Malagasy

聖經新譯本

Ezekiel

14

1[Anatra ho an'ny mpanompo sampy, sy filazana ny hanjo azy] Dia nisy loholon'ny Isiraely tonga tao amiko ka nipetraka teo anoloako.
1斥責崇拜偶像的罪有幾個以色列的長老來見我,在我面前坐下。
2Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2耶和華的話就臨到我說:
3Ry zanak'olona, ireto olona ireto efa nampiorina ny sampiny ao am-pony, ary ny fahatafintohinana mahameloka azy dia apetrany eo anoloany. Moa hety hanontanian'ireto va Aho?
3“人子啊!這些人已經把他們的偶像接到心裡去,把那陷他們在罪孽中的絆腳石放在自己面前,我怎能讓他們向我求問呢?
4Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny amin'ny olona rehetra amin'ny taranak'Isiraely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho Jehovah no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny,
4因此,你要告訴他們,對他們說:‘主耶和華這樣說:以色列家的人中,凡把他的偶像接到心裡去,把那陷自己在罪孽中的絆腳石放在自己面前,卻又來見先知的,我耶和華必按他拜眾多偶像的罪報應他,
5mba hisamborako ny taranak'Isiraely amin'ny fony, satria efa nihemotra niala tamiko izy rehetra noho ny sampiny.
5好奪回以色列家的心。他們眾人因自己的偶像,與我疏遠。’
6Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny.
6勸人民離棄偶像歸向真神“因此,你要對以色列家說:‘主耶和華這樣說:回轉吧!轉離你們的偶像!轉臉離棄你們一切可憎之物吧!
7Fa na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny izay mivahiny eo amin'ny Isiraely, no misaraka amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany sady manatona ny mpaminany hanontany amiko, dia Izaho Jehovah ihany no hamaly azy araka izay toetro;
7因為以色列家的人中,或是在以色列寄居的外族人中,凡與我疏遠,把他們的偶像接到心裡去,把那陷自己在罪孽中的絆腳石放在自己面前,卻又來見先知,要為自己求問我的,我耶和華必親自報應他;
8ary hanandrina izany olona izany ny tavako, ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy ho ohabolana, ary hofongorako tsy ho eo amin'ny oloko izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
8我必向那人變臉,使他成為別人的鑒戒和譏笑的對象;我要把他從我子民中剪除;你們就知道我是耶和華。
9Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra, dia Izaho Jehovah no nitaona izany mpaminany izany; ary hahinjitro aminy ny tanako, ka hofongorako tsy ho eo amin'ny Isiraely oloko izy.
9如果有先知被欺騙說一句話,是我耶和華任那先知受欺騙的;我必伸手攻擊他,把他從我子民以色列中除滅。
10Ary hitondra ny heloky ny tenany izy; ny heloky ny mpaminany dia hitovy amin'ny helok'izay manontany aminy koa,
10他們必擔當自己的罪孽;求問的人的罪孽怎樣,先知的罪孽也必怎樣。
11mba tsy hialan'ny taranak'Isiraely amiko intsony, ary tsy handotoany ny tenany intsony amin'ny fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy, ary Izaho ho Andriamaniny, hoy Jehovah Tompo.
11這樣,以色列家必不再走迷路離開我,也不再因他們的一切過犯玷污自己;他們要作我的子民,我要作他們的 神。這是主耶和華的宣告。’”
12Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
12義人得救惡人滅亡耶和華的話又臨到我說:
13Ry zanak'olona, raha misy tany manota amiko ka manao izay mahadiso, ary ahinjitro aminy ny tanako, ka tapahiko ny mofo, tohan'ainy, sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby,
13“人子啊!如果一國行了不忠的事得罪我,我就必伸手攻擊那國,斷絕那地的糧食,使饑荒臨到那地,使人和牲畜都從那地剪除,
14na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo.
14即使有挪亞、但以理和約伯這三個人,他們也只能因自己的義救自己的性命。這是主耶和華的宣告。
15Raha mampandeha biby masiaka eo amin'ny tany Aho, ka mandringana ny zana-bahoaka ireny, ary lao ny tany ka tsy azon'olona aleha noho ny biby,
15如果我使猛獸經過那地,蹂躪那地,使它荒涼,以致因為這些獸的緣故,沒有人敢經過;
16na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy izy; fa ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany kosa ho lao.
16即使有這三個人在其中,我指著我的永生起誓,他們只能救自己,連兒女也不能救,那地卻仍然荒涼。這是主耶和華的宣告。
17Ary raha mitondra sabatra mamely izany tany izany Aho ka manao hoe: Aoka hotetezin-tsabatra ny tany, ka hofongorako izy, na ny olona na ny biby,
17如果我使刀劍臨到那地,說:‘願刀劍經過那地,好讓我把人和牲畜從那地剪除。’
18na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo; fa ny tenany ihany no ho voavonjy.
18即使有這三個人在其中,我指著我的永生起誓,他們只能救自己,連兒女也不能救。
19Ary raha mandefa ared-mandringana mamely izany tany izany Aho, sady aidiko aminy ny fahatezerako, dia amin'ny fandatsahan-drà mba haharingana ny olona sy ny biby ao aminy,
19如果我使瘟疫流行那地,藉著流血的事把我的烈怒傾倒在那地上,使人和牲畜都從那地剪除;
20na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany.
20即使當中有挪亞、但以理和約伯,我指著我的永生起誓,他們只能因自己的義救自己的性命,連兒女也不能救。這是主耶和華的宣告。”
21Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Koa mainka raha alefako hamely an'i Jerosalema izao fitsarako efatra mandoza izao, dia ny sabatra sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!
21主耶和華這樣說:“我打發刀劍、饑荒、猛獸和瘟疫這四樣可怕的刑罰臨到耶路撒冷,要把人和牲畜從那裡剪除的時候,那情況豈不更嚴重嗎?
22Kanefa, indro, hisy sisa afaka ihany izy ho entina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy; indro, hivoaka ho any aminareo ireo, ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin'ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin'i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy.Eny, hampionona anareo ireo, rehefa hitanareo ny alehany sy ny ataony; ka dia ho fantatrareo fa tsy nataotaoko foana izay rehetra nataoko taminy, hoy Jehovah Tompo.
22其中將有剩下逃脫的人,連同兒女被帶出來,他們來到你們那裡,你們看見他們的所行所為,就會因我降給耶路撒冷的一切災禍,得了安慰。
23Eny, hampionona anareo ireo, rehefa hitanareo ny alehany sy ny ataony; ka dia ho fantatrareo fa tsy nataotaoko foana izay rehetra nataoko taminy, hoy Jehovah Tompo.
23你們看見了他們的所行所為,就必得安慰,因為你們知道我在耶路撒冷所行的一切,並不是無緣無故的。這是耶和華的宣告。”