1[Ny handravana ny fanjakan'Isiraely] Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry taranak'Isiraely;
1哀歌以色列家啊!要聽這話,就是我為你們唱的輓歌:
2Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin'ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy.
2“童貞女以色列,跌倒了,不能再起來;她被拋棄在自己的地上,沒有人扶她起來。”
3Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an'ny taranak'Isiraely.
3因為主耶和華論以色列家這樣說:“這城派兵一千,剩下的只有一百;出兵一百,只剩下十個。”
4Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;
4尋求主得以存活耶和華對以色列家這樣說:“尋求我,就必存活;
5Fa aza mitady an'i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona.
5不要去伯特利尋求我,不要去吉甲,也不要過去別是巴。因為吉甲必被擄掠,伯特利必化為烏有。”
6Mitadiava an'i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin'ny taranak'i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo,
6尋求耶和華,就必存活,免得他像火在約瑟家猛烈蔓延,吞滅他們;沒有人能把伯特利的火撲滅。
7Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin'ny tany.
7他們使公正變為苦堇,把公義棄於地上。
8Ilay nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin'ny tany: Jehovah no anarany,
8那創造昴星和參星,把幽暗變為黎明,把白日轉為黑夜;又吩咐海水,把海水倒在地上的;耶和華就是他的名。
9Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin'ny tanàna mimanda ny fandravana.
9是他使毀滅像閃電臨到堡壘,使毀滅臨到堅固的城。
10Halany eo am-bavahady izay mananatra,11 ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina. [Na: Halany izay mananatra eo am-bavahady]
10你們討厭那在城門口主持公道的人,恨惡說正直話的。
11Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
11你們欺壓窮人,強徵他們的五穀;因此,你們用琢磨過的石頭建造房屋,卻不能住在其中;你們栽種美好的葡萄園,卻不能喝園中的酒。
12Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady. [Heb. avotra]
12因為我知道你們的過犯眾多,罪大惡極;你們迫害義人,收受賄賂,在城門口屈枉窮乏人;
13Koa izay manan-tsaina dia hangina amin'izao andro izao, fa andro mampahory izao.
13為此,聰明人在這時代緘默無聲,因這時代邪惡。
14Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.
14你們要尋求良善,不要尋求邪惡,這樣才可以存活。耶和華萬軍的 神就必與你們同在,正如你們所說的。
15Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa. [Heb. am-bavahady]
15你們要喜愛良善,恨惡邪惡,在城門口伸張正義;這樣,耶和華萬軍的 神或會恩待約瑟的餘民。
16Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.
16因此,主耶和華萬軍的 神這樣說:“各廣場充滿哀慟的聲音,街上只聽見‘苦啊!苦啊!’的喊聲;人要召農夫來哀哭,召善於哭喪的人來哀喊。
17Ary any amin'ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah.
17所有葡萄園充滿哀慟的聲音,因為我必在你們中間經過。”這是耶和華說的。
18Lozan'izay maniry ny andron'i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron'i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana,
18渴望耶和華日子來臨的人,你們有禍了!耶和華的日子對你們有甚麼好處呢?那日是黑暗,沒有光明的日子。
19Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin- tanana amin'ny rindrina, dia kekerin'ny menarana.
19那日就像一個人避過了獅子,卻遇上了熊;回到家裡,手靠在牆上,卻被蛇咬。
20Moa tsy aizina va ny andron'i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?
20耶和華的日子不是黑暗,沒有光明,只有幽暗,全無光輝嗎?
21Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina.
21 神不喜歡外表的敬虔我憎恨、厭惡你們的節期,也不喜愛你們的節日。
22Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak'omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.
22雖然你們給我獻上燔祭和素祭,我卻不接受。你們獻上肥美的牲畜作平安祭,我也不悅納。
23Atsaharo ny finaonaonan'ny hiranareo, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon'ny lokanganareo Aho. [Heb. Hiranao, lokanganao]
23你們唱歌的吵聲要遠離我,我不想聽見你們的琴聲。
24Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
24但願公正好像潮水滾流,公義好像河水長流。
25Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak'i Isiraely?
25以色列家啊!你們在曠野四十年,有獻燔祭和素祭給我嗎?
26Tsia, fa ny nitondra ny tabernakelin'ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan'ny sampinareo ihany no nataonareo, dia ny kintan'ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo [Na: Dia ho entinareo][Na: Tsia fa ny mitondra an'i Sikota, mpanjakanareo, sy Kiona, sampinareo, no nataonareo]Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr'i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.
26你們抬著你們的神“撒固”王,和你們的星神“迦溫”的神像,就是你們為自己所做的。
27Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr'i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.
27我必使你們被擄,流亡到大馬士革以外。這是耶和華說的,萬軍的 神就是他的名。