Malagasy

聖經新譯本

Ezekiel

20

1[Ny toetry ny Isiraely hatramin'ny ela, sy ny zavatra hanjo azy, ary ny mbola hampodian'Andriamanitra azy]Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon'ny Isiraely mba hanontany amin'i Jehovah, ka nipetraka teo anatrehako izy.
1以色列人在埃及的罪行第七年五月十日,有幾個以色列的長老來求問耶和華,他們坐在我的面前。
2Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2耶和華的話臨到我說:
3Ry zanak'olona, mitenena amin'ireo loholon'ny Isiraely, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa hanontany amiko va no ihavianareo? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
3“人子啊!你要告訴以色列的長老,對他們說:‘主耶和華這樣說:你們來求問我嗎?我指著我的永生起誓,我必不讓你們求問我。這是主耶和華的宣告。’
4Tsy hotsarainao va izy, ry zanak'olona, tsy hotsarainao va izy? Ampahalalao ny fahavetavetan'ny razany izy.
4人子啊,你要審問他們嗎?要審問他們嗎?你要使他們知道他們列祖那些可憎的事,
5Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nifidianako ny Isiraely sy ny ananganako tanana tamin'ny taranak'i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin'ny tany Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo,
5對他們說:‘主耶和華這樣說:在我揀選以色列的日子,我向雅各家的後裔舉手起誓,又在埃及地向他們顯現。我向他們舉手起誓說:我是耶和華你們的 神。
6tamin'izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tany notadiaviko ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
6那日,我向他們舉手起誓,要把他們從埃及地領出來,到我為他們所選定的流奶與蜜之地,就是萬邦中最榮美的地。
7dia hoy Izaho taminy: Samia manary ny fahavetavetan'ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto tena amin'ny sampin'i Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
7我對他們說:你們各人要拋棄你們眼中那些可憎的像,不可因埃及的偶像玷污自己:我是耶和華你們的 神。
8Nefa niodina tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan'ny masony na nahafoy ny sampin'i Egypta, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy eo amin'ny tany Egypta ny fahatezerako.
8但是他們背叛了我,不肯聽從我;他們各人沒有拋棄他們眼中那些可憎的像,沒有離棄埃及的偶像。“‘那時我說,我要把我的烈怒傾倒在他們身上,在埃及地向他們完全發盡我的怒氣。
9Kanefa niasa noho ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason'ny jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin'ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
9然而我為了我名的緣故沒有這樣作,免得我的名在他們寄居的列國的人眼中被褻瀆,我把他們從埃及地領出來,在列國的人眼前向他們顯現。
10Koa dia nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nentiko ho any an-efitra.
10在曠野的罪行“‘這樣我把他們從埃及地領了出來,帶到曠野。
11Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany.
11我把我的律例賜給他們,把我的典章指示他們;人如果遵行,就必因此活著。
12Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
12我又把我的安息日賜給他們,作我與他們之間的憑據,使他們知道我是使他們分別為聖的耶和華。
13Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak'Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy.
13可是以色列家在曠野背叛了我,沒有遵行我的律例,棄絕了我的典章(人如果遵行這些,就必因此活著),大大褻瀆了我的安息日,那時我說我要把我的烈怒倒在他們身上,在曠野把他們滅絕。
14Kanefa niasa noho ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo anatrehan'ny jentilisa izay nahita ay nitondrako azy nivoaka.
14然而我為了我名的緣故沒有這樣作,免得我的名在列國的人眼中被褻瀆;我曾在他們眼前把以色列人領出來。
15Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin'ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
15我在曠野也曾經向他們舉手起誓,必不領他們到我賜給他們的流奶與蜜之地,就是萬邦中最榮美的地。
16satria efa nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny.
16因為他們棄絕了我的典章,沒有遵行我的律例,褻瀆了我的安息日;他們的心隨從自己的偶像。
17Nefa niantra azy ihany ny masoko, ka dia tsy naringako na nolevoniko tany an-efitra izy.
