1Andeha hiverina ho amin'i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika.
1勸人民誠心歸向 神“來吧!讓我們回轉歸向耶和華;因為,他雖然撕裂了我們,但必定醫治我們;他雖然擊傷了我們,卻必替我們裹傷。
2Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin'ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika
2兩天以後,他要使我們復原;第三天,他使我們起來,我們就可以活在他的面前。
3Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an'i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny tany.
3讓我們認識,竭力追求認識耶和華。他必定出現,像晨光一樣,他必臨到我們,如雨水一般,又像滋潤大地的春雨。
4Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.
4指摘人民虛偽的行為“以法蓮啊!我要怎樣待你呢?猶大啊,我要怎樣待你呢?你們的愛心像早晨的雲霧;又像瞬即消逝的朝露。
5Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, ny tenin'ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.
5因此,我藉眾先知砍碎他們,用我口中的話殺戮他們;我的審判必如光一般發出。
6Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an'Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.
6我喜愛憐恤,不喜愛祭祀;我喜愛人認識 神的知識,勝過人獻的燔祭。
7Fa ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an'i Adama, tao no nivadihany nahafoizany Ahy.
7可是他們卻在亞當城背約,在那裡向我行詭詐。
8Gileada dia tanànan'ny mpanao ratsy sady voaloton'ny rà.
8基列是作孽之人的城,他們的腳蹤染滿了血漬。
9Ary toy ny fanotriky ny jiolahy no fikamban'ny mpisorona: Mamono eny an-dalambe mankany Sekema izy, eny, efa nanao fahavetavetana koa izy.
9在往示劍的路上,祭司結黨殺害人,就像埋伏路旁的強盜;他們行了邪惡的事。
10Tao amin'ny taranak'Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: ao ny fijangajangan'i Efraima, voaloto Isiraely.Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin'ny fahababoana ny oloko.
10在以色列家!我看見了可怕的事;那裡有以法蓮的淫行,以色列被玷污了。
11Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin'ny fahababoana ny oloko.
11猶大啊!我使我的子民歸回的時候,必有為你定下的一個收割時期。”