Malagasy

聖經新譯本

Ephesians

5

1Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala;
1因此,你們既然是蒙愛的兒女,就應當效法 神。
2ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. [ Gr. fanatitra alatsa-drà]
2要憑著愛心行事,好像基督愛我們,為我們捨己,當作馨香的供品和祭物獻給 神。
3Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,
3至於淫亂和任何污穢或貪心的事,在你們中間連提都不可提,才合聖徒的體統。
4na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.
4更不要講淫穢和愚妄的話,或下流的笑話,這些都與你們不相稱;卻要說感謝的話。
5Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).
5因為你們確實知道,無論是淫亂的、污穢的或貪心的(貪心就是拜偶像),都得不到在基督和 神的國裡的基業。
6Aza mety hofitahin'olona amin'ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana.
6要作光明的兒女不要給別人用空言欺騙了你們,正因為這些事, 神的震怒必定臨到那些悖逆的人。
7Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.
7所以,不要與他們同流合污。
8Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
8你們從前是黑暗的,現今在主裡卻是光明的,行事為人就應當像光明的兒女。
9(fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
9光明所結的果子,就是一切良善、公義、誠實。
10mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo.
10你們要察驗甚麼是主所喜悅的。
11Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
11不要參與暗昧無益的事,倒要把它揭露出來,
12Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
12因為他們暗中所作的事,連提起來也是羞恥的。
13Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.
13凡被光揭露的,都是顯而易見的。
14Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.
14因為一切顯露出來的就是光,所以有話說:“睡了的人哪,醒過來,從死人中起來吧!基督必要照亮你。”
15Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
15所以,你們行事為人要謹慎,不要像愚昧人,卻要像聰明人。
16ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
16要把握時機,因為這時代邪惡。
17Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo.
17因此,不要作糊塗人,要明白甚麼是主的旨意。
18Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,
18不要醉酒,醉酒能使人放蕩亂性,卻要讓聖靈充滿。
19ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo,
19應當用詩章、聖詩、靈歌,彼此呼應,口唱心和地讚美主。
20misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika,
20凡事要奉我們主耶穌基督的名,常常感謝父 神,
21sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy,
21還要存敬畏基督的心,彼此順服。
22Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.
22丈夫與妻子你們作妻子的,要順服自己的丈夫,好像順服主一樣,
23Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. [ Gr. eklesia]
23因為丈夫是妻子的頭,好像基督是教會的頭;基督又是教會全體的救主。
24Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. [ Gr. eklesia]
24教會怎樣順服基督,妻子也要照樣凡事順服丈夫。
25Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, [ Gr. eklesia]
25你們作丈夫的,要愛妻子,好像基督愛教會,為教會捨己,
26mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny;
26為的是要用水藉著道把教會洗淨,成為聖潔,
27mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. [ Gr. hatolony] [ Gr. eklesia]
27可以作榮耀的教會歸給自己,甚麼污點皺紋等也沒有,而是聖潔沒有瑕疵的。
28Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
28丈夫也應當這樣愛妻子,好像愛自己的身體一樣。愛妻子的,就是愛自己了。
29Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana; [ Gr. eklesia]
29從來沒有人恨惡自己的身體,總是保養顧惜,好像基督對教會一樣,
30fa momba ny tenany isika.
30因為我們是他身上的肢體。
31Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).
31為了這緣故,人要離開父母,與妻子結合,二人成為一體。
32Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana aho. [ Gr. eklesia]Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy. [ Gr. hatahotra]
32這是極大的奧祕,但我是指著基督和教會說的。
33Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy. [ Gr. hatahotra]
33無論怎樣,你們各人都要愛自己的妻子,好像愛自己一樣。妻子也應當敬重丈夫。