Malagasy

聖經新譯本

Amos

2

1Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan'ny mpanjakan'i Edoma; [Heb. tsy hahemotro]
1懲罰摩押“耶和華這樣說:‘摩押三番四次犯罪,我必不收回懲罰他的命令;因為他把以東王的骸骨焚燒成灰。
2Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben'i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin'ny tabataba sy amin'ny akora ary ny fanenon'ny anjomara;
2我必降火在摩押,燒毀加略的堡壘;在擾攘、吶喊、吹角聲中,摩押必被消滅。
3Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
3我必剪除他的掌權者,也把他所有的領袖一同殺死。’這是耶和華說的。
4Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn'i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon'ny razany; [Heb. tsy hahemotro]
4懲罰猶大“耶和華這樣說:‘猶大三番四次犯罪,我必不收回懲罰他的命令;因為他棄絕耶和華的律法,不遵守他的典章;反被他們列祖跟從的偶像,使他們走錯了路。
5Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben'i Jerosalema izany.
5我必降火在猶大,燒毀耶路撒冷的堡壘。’
6Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo, [Heb. tsy hahemotro]
6懲罰以色列“耶和華這樣說:‘以色列三番四次犯罪,我必不收回懲罰他的命令;因為他為了銀子賣義人,為了一雙鞋賣窮人。
7Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan'ny malahelo izy sady mamily ny alehan'ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin'ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masina; [Na: ho eo]
7他們踐踏窮人的頭,好像踐踏地面的塵土;他們把困苦人應有的權益奪去;兒子和父親與同一個女子親近,故意褻瀆我的聖名。
8Amin'ny lamba azony tamin'ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan'ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin'ny sazy ao an-tranon'ireo andriamaniny izy. [Heb. divain'y voasazy]
8他們在各祭壇旁,躺臥在別人抵押的衣服上面;在他們 神的殿中,飲用拿剝削回來的錢所買的酒。
9Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.
9我不是在他們面前把亞摩利人消滅了嗎?亞摩利人雖像香柏樹高大,像橡樹那樣堅固;我卻要滅絕它樹上的果子,拔除樹下的根。
10Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita,
10我不是帶你們出埃及地,領你們在曠野度過四十年,叫你們得著亞摩利人的地為業嗎?
11Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah.
11我從你們子孫中興起先知,從年輕人中興起拿細耳人;以色列人哪!這不是事實嗎?’這是耶和華的宣告。
12Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.
12‘但你們迫使拿細耳人喝酒,吩咐先知說:不要說預言。
13Indro, Izaho no hitambesatra aminareo toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara. [Na: Izaho dia itambesaranareo]
13看哪!我要使你腳下的地搖蕩,好像滿載禾捆的車子搖蕩一樣。
14Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;
14行動迅速的不能逃走,強而有力的不能施展他的勇力,勇士也不能救自己;
15Izay mitana tsipìka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy;Ary na dia izay sahy ao amin'ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin'izany andro izany, hoy Jehovah.
15拿弓的人站立不住,跑得快的不能逃走,騎馬的也不能救自己。
16Ary na dia izay sahy ao amin'ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin'izany andro izany, hoy Jehovah.
16到那日,最勇敢的戰士,也是赤身逃跑。’這是耶和華的宣告。”