1[Ny nofin'i Nebokadnezara, sy ny nilazan'i Daniela ny hevitr'izany] Ary tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.
1巴比倫王忘記自己的夢尼布甲尼撒在位第二年,他作了夢,因此心裡煩亂,不能入睡。
2Dia nasain'ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin'ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka.
2於是王吩咐人把術士、用法術的、行邪術的和迦勒底人都召來,要他們把王的夢告訴王。他們來了,站在王面前。
3Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.
3王對他們說:“我作了一個夢,心裡煩亂,我要知道這是甚麼夢。”
4Dia niteny tamin'ny mpanjaka amin'ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny.
4迦勒底人用亞蘭話對王說:“願王萬歲!請把那夢告訴僕人,我們好解釋夢的意思。”
5Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin'ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano fivoahana.[Na: efa hadinoko ilay nonofisiko]
5王回答迦勒底人說:“我已經定旨:如果你們不把那夢和夢的意思向我說明,就必被碎屍萬段,你們的家必成為廢墟。
6Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin'ny heviny.
6如果你們能把那夢和夢的意思向我解釋,就必從我這裡得禮物、獎賞和大尊榮,所以你們要把夢和夢的意思向我解釋。”
7Dia namaly indray ireo ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia hambaranay ny heviny.
7他們第二次回答王說:“請王把夢告訴僕人,我們好解釋夢的意思。”
8Fa ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.1
8王回答說:“我清楚知道你們企圖拖延時間,因為你們看出我已經定旨。
9Fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-pahatongan'izay andro mahamety; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo.[Aramiana. mandra-piovan'ny andro]
9如果你們不把那夢向我說明,只有一個辦法對付你們。你們串通在我面前胡言亂語,希望時勢有所改變。你們現在要把夢告訴我,好使我知道你們真能把夢的意思向我解釋。”
10Ny Kaldeana namaly teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona etỳ ambonin'ny tany mahay milaza izany nofin'ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin'ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.[Ar. tenin']
10迦勒底人無法說出王的夢迦勒底人在王面前回答說:“世上沒有人能把王所問的事說出來,因為從來沒有一個偉大和有權勢的君王向術士、用法術的和迦勒底人詢問過這樣的事。
11Ary sarotra ny zavatra anontanian'ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan'ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin'ny nofo.
11王所問的事很難答,除了那不和世人同住的神明以外,沒有人能在王面前把這事說出來。”
12Dia vinitra sady tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.
12因此,王大發烈怒,下令殺絕巴比倫所有的智慧人。
13Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; ary Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny hovonoina.
13於是王的御旨發出,要把智慧人都殺死;人就尋找但以理和他的同伴,要殺死他們。
14Dia novalian'i Daniela tamin'ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben'ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny olon-kendrin'i Babylona;
14但以理求王寬限那時,王的護衛長亞略出來,要殺死巴比倫的智慧人,但以理就婉轉機敏地向他詢問;
15eny, namaly izy ka nanao tamin'i Arioka, lehibe voatendrin'ny mpanjaka, hoe: Nahoana no dia mafy toy izany ny teny avy amin'ny mpanjaka? Dia nambaran'i Arioka tamin'i Daniela ilay teny.
15但以理對王的護衛長亞略說:“王的命令為甚麼這樣嚴厲呢?”亞略就把這事告訴但以理。
16Dia niditra Daniela ka nangataka tamin'ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
16但以理就進去,求王寬限,使他可以把那夢的意思為王解釋。
17Ary Daniela nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin'i Hanania sy Misaela ary Azaria namany,
17 神把夢的意義指示但以理但以理回到自己的家裡,把這事告訴他的同伴哈拿尼雅、米沙利和亞撒利雅,
18mba hangatahan'ireo famindram-po amin'Andriamanitry ny lanitra ny amin'izany zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny namany mbamin'ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.
18要他們為這隱祕的事祈求天上的 神憐憫,免得但以理和他的同伴與巴比倫其餘的智慧人一同滅亡。
19Dia naseho an'i Daniela tamin'ny fahitana amin'ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an'Andriamanitry ny lanitra Daniela.
19於是這隱祕的事在夜間的異象中給但以理顯明了。但以理就稱頌天上的 神。
20Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery.
20但以理說:“願 神的名得稱頌,從永遠直到永遠,因為智慧和能力都是屬他的。
21Ary Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an'ny hendry sy fahalalana ho an'izay mazava saina.[Ar. manova]
21他改變時間、季節;他廢王、立王;他賜智慧給智慧人,賜知識給聰明人。
22Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.
22他顯明深奧和隱密的事,他洞悉暗中的一切,因為光明與他同住。
23Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay nofin'3 ny mpanjaka.
23我列祖的 神啊!我感謝你,讚美你!你把智慧和能力賜了給我;我們向你所求的,現在你已向我顯明,把王的事告訴了我們。”
24Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin'i Arioka, izay notendren'ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin'i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin'i Babylona; fa ento ho eo anatrehan'ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.
