們一起所行的一切。
5Fa ny mino sasany, izay isan'ny antokon'ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn'i Mosesy.
5然而有幾個法利賽派的信徒站起來,說:“我們必須給外族人行割禮,吩咐他們遵守摩西的律法。”
6Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany. [ Gr. presbytera]
6使徒和長老聚集在一起,商議這件事。
7Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin'ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin'ny vavako no handrenesan'ny jentilisa ny tenin'ny filazantsara ka hinoany.
7經過了很多的辯論,彼得站起來對他們說:“弟兄們,你們知道,前些時候 神在你們中間揀選了我,使外族人從我的口中聽見福音的道,而且信了。
8Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;
8知道人心的 神也為他們作證──賜聖靈給他們,像給我們一樣;
9fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin'ny finoana ny fony.
9而且他待他們和我們沒有分別,因為藉著信,他潔淨了他們的心。
10Koa nahoana ianareo no maka fanahy an'Andriamanitra amin'ny fametrahanareo zioga amin'ny vozon'ny mpianatra, izay tsy zakan'ny razantsika na isika ho entina?
10現在你們為甚麼試探 神,把我們祖先和我們所不能負的軛,放在門徒的頸上呢?
11Fa mino isika fa ny fahasoavan'i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
11我們相信,我們得救是藉著主耶穌的恩,和他們也是一樣。”
12Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an'i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa.
12大家都靜默無聲,聽巴拿巴和保羅述說 神藉著他們在外族人中所行的神蹟奇事。
13Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy:
13他們講完了,雅各說:“弟兄們,請聽我說!
14Simeona efa nanambara izay nitsinjovan'Andriamanitra ny jentilisa tamin'ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.
14剛才西門述說 神當初怎樣關懷外族人,從他們中間揀選了眾人,歸在自己的名下。
15Ary mifanaraka amin'izany ny tenin'ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
15眾先知的話,也符合這個意思,正如經上所記:
16Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray;
16‘此後我要回來,重建大衛倒塌了的帳幕,重建它損壞之處,把它重新豎立起來,
17Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah,
17使餘下的人,就是所有稱為我名下的外族人,都尋求主,
18Izay manao izany zavatra fantatra hatramin'ny voalohany indrindra izany (Amo. 9. 11, 12).
18這是自古以來就顯明了這些事的主所說的。’
19Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa izay miverina ho amin'Andriamanitra;
19“所以我認為不可難為這些歸服 神的外族人,
20fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin'ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny rà.
20只要寫信叫他們禁戒偶像的污穢、淫亂,勒死的牲畜和血。
21Fa hatramin'ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin'ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin'ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.
21因為自古以來,在各城裡都有人宣講摩西的書,每逢安息日,在各會堂裡都有人誦讀。”
22Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin'ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin'ny namany mba hirahina hiaraka amin'i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin'ny rahalahy; [ Gr. presbytera]
22會議的決定當時,使徒、長老和全教會都認為好,就從他們中間選出人來,差他們和保羅、巴拿巴一同到安提阿去,所選的就是別號巴撒巴的猶大和西拉,他們是弟兄中的領袖。
23ary nanoratra taratasy izy ho entin'ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin'ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia. [ Gr. presbytera]
23於是寫信給他們帶去,信上說:“使徒和作長老的弟兄們,向安提阿、敘利亞、基利家的外族眾弟兄問安。
24Satria efa renay fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,
24我們聽說有人從我們這裡出去,說了一些話攪擾你們,使你們心裡不安,其實我們並沒有吩咐他們。
25dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankatỳ aminareo hiaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay,
25因此,我們一致同意,選派一些人跟我們親愛的巴拿巴和保羅去見你們,
26lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika.
26這兩個人為了我們主耶穌基督的名,曾經把性命置之度外。
27Dia nirahinay Joda sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy.
27我們派了猶大和西拉一同去,他們也會親口述說這些事。
28Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:
28聖靈和我們都同意,不把別的重擔加在你們身上,然而有幾件事是重要的,
29dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.
29就是禁戒祭過偶像的食物、血、勒死的牲畜和淫亂。這些事你們若能保守自己不作,那就好了。祝你們平安!”
30Ary rehefa nalefany izy ireo, dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy, dia natolony ilay epistily.
30他們受了差派,下安提阿去,集合了眾人,就把書信交上。
31Ary nony efa namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny anatra tsara.
31眾人讀了,因信上的勸勉,就感到欣慰。
32Ary satria mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin'ny teny maro izy ka nampahery azy.
32猶大和西拉也是先知,說了許多話勸勉弟兄,堅固他們。
33Ary rehefa nitoetra elaela teo izy ireo, dia nampandehanin'ny rahalahy soa aman-tsara ho any amin'izay naniraka azy.
33住了一段時間,弟兄們就給他們送行,祝一路平安;他們就回到差派他們的人那裡去。
34[ Ampio hoe: 34 Nefa mbola sitrak'i Silasy ny hitoetra ao]
34(有些抄本在此有第34節:“但西拉認為自己應當在那裡住下來,只有猶大回到耶路撒冷。”)
35Ary Paoly sy Barnabasy kosa nitoetra tany Antiokia; dia nampianatra sy nitory ny tenin'ny Tompo izy roa lahy mbamin'ny maro koa.
35保羅和巴拿巴卻住在安提阿,跟許多別的人一同教導,傳講主的道。
36[Ny niaingan'i Paoly fanindroany hitety vohitra tany Asia Minora] Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin'i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin'ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin'ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.
36第二次宣教旅程過了一些時候,保羅對巴拿巴說:“我們要回到我們傳過主道的各城,探望弟兄們,好知道他們的情形怎麼樣。”
37Ary tian'i Barnabasy ny hitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
37巴拿巴有意要帶別號馬可的約翰一同去,
38Nefa nataon'i Paoly fa tsy tokony ho entiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfylia ka tsy niaraka taminy ho any amin'ny raharaha.
38但保羅認為不應帶他去,因為他從前在旁非利亞離開過他們,不跟他們一起去作工。
39Ary nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary Barnabasy nitondra an'i Marka, dia niondrana an-tsambo nankany Kyprosy.
39他們各持己見,以致彼此分手。巴拿巴帶著馬可,坐船到塞浦路斯去;
40Fa Paoly kosa nifidy an'i Silasy, dia niainga, rehefa natolotry ny rahalahy ho amin'ny fahasoavan'ny Tompo izy.Dia nandeha namaky an'i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.
40保羅卻選了西拉,眾弟兄把他交託在主的恩典中之後,他就出發了。
41Dia nandeha namaky an'i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.
41他走遍了敘利亞、基利家,堅固眾教會。