1Ary tsarovy ny Mpanao anao amin'ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao;
1在你壯年的日子,當記念你的創造主。不要等到衰敗的日子,就是你所說:“我毫無喜樂”的那些年日臨到,
2dieny tsy mbola maizina ny masoandro sy ny fahazavana sy ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona, rehefa latsaka ny ranonorana;
2日頭、光明、月亮、星宿變暗,雨後烏雲再現的時候。
3fa amin'izay dia hangovitra ny mpiandry trano, ary hanjoko ny lehilahy matanjaka, ary hitsahatra ny ankizivavy mpitoto, satria efa vitsy ireo, ary ho maizina ny vehivavy mitsirika eo am-baravarankely,
3那時,看守房子的發抖,強壯的彎腰,推磨的稀少,都停了工,往窗外看的都昏暗了,
4ary hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, rehefa malemy ny feon'ny fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona, raha vao maneno ny voronkely, ary halemy feo ny zazavavy mpihira rehetra;[ Na: ka tsy mafy noho ny an'ny voron-kely aza ny feony]
4當街的門口關閉,推磨的聲音微弱。雀鳥一叫,人就起來。唱歌的歌聲(“歌聲”原文作“女子”)都低微。
5ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin'ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dalambe [Na: hitsaha-panirian-javatra izy]
5人怕高處,怕路上有驚嚇。杏樹開花,蚱蜢蹣跚而行,催情果失效。因為人歸他永遠的家,哭喪的在街上遊行。
6dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano,
6銀鍊斷掉,金碗破裂,瓶子在泉旁破碎,打水的輪子在井邊破爛。
7ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny.
7塵土要歸回原來之地,靈要歸回賜靈的 神。
8Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
8傳道者說:“虛空的虛空,一切都是虛空。”
9[Teny farany] Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy.
9結論:敬畏 神,謹守誡命傳道者不但有智慧,還將知識教訓眾人;他既揣摩,又查考,也編撰了許多箴言。
10Mpitoriteny nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin'ny fahamarinana.
10傳道者搜尋可喜悅的話,正確地寫下真理。
11Ny tenin'ny hendry dia toy ny fanindronan-omby sy toy ny hombo voatsatoka, ry mpanangona, omen'ny mpiandry iray izy;
11智慧人的言語像刺棒,他們所彙集的箴言像釘牢的釘子,都是一位牧者所賜的。
12ary he koa, anaka! minoa anatra ianao; fa tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.
12我兒,還有,你當受勸勉:著書多,沒有窮盡;讀書多,身體疲倦。
13Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra.Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.[Na: mbamin'ny]
13你們一切都聽見了,總而言之,應當敬畏 神,謹守他的誡命,因為這是每一個人的本分。
14Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.[Na: mbamin'ny]
14人所作的每一件事,連一切隱藏的事,無論是善是惡, 神都必審問。