24但以理入宮見王於是但以理進去見亞略,就是王委派去殺絕巴比倫的智慧人的,對他這樣說:“不要殺絕巴比倫的智慧人;請把我帶到王面前,我要把夢的意思向王解釋。”
25Dia nentin'i Arioka faingana ho eo anatrehan'ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan'ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
25亞略就急忙把但以理帶到王面前,對王這樣說:“我在被擄的猶大人中找到一個能把夢的意思向王說明的人。”
26Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin'i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin'ny heviny va ianao?
26王問稱為伯提沙撒的但以理說:“你能向我說明我所見的夢和夢的意思嗎?”
27Dia namaly teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian'ny mpanjaka dia tsy hain'ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin'ny mpanjaka;
27但以理在王面前回答說:“王所問的那隱祕的事,沒有智慧人、用法術的、術士和占星家能向王解釋;
28kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an'i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan'ny lohanao teo amin'ny farafaranao dia izao:
28只有一位在天上的 神能把一切隱祕的事顯明;他已經把日後將要發生的事告訴你尼布甲尼撒王了。你的夢和你躺在床上時腦海中出現的異象就是這樣:
29Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha nandry ianao, dia tonga ny eritreritrao ny amin'izay ho avy rahatrizay; ary Izay mampiseho zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho avy.
29王啊!你躺在床上時,想到日後將要發生的事,那顯明隱祕事的 神就把將要發生的事向你說明了。
30Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka ilay hevitra, ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.
30現在這隱祕的事向我顯明,並不是因為我的智慧勝過所有的人,而是要使王知道夢的意思和你心想明白的事。
31Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra.
31復述夢境“王啊!你正在觀看,看見有一座大像,那像甚高,非常光耀,豎立在你面前,樣貌十分可怕。
32Ny lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina,
32這像的頭是純金的,胸膛和手臂是銀的,腹和腰是銅的,
33ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga.
33腿是鐵的,腳是鐵和泥混雜的。
34Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
34你正觀看的時候,有一塊非人手鑿成的石頭,擊在那座大像鐵和泥混雜的腳上,把腳砸碎了。
35Dia niara-torotoro ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin'ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.[Na: torotoro tamin'ny indray mamely monja]
35於是鐵、泥、銅、銀、金都一同砸得粉碎,好像夏天禾場上的糠秕,被風吹散,無處可尋;那打碎這像的石頭卻變成一座大山,充滿全地。
36Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny.
36詳解夢義“這就是那夢,現在我們要在王面前講解那夢的意思。
37Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
37王啊!你是萬王之王,天上的 神已經把國度、權柄、能力和尊榮都賜給你;
38ka ny zanak'olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan'izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany.
38也把散居在各處的世人、田野的走獸和空中的飛鳥,都交在你手裡,使你管理這一切。你就是那金頭。
39Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin'ny tany rehetra.
39在你以後,另一國將興起,不及於你。後有第三國,就是那銅的,要統治全地。
40Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin'ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy.
40還有第四國,堅強如鐵,因為鐵能砸碎擊破萬物;鐵怎樣壓碎一切,那國也要照樣砸碎一切。
41Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan'ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
41正如你看見那像的腳和腳趾是窯匠的泥和鐵混雜的,那國也必分裂;正如你看見鐵和陶泥混合在一起,那國也必有鐵的堅硬。
42Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy.
42那些腳趾是鐵和泥混雜的,那國也必是部分堅強,部分脆弱。
43Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga.
43你怎樣看見鐵和陶泥混合在一起,那國的人也必和列國的人通婚混雜,卻不能彼此聯合,正如鐵和泥不能混雜一樣。
44Ary amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon- kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
44那些王在位的時候,天上的 神必興起另一個永不滅亡的國,國權必不歸給別族的人。這國必砸碎毀滅其他各國;並且這國必存到永遠。
45Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin'ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin'Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin'ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny.
45正如你看見那塊從山而出,非人手鑿成的石頭,把鐵、銅、泥、銀和金都砸碎了,偉大的 神已把日後必有的結局都告訴王了。這夢是確實的,夢的意思也是準確的。”
46Dia niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin'i Daniela ary nampanatitra fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho azy.
46王高抬並重賞但以理尼布甲尼撒王俯伏在地,向但以理下拜,又下令向但以理獻上供物和香品。
47Ny mpanjaka namaly an'i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao.
47王對但以理說:“你們的 神真是萬神之神,萬王之王,又是顯明隱祕事的,因為你能把這隱祕的事顯明出來。”
48Ary tamin'izany ny mpanjaka dia nanandratra an'i Daniela ho lehibe, ka nanome azy zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy ho lehiben'ny mpanapaka ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.Ary Daniela nangataka tamin'ny mpanjaka, ary izy nanendry an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian'ny raharahan'i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin'ny mpanjaka.
48於是王提升但以理,賜他許多貴重的禮物,使他管理巴比倫全省,又立他為總長,管理巴比倫所有的智慧人。
49Ary Daniela nangataka tamin'ny mpanjaka, ary izy nanendry an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian'ny raharahan'i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin'ny mpanjaka.
49但以理求王,王就委派沙得拉、米煞、亞伯尼歌管理巴比倫省的政務;但以理卻在朝中侍立。