17雖然這樣,我的眼還是顧惜他們,不毀滅他們;我沒有在曠野把他們滅絕。
18Fa hoy Izaho tamin'ny zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin'ny sampiny;
18“‘我在曠野對他們的兒女說:不要遵行你們祖先的律例,不要謹守他們的典章,也不要因他們的偶像玷污自己。
19fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany.
19我是耶和華你們的 神;你們要遵行我的律例,謹守我的典章,把它們實行出來。
20Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
20你們要把我的安息日分別為聖,作我與你們之間的憑據,使你們知道我是耶和華你們的 神。
21Kanjo niodina tamiko koa ny zanany: tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako. ary hotanterahiko aminy any an-efitra ny fahatezerato.
21可是他們的兒女背叛了我,沒有遵行我的律例,也沒有謹守實行我的典章(人如果遵行這些律例典章,就必因此活著),褻瀆了我的安息日;那時我說我要把我的烈怒倒在他們身上,在曠野向他們發盡我的怒氣。
22Nefa nampihemotra ny tanako Aho, ka dia niasa noho ny amin'ny anarako, mba tsy ho voaloto izany eo anatrehan'ny jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.
22然而我為了我名的緣故縮手,沒有這樣作,免得我名在列國的人眼中被褻瀆;我曾在他們眼前把以色列人領出來。
23Dia nanangan-tanana taminy tany an'efitra, indray Aho, hampiely azy any amin'ny jentilisa sy hampihahaka azy any amin'ny tany samy hafa,
23我在曠野也曾經向他們舉手起誓,要把他們分散在列國,四散在萬邦;
24satria tsy nanaraka ny fitsipiko izy, fa nanamavo ny didiko sy nandoto ny Sabatako, ary ny masony nanaraka ny sampin'ny razany.
24因為他們沒有遵守我的典章,棄絕了我的律例,褻瀆了我的安息日,他們的眼目注視著他們祖先的偶像。
25Ary nomeko didy tsy tsara koa izy sy fitsipika izay tsy mahavelona Azy.
25因此,我也把不好的律例和不能藉以存活的典章賜給他們;
26Dia nandoto azy tamin'ny fanatiny Aho, dia tamin'ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamaky ny afo, hampahatalanjonako azy, mba hahafantarany fa Izaho no Jehovah.[Na: dia tamin'ny nanokanany ny voalohan-teraka rehetra; izahao Eks. xiii. 12]
26他們使所有頭生的都經火作供物,所以我讓他們玷污自己,好叫他們驚惶,知道我是耶和華。’
27Koa mitenena amin'ny taranak'Isiraely, ry zanak'olona, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'izao no mbola nanamavoan'ny razanareo Ahy tamin'ny nivadihany tamiko:
27在迦南的罪行“因此,人子啊!你要告訴以色列家,對他們說:‘主耶和華這樣說:你們的列祖在對我不忠的這事上褻瀆了我。
28Nony nitondra azy ho any amin'ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho, dia nahita ny havoana andrandraina rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy, ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanaterany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny.
28我領他們到了我曾經舉手起誓要賜給他們的那地,他們看見各高山和茂盛的樹林,就在那裡獻祭,在那裡奉上惹我發怒的供物,也在那裡獻上馨香的祭,並且在那裡澆上他們的奠祭。’
29Ka dia hoy Izaho taminy: Ahoana moa ny amin'ny fitoerana avo alehanareo ? Ka dia fitoerana avo no natao anarany mandraka androany.
29我問他們:‘你們所去的那高處是甚麼地方?’於是那高處的名字叫巴麻,直到今日。
30Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon'ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va,[Heb. lalana]
30因此,你要對以色列家說:‘主耶和華這樣說:你們還照著你們祖先所行的玷污自己嗎?仍隨著他們可憎的偶像行邪淫嗎?
31ary mandoto tena amin'ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin'ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak'Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
31你們奉上供物,使你們的兒子經火,用你們的一切偶像玷污自己,直到今日。以色列家啊,我怎能讓你們向我求問呢?主耶和華說:我指著我的永生起誓:我決不讓你們向我求問。這是主耶和華的宣告。
32Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin'ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an'ny vato aman-kazo.
