Malagasy

聖經新譯本

Ezekiel

3

1Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin'ny taranak'Isiraely.
1吃書卷他對我說:“人子啊,把你得到的吃下去吧!吃下這書卷,然後去向以色列家說話。”
2Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany.
2於是我把口張開,他就給我吃下那書卷。
3Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.
3他又對我說:“人子啊!把我賜給你的那書卷吃下去,填滿你的肚子。”於是我吃了,這書卷在我口裡像蜜糖一樣甘甜。
4[Ny nanirahana an'i Ekeziela hilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny Isiraely] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, andeha mankany amin'ny taranak'Isiraely, ka lazao aminy ny teniko.
4受主訓勉他對我說:“人子啊,你去!到以色列家那裡,把我的話告訴他們。
5Fa tsy ho any amin'ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho any amin'ny taranak'Isiraely ihany;
5你受差派不是到一個說話難明、言語難懂的民族那裡去,而是到以色列家去;
6tsy ho amin'ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao izy.
6不是到說話難明、言語難懂的眾多民族那裡去,他們的話是你聽不懂的。但是,如果我差派你到他們那裡去,他們必聽從你。
7Fa ny taranak'Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak'Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.
7以色列家卻不肯聽從你,因為他們不肯聽從我,整個以色列家都是額堅心硬的。
8Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin'ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny.
8看哪!我要使你的臉硬過他們的臉,使你的額硬過他們的額。
9Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.
9我要使你的額好像最堅硬的寶石,比火石更硬。他們雖然是叛逆的民族,你卻不要怕他們,在他們面前,也不要驚惶。”
10Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin'ny fonao, ka henoy amin'ny sofinao.[Heb. raiso amin'ny fonao]
10他又對我說:“人子啊!我對你說的一切話,你都要留心聽,記在心裡。
11Dia mandehana mankany amin'ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino.
11你去,到被擄的人民那裡,向他們宣講;他們或聽或不聽,你只要對他們說:‘主耶和華這樣說。’”
12Ary nisy fanahy nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitr'i Jehovah avy amin'ny fitoerany. [Na: rivotra]
12那時,靈使我升起,我就聽見後面有轟轟的響聲:“耶和華的居所顯現出來的榮耀是應當稱頌的!”
13Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny zava-manan'aina, izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodia teo anilany sy ny horakoraka be.
13我又聽見那些活物的翅膀彼此相碰的聲音和活物旁邊的輪子的聲音,以及轟轟的響聲。
14Ary nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra tamin'ny fahavontosan'ny fanahiko; ary ny tànan'i Jehovah dia nahery tao amiko.[Na: rivotra][Heb. mangidy]
14靈使我升起,把我提去。那時我心靈忿激、愁苦。耶和華的手強而有力臨到我身上。
15Dia tonga tany amin'ny babo tany Telabiba aho, dia teo amin'izay nonina teo amoron'ny ony Kebara, teo amin'izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana dia tahaka ilay torana iny aho.
15於是我來到提勒.亞畢被擄的人那裡,他們住在迦巴魯河邊。我在他們居住的地方坐了七天,在他們中間震驚得不知所措。
16Ary nony afaka ny hafitoana, dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
16以色列家的守望者(結33:1~9)過了七天,耶和華的話臨到我說:
17Ry zanak'olona, efa nataoko mpitily ho an'ny taranak'Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin'ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.
17“人子啊,我立了你作以色列家守望的人,所以你要聆聽我口中的話,替我警告他們。
18Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.
18如果我對惡人說:‘你必定死亡!’你卻不警告他,也不警戒他離開惡行,好救他的性命,這惡人就必因自己的罪孽死亡。但我要因他的死追究你。
19Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.
19如果你警告惡人,他仍不離開他的罪惡和他的惡行,他就必因自己的罪孽死亡,你卻救了自己的性命。
20Ary koa, raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin'ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.
20如果義人偏離正義,行事邪惡,我必把絆腳石放在他面前,他必定死亡;因為你沒有警告他,他必因自己的罪死亡。他素常所行的義,也必不被記念。但我要因他的死追究你。
21Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao.
21如果你警告義人不要犯罪,他就不犯罪。他因為接受警告,就必存活,你也救了自己的性命。”
22[Faminaniana ny amin'ny hanjo an'i Jerosalema] Ary ny tànan'i Jehovah dia tamiko, ary hoy Izy tamiko: Mitsangàna, ka mivoaha ho any amin'ny lohasaha, ary any no hitenenako aminao.
22暫時緘口不言耶和華的手在那裡臨到我身上,他對我說:“你起來,出到平原去,在那裡我要向你說話。”
23Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin'ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr'i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany dia nikarapoka nihohoka aho.
23於是,我起來,出到平原去,看見耶和華的榮耀停在那裡,這榮耀就像我在迦巴魯河邊看見的一樣。於是我俯伏在地。
24Ary nisy fanahy tonga tao anatiko ka nampitsangana ahy; dia niteny tamiko Izy ka nanao hoe: Andeha, mirindrina ao anatin'ny tranonao ianao.
24靈進到我裡面,使我站立起來,耶和華對我說:“你進去,把自己關在家裡。
25Fa ianao, ry zanak'olona, indro, hasiany fatorana, izay hamatorany anao, ka tsy hahazo mivoaka ho ao aminy ianao.
25人子啊!人要用繩子把你捆綁起來,使你不能出到他們中間去。
26Ary hampiraiketiko amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy.Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy.
26我要使你的舌頭貼住上膛,使你變成啞巴,不能作責備他們的人,因為他們是叛逆的民族。
27Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy.
27但我對你說話的時候,我必開你的口,你就要對他們說:‘主耶和華這樣說。’肯聽的就讓他聽,不肯聽的,就由他不聽吧,因為他們是叛逆的民族。”