Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

25

1[Hira fisaorana an'Andriamanitra noho ny soa nataony ho an'ny olony sy ny nampijaliany ny fahavalony kosa] Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
1稱頌的詩歌耶和華啊!你是我的 神,我要尊崇你,稱謝你的名,因為你以信實真誠作成了奇妙的事,就是你遠古以前所計劃的事。
2Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; Ny tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan'ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay iny; [Heb. hafa firenena]
2你使城市變成廢堆,使堅固城變為荒涼的地方,使外族人的城堡不再為城,永遠不得重建。
3Ka dia hankalaza Anao ny firenena masiaka, Hatahotra Anao ny tanànan'ny firenena lozabe.
3因此,強大的民族必榮耀你;強暴之國的城也要敬畏你。
4Fa fiarovana mafy ho an'ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo amin'ny fahoriany, fierena amin'ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin'ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.
4你作了困乏人的保障、貧窮人急難中的保障、躲暴風雨的避難所、避炎熱的陰涼處;因為強暴者所吹的氣,如同直吹牆壁的暴風。
5Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban'ny firenena hafa; Eny, tahaka ny amin'ny hainandro resin'ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran'ny olon-dozabe.
5你抑制外族人的喧嘩,好像減低乾旱之地的炎熱;你禁止強暴者的凱歌,好像熱氣因雲彩而消散。
6Ary Jehovah, Tompon'ny maro, dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra eto amin'ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin'ny zavatra matavy, fanasana amin'ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.
6聖山上擺設筵席萬軍之耶和華必在這山上為萬民擺設豐盛美筵,有陳酒、滿髓的肥甘和醇美好酒。
7Ary hofoanany eto amin'ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra.
7他又必在這山上除滅那遮蓋萬民的面巾,和那遮蓋列國的帕子。
8Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
8他要吞滅死亡,直到永遠;主耶和華必擦去各人臉上的眼淚,又從地上除掉他子民的羞辱;這是耶和華說的。
9Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika.
9 神施行拯救,懲罰敵人到那日,必有人說:“看哪!這是我們的 神;我們信靠他,他必拯救我們。這是耶和華,我們所倚靠的,我們要因他的拯救歡喜快樂。
10Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity ny tànan'i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin'izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin'ny rano ao am-pahitra;
10耶和華的手必放在這山上;但摩押人在自己的地方必受踐踏,好像乾草在糞坑中被踐踏一樣。
11Ary ireo dia hamelatra ny tanany eo ampovoan'izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; Fa Jehovah kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany. [Heb. Izy]Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny vovoka.
11他們必在其中伸開手來,好像游泳者伸開手來游泳一樣;但耶和華要使他們的驕傲和他們手所行的詭計,一同敗落。
12Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny vovoka.
12耶和華必使他們高聳而堅固的城牆傾倒下陷,落在地面,變作塵土。”