1[Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra.
1五旬節聖靈降臨五旬節到了,他們都聚集在一起。
2Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.
2忽然有一陣好像強風吹過的響聲,從天而來,充滿了他們坐在裡面的整間屋子。
3Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany.
3又有火燄般的舌頭顯現出來,分別落在他們各人身上。
4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.
4他們都被聖靈充滿,就照著聖靈所賜給他們的,用別種的語言說出話來。
5Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra.
5那時住在耶路撒冷的,有從天下各國來的虔誠的猶太人。
6Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra.
6這聲音一響,許多人都聚了來,人人都聽見門徒講出聽眾各人本鄉的話,就莫名其妙。
7Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
7他們又驚訝、又驚奇,說:“你看,這些說話的,不都是加利利人嗎?
8Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika
8我們各人怎麼聽見他們講我們從小所用的本鄉話呢?
9- dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia
9我們帕提亞人、瑪代人、以攔人和住在美索不達米亞、猶太、加帕多家、本都、亞西亞、
10sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
10弗呂家、旁非利亞、埃及,並靠近古利奈的利比亞一帶地方的人,客居羅馬的猶太人和歸信猶太教的人,
11Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra?
11克里特人以及阿拉伯人,都聽見他們用我們的語言,講說 神的大作為。”
12Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr'izany?
12眾人還在驚訝迷惘的時候,彼此說:“這是甚麼意思?”
13Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
13另有些人譏笑說:“他們是給新酒灌醉了。”
14Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
14彼得在五旬節的講道彼得和十一使徒站起來,他高聲對眾人說:“猶太人和所有住在耶路撒冷的人哪,你們應當明白這件事,也應該留心聽我的話。
15Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
15這些人並不是照你們所想的喝醉了,現在不過是上午九點鐘罷了。
16Fa izao ilay nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe:
16這正是約珥先知所說的:
17Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
17‘ 神說:在末後的日子,我要把我的靈澆灌所有的人,你們的兒女要說預言,你們的青年人要見異象,你們的老年人要作異夢。
18Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy;
18在那些日子,我也要把我的靈澆灌我的僕人和使女,他們就要說預言。
19Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon'ny setroka;
19我要在天上顯出奇事,在地上顯出神蹟,有血、有火、有煙霧;
20Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza;
20太陽將變為黑暗,月亮將變為血紅,在主偉大顯赫的日子臨到以前,這一切都要發生。
21Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena (Joela 3. 1-5).
21那時,凡求告主名的,都必得救。’
22Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,
22“以色列人哪,請聽聽這幾句話:正如你們所知道的, 神已經藉著拿撒勒人耶穌在你們中間施行了大能、奇事、神蹟,向你們證明他是 神所立的。
23Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan'Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny tanan'ny olona tsy tan-dalàna;
23他照著 神的定旨和預知被交了出去,你們就藉不法之徒的手,把他釘死了。
24fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan'ny fahafatesana, satria tsy laitr'izany hohazonina Izy.
24 神卻把死的痛苦解除,使他復活了,因為他不能被死亡拘禁。
25Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an'i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
25大衛指著他說:‘我時常看見主在我面前,因他在我右邊,我必不會動搖。
26Dia izany no nifalian'ny foko sy niravoravoan'ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin'ny fanantenana;
26為此我的心快樂,我的口舌歡呼,我的肉身也要安居在盼望中。
27Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; [Gr. Hadesy]
27因你必不把我的靈魂撇在陰間,也必不容你的聖者見朽壞。
28Nampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin'ny tavanao (Sal. 16. 8-11).
28你已經把生命之路指示了我,必使我在你面前有滿足的喜樂。’
29Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany.
29“弟兄們,關於祖先大衛的事,我不妨坦白告訴你們,他死了,葬了,直到今日他的墳墓還在我們這裡。
30Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany, [Na: hapetrany]
30他是先知,既然知道 神向他起過誓,要從他的後裔中立一位,坐在他的寶座上,
31koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. [Gr. Hadesy]
31又預先看見了這事,就講論基督的復活說:‘他不會被撇在陰間,他的肉身也不見朽壞。’
32Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra.
32這位耶穌, 神已經使他復活了,我們都是這事的見證人。
33Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. [ Na: ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra]
33他既然被高舉到 神的右邊,從父領受了所應許的聖靈,就把他澆灌下來,這就是你們所看見所聽見的。
34Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
34大衛並沒有升到天上,他卻說:‘主對我主說:你坐在我的右邊,
35Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
35等我使你的仇敵作你的腳凳。’
36Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
36因此,以色列全家應當確實知道,你們釘在十字架上的這位耶穌, 神已經立他為主為基督了。”
37Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
37他們聽了以後,覺得扎心,就對彼得和其餘的使徒說:“弟兄們,我們應當作甚麼呢?”
38Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;
38彼得說:“你們應當悔改,並且每一個人都要奉耶穌基督的名受洗,使你們的罪得赦,就必領受所賜的聖靈。
39fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
39這應許原是給你們和你們的兒女,以及所有在遠方的人,就是給凡是我們主 神召來歸他的人。”
40Ary nanambara sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin'ity taranaka maditra ity ianareo.
40彼得還用許多別的話,鄭重作證,並且勸勉他們,說:“你們應當救自己脫離這彎曲的世代!”
41Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany.
41於是接受他話的人都受了洗,那一天門徒增加了約三千人。
42Ary izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
42他們恆心遵守使徒的教訓,彼此相通、擘餅和祈禱。
43Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly.
43信徒的團契生活使徒行了許多奇事神蹟,眾人就都懼怕。
44Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
44所有信的人都在一起,凡物公用,
45ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy.
45並且變賣產業和財物,按照各人的需要分給他們。
46Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.
46他們天天同心在殿裡恆切地聚集,一家一家地擘餅,存著歡樂和誠懇的心用飯,
47nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.
47又讚美 神,並且得到全民的喜愛。主將得救的人,天天加給教會。