1[Ny amin'ny nanetrena ny taranak'i Dasida, sy ny mbola hanandratana azy indray] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1二鷹與葡萄樹的比喻耶和華的話臨到我說:
2Ry zanak'olona, manaova fampanonona, ary milazà fanoharana amin'ny taranak'Isiraely,
2“人子啊!你要向以色列家出謎語,設比喻,
3ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Nisy voromahery lehibe nanana elatra lehibe, sady lava ny volon'elany, ary nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra; dia tonga tao Libanona izy ka naka izay avo indrindra amin'ny rantsan'ny sedera;
3說:‘主耶和華這樣說:有一隻大鷹,翅膀大,翎毛長,羽毛豐富,彩色繽紛,來到黎巴嫩,把香柏樹的樹梢取去;
4ny tendron'ny tarony dia nolaingosany ka nentiny ho any amin'ny tany fandrantoana; eny, tao an-tanànan'ny mpandranto no namboleny azy.[Heb. Kanana; izahao xxvi. 29]
4牠啄斷樹頂的嫩枝,把它帶到貿易之地,栽種在商人的城裡。
5Nangalany koa ny voan-javatra tamin'ny tany ka namboleny tao amin'ny tany lonaka; nentiny ho eo amoron'ny rano be iny ka nataony araka ny fanao amin'ny hazomalahelo.
5牠又把以色列地的種子取去,栽種在肥沃的地土、水流的旁邊,好像栽種柳樹一樣;
6Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka, mba hitodihan'ny rantsany ho eo aminy ary ny fakany ho ao ambaniny; ka dia tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.
6它生長起來,成了一棵矮小而蔓延的葡萄樹;樹上的枝子向著那鷹,樹根在牠以下。這樣,它就成了一棵葡萄樹,生出枝子,長出嫩芽。
7Ary nisy voromahery lehibe hafa koa nanana elatra lehibe sady be volo, ary, indro, manina azy izany voaloboka izany ka nampanatona ny fakany hankany aminy sady nampanaroka ny rantsany avy tamin'ny tany voafaritra nambolena azy mba hankany aminy koa mba holemany.
7“‘另有一隻大鷹,翅膀大,羽毛多;這葡萄樹從它栽種的苗床上,把樹根向這鷹彎過去,又向這鷹長出枝子,好得牠的澆灌。
8Voavoly tao amin'ny saha tsara teo amoron'ny rano be izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka tsara indrindra.
8其實,這樹早已栽種在肥沃的地土、水流的旁邊,可以長枝子、結果子,成為佳美的葡萄樹。’
9Ataovinao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny voany, mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra, raha vao mitsimoka, ka na dia ny sandry mahery sy ny vahoaka betsaka aza tsy hahay mampaniry azy avy amin'ny fakany intsony.[Na: na dia tsy misy sandry mahery na vahoaka betsaka manongotra azy amin'ny fakany aza]
9你要說:‘主耶和華這樣說:這葡萄樹怎能茂盛呢?鷹不是要拔出它的根來,啄光它的果子,使它和它長出的一切嫩葉都枯乾嗎?其實,要把它連根拔起,並不需要很多人或很大的氣力。
10Koa, indro, na dia voavoly aza izy, moa ho vanona va? Tsy halazo tokoa va izy, raha asian'ny rivotra avy any atsinanana? Eny, halazo eo amin'ny tany voafaritra naniriany izy.
10看哪!葡萄樹被栽種了,但它能發旺嗎?東風吹襲它的時候,它不是必然枯乾嗎?它必在生長的苗床上枯乾。’”
11Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
11解釋比喻的意義耶和華的話臨到我說:
12Lazao amin'ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr'ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, efa tonga tany Jerosalema ny mpanjakan'i Babylona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babylona.
12“你要對那叛逆的民族說:‘你們不知道這些事是甚麼意思嗎?’你要告訴他們:‘看哪!巴比倫王曾到耶路撒冷來,把其中的王和眾領袖擄去,帶他們到巴比倫那裡去。
13Ary naka ny anankiray tamin'ny taranaky ny mpanjaka izy, dia nanao fanekena taminy ka nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery tamin'ny tany dia nentiny nandeha,
13他從以色列王室後裔中選出一人,與他立約,叫他起誓,並且把國中那些有勢力的人擄去,
14mba hietry ny fanjakana ka tsy hiarina, mba hotandremana ny fanekeny ka haharitra.
14使國衰微,不能再興盛,唯有謹守條約他才可以繼續存在。
15Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?
15可是這人背叛了巴比倫王,差遣使者到埃及去,要得戰馬和大軍。他能亨通嗎?行這樣事的人,怎能逃脫呢?他破壞條約,怎能逃脫呢?
16Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia any amin'ny tanin'ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny eny, any amin'io, any Babylona, no hahafatesany.
16我指著我的永生起誓:他藐視了自己所起的誓,背棄了與王所立的約,因此他必死在巴比倫,就是巴比倫王立他作王的地方。這是耶和華的宣告。
17Ary amin'ny hanandratan'ireo tovon-tany sy ny hanaovany tilikambo handringanana olona maro, dia tsy hanampy azy amin'ny ady akory Farao, na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza.
17敵人建造圍城的高牆,築起攻城土壘要剪除多人的時候,法老率領大軍和大隊人馬,還是不能幫助他作戰。
18Fa efa nanamavo ny fianianana izy tamin'ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tànany izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.
18他藐視誓言,背棄條約;他已宣誓效忠,卻又行了這一切事,所以他必不能逃脫。
19Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
19因此主耶和華這樣說:我指著我的永生起誓:他既然藐視我的誓言,背棄我的約,我必使這罪歸到他的頭上。
20Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan'ny fandriko izy, ary ho entiko any Babylona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko.
20我要把我的網撒在他身上,他必在我的網羅中被捕獲;我要把他帶到巴比倫去,並且要在那裡因他對我不忠的罪審判他。
21Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho amin'ny rivotra rehetra, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny izany.
21他軍中所有的精兵,都必倒在刀下;剩下的也必分散到四方;你們就知道說這話的是我耶和華。
22Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin'ny rantsana avo indrindra amin'ny sedera avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron'ny laingony milenodenoka, ka hamboleko ao amin'ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany.
22移植香柏樹的比喻“‘主耶和華這樣說:我要從高大香柏樹的樹梢上取去一根樹枝,把它栽上;我要從樹頂的嫩枝中折下一根枝子,把它栽種在高聳的山上;
23Ao amin'ny tendrombohitra avon'ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin'ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany.
23我要把它栽種在以色列的高山上,它要長出枝子,結出果子,成為佳美的香柏樹;各種各類的飛鳥都必在樹下棲宿,就是棲宿在枝子的蔭下。
24Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany.
24田野所有的樹木都必知道我耶和華使高大的樹矮小,矮小的樹高大;使青綠的樹枯乾,枯乾的樹茂盛。我耶和華怎樣說了,就必怎樣行。’”