1[Ny nitsarana an'i Paoly teo anatrehan'i Feliksa, sy ny nifatorany roa taona tao Kaisaria] Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin'ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin'ny mpanapaka ny niampangany an'i Paoly.
1保羅受審過了五天,大祭司亞拿尼亞同幾個長老,和一個律師帖土羅來了,他們向總督控告保羅。
2Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe:
2保羅傳來了之後,帖土羅就控訴他說:“腓力斯大人,因著你的緣故,我們大大地享受著太平;因著你的遠見,本國大事改革;
3Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin'ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra ô.
3我們隨時隨地感激不盡。
4Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra ianao, henoy kely amin'ny faharetana izahay.
4現在我不想多煩擾你,只求你寬容一下,聽我們講幾句話。
5Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan'ilay antoko atao hoe Nazarena.
5我們看這個人就像瘟疫一樣,是煽動普天下猶太人生亂的人,又是拿撒勒派的首領。
6Izy io koa nitady handoto ny tempoly; dia nosamborinay izy; [ Ampio hoe: ka tianay hotsaraina araka ny lalànay]
6他還意圖污穢聖殿,我們就把他捉住。
7[Fa tonga Lysia, mpifehy arivo, dia nanao an-keriny ka naka azy teo an-tananay. Ary nasainy nankaty aminao ny mpiampanga azy]
7(有些抄本在此有以下一段:“我們想按照我們的律法審問他。7可是千夫長呂西亞來了,用武力把他從我們手中搶走,8還吩咐原告到你這裡來。”)
8ary rehefa manadina azy ianao, dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy.
8你親自審問之後,就必清楚知道我們告他的一切事了。”
9Ary ny Jiosy koa dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy.
9猶太人也都跟他一同控告保羅,證實事情確是這樣。
10Ary rehefa notondroin'ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin'ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;
10保羅在腓力斯面前申辯總督向保羅示意,叫他說話,他就說:“我知道你在本國審案多年,所以樂意為自己申辯。
11fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin'ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.
11你清楚知道,自從我上耶路撒冷去禮拜,到現在還沒有十二天;
12Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin'olona teo an-kianjan'ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin'ny synagoga, na tao an-tanàna;
12無論在殿裡、會堂中或城裡,他們都沒有看見我跟人辯論,或煽動群眾作亂,
13ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny.
13也不能向你證明他們現在控告我的事。
14Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an'Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin'ny lalàna sy ny mpaminany, [Gr. lalàna]
14但有一件事我要向你承認,他們所稱為異端的這道,我正是根據這道來敬拜我祖先的 神的。一切律法和先知所記的,我都相信。
15ary manantena amin'Andriamanitra aho, izay antenain'izy ireo koa, fa hisy fitsanganan'ny marina sy ny meloka.
15我靠著 神所存的盼望,也是他們自己所期待的,就是義人和不義的人都要復活;
16Ary amin'izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin'Andriamanitra na amin'olombelona mandrakariva.
16因此,我常常勉勵自己,對 神對人要常存無虧的良心。
17Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an'ny fireneko.
17過了幾年我帶著捐款回來賙濟本國,同時也帶了祭物,
18Ary tamin'izay dia hitany voadio teo an-kianjan'ny tempoly aho, tsy tamin'ny olona maro anefa, na tamin'ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia,
18他們看見我在殿裡的時候,我已經行完了潔淨禮,並沒有和一大群人在一起,也沒有生亂,
19- tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy.
19只有幾個從亞西亞來的猶太人而已。他們若有事要控告我,就應該到你面前來控告。
20Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan'ny Synedriona aho,
20要不然,當我站在公議會中受審的時候,這些人若發現我有甚麼罪行,早就親自說出來了。
21afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin'ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.
21如果有的話,就是我站在他們中間所喊的:‘我今天在你們面前受審,是為了死人復活的事’那一句話。”
22Ary satria fantatr'i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin'izany fampianarana izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo. [ Gr. lalàna]
22腓力斯本來就詳細曉得這道,卻故意拖延他們,說:“等千夫長呂西亞來了,再斷定你們的事。”
23Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an'i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin'ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.
23於是吩咐百夫長看守保羅,但要寬待他,不可阻止親友來照料他。
24Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an'i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an'i Kristy Jesosy.
24腓力斯聽道後害怕起來過了幾天,腓力斯和他的猶太妻子土西拉一同來到,他又傳見保羅,聽聽他對基督耶穌的信仰。
25Ary raha nitory ny amin'ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho.
25保羅講到公義、自制和將來的審判的時候,腓力斯就害怕起來,說:“你先走吧,等我有空的時候再叫你來。”
26Sady nanantena koa izy fa homen'i Paoly vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy.Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an'i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.
26同時他也希望保羅送錢給他,所以又多次傳見他,和他談話。
27Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an'i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.
27過了兩年,波求.非斯都接了腓力斯的任;腓力斯為要討好猶太人,就把保羅留在監裡。