32你們說:我們要像列國的人,像列邦的各族一樣去事奉木頭和石頭。你們心裡所起的這意念,必不能成就。
33Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo.
33重歸故土的應許“‘我指著我的永生起誓:我必用大能的手,伸出來的膀臂,以及倒出來的烈怒,統治你們。這是主耶和華的宣告。
34Ary amin'ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin'ny fahatezerana aidina no hitondrako anareo mivoaka avy any amin'ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo.
34我必用大能的手,伸出來的膀臂,以及倒出來的烈怒,把你們從萬族中領出來,從你們所分散到的列邦招聚你們。
35Dia ho entiko ho any an-efitry ny firenena ianareo, ary any no hifandaharako mifanatrika aminareo.
35我要把你們帶到萬族的曠野,在那裡當面審判你們。
36Tahaka ny nifandaharako tamin'ny razanareo tany an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy Jehovah Tompo.
36我怎樣在埃及地的曠野審判你們的祖先,也必怎樣審判你們。這是主耶和華的宣告。
37Ary hampandaloviko eo ambanin'ny tehina ianareo ka hampidiriko hofehezin'ny fanekena.
37我必使你們從牧人的杖下經過,使你們進入盟約的約束。
38Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin'ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
38我必從你們中間除淨那些背叛和得罪我的人,我雖把他們從寄居之地領出來,可是他們不得進入以色列地;這樣,你們就知道我是耶和華。
39Ary ny aminareo, ry taranak'Isiraely, izao no lazain'i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masina intsony amin'ny fanatitrareo sy amin'ny sampinareo.
39以色列家啊,至於你們,主耶和華這樣說:你們各人去事奉自己的偶像吧!只是將來你們必要聽從我,不可再以你們的供物和偶像褻瀆我的聖名。
40Fa ao an-tendrombohitro masina, dia ao an-tendrombohitra avon'ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan'ny taranak'Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin'ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin'ny zava-masinareo rehetra,
40在我的聖山,就是在以色列的高山,以色列全家所有的人都要在那地事奉我;我要在那裡悅納他們;在那裡向你們要舉祭和初熟的土產,以及一切聖物。這是主耶和華的宣告。
41Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin'ny hitondrako anareo mivoata avy any amin'ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin'ny tany samy hafa nampielezana anareo, ka dia hiseho ho masina eo anatrehan'ny jentilisa Aho amin'ny hataoko aminareo.
41我從萬族中把你們領出來,從你們所分散到的列邦召集你們的時候,我必悅納你們,好像悅納馨香的祭一樣。我要在列國的人眼前,在你們中間顯為聖。
42Ary ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha mitondra anareo ho any amin'ny tanin'ny Isiraely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana nomena ny razanareo.
42我領你們進入以色列地,就是進入我曾經舉手起誓要賜給你們祖先的地以後,你們就知道我是耶和華。
43Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo.Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin'ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
43在那裡你們要想起你們玷污自己的所作所為,又要為了自己所行的一切惡事而厭惡自己。
44Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin'ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
44以色列家啊!為了我名的緣故,我沒有照著你們的惡行和敗壞的行為待你們,這樣,你們就知道我是耶和華。這是主耶和華的宣告。’”
45焚燒樹林的比喻耶和華的話臨到我說:
46“人子啊!你要面向南方,向南面發言,說預言攻擊南地田野的樹林,
47對南地的樹林說:‘你要聽耶和華的話,主耶和華這樣說:看哪!我要在你中間點起火來,吞滅你中間所有青綠和枯乾的樹;猛烈的火燄必不熄滅;從南到北遍地都要燒焦。
48所有的人都必看見是我耶和華使這火燃起來;這火必不熄滅。’”
49於是我說:“啊,主耶和華啊!人都指著我說:‘這人不是在說比喻嗎?’”(本章第45~49節在《馬索拉抄本》為21:1~5)