1Ry rahalahy sy ianareo ray henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanala tsiny ny tenako.
1“各位父老弟兄,請聽聽我現在對你們的申辯。”
2Ary nony ren'ny olona fa teny Hebreo no nitenenany taminy, dia mainka nangina izy; ary hoy Paoly:
2他們聽見保羅用希伯來語說話,就更加安靜了。保羅說:
3Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin'ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan'ny tongotr'i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin'ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an'Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.
3“我是猶太人,生在基利家的大數,在城裡長大,按照我們祖宗律法的嚴格要求,在迦瑪列門下受教,我為 神熱心,好像你們大家今天一樣。
4Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana izany aho hatramin'ny mahafaty azy aza, dia namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra azy hatao an-tranomaizina; [ Gr. lalana]
4我曾經迫害信奉這道的人直至死地,把男男女女都捆綁起來,送進監獄,
5ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin'ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina.
5這是大祭司和全公議會都可以給我作證的。我也從他們那裡得到了寫給眾弟兄的信,就去大馬士革,要把那裡的人捆綁起來,帶到耶路撒冷接受懲罰。
6Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy, tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;
6保羅自述信主經過“約在正午,當我走近大馬士革的時候,忽然有大光從天上向我四面照射,
7dia lavo tamin'ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
7我仆倒在地上,聽見有聲音對我說:‘掃羅,掃羅,你為甚麼迫害我?’
8Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao.
8我回答:‘主啊,你是誰?’他說:‘我就是你所迫害的拿撒勒人耶穌。’
9Ary izay niaraka tamiko dia nahita ny mazava; nefa tsy mba nahare ny feon'izay niteny tamiko izy.
9跟我在一起的人,只看見那光,卻聽不清楚那位對我說話的聲音。
10Ary hoy izaho: Tompoko, inona no hataoko? Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangana, ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao.
10我說:‘主啊,我應當作甚麼呢?’主說:‘起來,進大馬士革去,在那裡有人會把指定給你作的一切事告訴你。’
11Ary raha tsy nahajery aho noho ny famirapiratan'izany mazava izany, dia notantanan'ireo niaraka tamiko aho, ka dia tonga tany Damaskosy.
11因為那光太強烈,我的眼睛就瞎了,跟我在一起的人就牽著我的手,進了大馬士革。
12Ary ny lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin'ny Jiosy rehetra izay nonina teo,
12“有一個人名叫亞拿尼亞的,他是一個虔誠而遵守律法的人,當地所有的猶太人都稱讚他。
13dia nanatona ahy ary nitsangana ka nanao tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin'izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy.
13他來見我,站在我旁邊,對我說:‘掃羅弟兄,你現在可以看見了。’我立刻往上一看,看見了他。
14Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;
14他又說:‘我們祖先的 神選派了你,讓你明白他的旨意,看見那義者,聽見他口中的聲音。
15fa ho vavolombelony amin'ny olona rehetra ianao ny amin'izay efa hitanao sy renao.
15因為你要把所看見所聽見的,向萬人為他作見證。
16Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao.
16現在你為甚麼還耽擱呢?起來受洗,求告他的名,洗淨你的罪吧。’
17Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo an-kianjan'ny tempoly, dia azon-tsindrimandry
17保羅蒙差遣向外族人傳福音“後來,我回到耶路撒冷,在殿裡禱告的時候,魂遊象外,
18ka nahita Azy milaza amiko hoe: Maladia ianao, ka mivoaha faingana an'i Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy izy.
18看見主對我說:‘你要快快離開耶路撒冷,因為你為我作的見證,他們是不會接受的。’
19Dia hoy izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin'ny synagoga rehetra;
19我說:‘主啊,他們知道我曾把信你的人監禁起來,又在各會堂拷打他們,
20ary raha nalatsaka ny ran'i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian'izay namono azy.
20並且你的見證人司提反受害流血的時候,我也親自在場,表示同意,並且為殺他的人看守衣服。’
21Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin'ny jentilisa.
21他對我說:‘你走吧,我要派你到遠方的外族人那裡去。’”
22Ary ny olona nihaino azy hatramin'izany teny izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe: Esory amin'ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy!
22保羅與千夫長眾人聽見他說到這句話,就高聲說:“這樣的人應該從地上除掉,不應該活著!”
23Ary raha niantso sy niala lamba ary nanipy vovoka ho amin'ny rivotra izy,
23大家正在喊叫著,拋擲衣服,向空中揚灰撒土的時候,
24dia nasain'ny mpifehy arivo ho entina any anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina amin'ny kapoka, mba hahafantarany izay fototry ny nanakoran'ny olona azy toy izany.
24千夫長下令把保羅帶到營樓去,吩咐人用鞭子拷問他,要知道群眾為甚麼這樣向他喊叫。
25Ary raha namatotra azy tamin'ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny izay hitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola nohelohina?
25士兵正用皮帶綁他的時候,保羅對站在旁邊的百夫長說:“你們鞭打一個還沒有定罪的羅馬公民,是合法的嗎?”
26Ary ny kapiteny, nony nahare, dia lasa nilaza tamin'ny mpifehy arivo ka nanao hoe: Inona izao hataonao izao? fa Romana io lehilahy io.
26百夫長聽了,就去報告千夫長,說:“這個人是羅馬公民,你要怎麼辦呢?”
27Dia nankeo aminy ny mpifehy arivo ka nanao taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia hoy izy: Eny.
27千夫長就來問保羅:“告訴我,你是羅馬公民嗎?”他說:“是的。”
28Ary ny mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka.
28千夫長說:“我花了一大筆錢,才取得羅馬籍。”保羅說:“我生下來就是羅馬公民。”
29Dia nandao azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa, rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy.[Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.
29於是那些要拷問他的人,立刻離開他走了。千夫長既知道他是羅馬公民,又因捆綁過他,就害怕起來。
30[Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.
30保羅在公議會面前申辯第二天,千夫長為要知道猶太人控告保羅的真相,就解開他,召集了祭司長和公議會全體在一起,把保羅帶下來,叫他站在他們面前。