1Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan'ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.
1公義之王看哪!必有一王憑公義執政,必有眾領袖按公平治理。
2Ary hisy lehilahy ho fierena amin'ny rivotra sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin'ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny tany mahana. [Na: Ary samy]
2必有一人像避風所,和避暴雨的隱密處,像乾旱之地的溪水,又像疲乏之地的磐石陰影。
3Ary tsy hikimpy ny mason'izay mahita, ary ny sofin'izay mandre dia hihaino.
3那時,能看見事物者的眼睛,必不再昏暗;能聽到事物者的耳朵,必然傾聽。
4Ny fon'izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan'izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.
4性急者的心必明白知識,口吃者的舌頭必說話清楚。
5Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr'andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be. [Heb. mpanankarena]
5愚頑人不再被稱為高尚,惡棍也不再被稱為大方。
6Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin'i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan'ny noana hanina sy izay tsy hahazoan'ny mangetaheta rano hosotroina. [Na: ratsy]
6因為愚頑人說的是愚頑話,他心裡所想的是罪孽,慣行褻瀆 神的事,說錯謬的話攻擊耶和華,使飢餓的人仍空著肚子,使口渴的人仍無水可喝。
7Ary ratsy ny hafetsen'ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin'ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo; [Heb. fiasan']
7至於惡棍,他的手段是邪惡的,他圖謀惡計,用虛假的言語毀滅困苦的人,即使在窮乏人講公理的時候,他也是這樣。
8Fa ny mitoetr'andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany.
8高尚的人卻籌謀高尚的事,他也必堅持這些高尚的事。
9[Anatra mafy tamin'ny vehivavy tao Jerosalema] Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.
9預言審判與復興安逸的婦女啊!你們要起來,聽我的聲音;無憂無慮的女子啊!你們要側耳聽我的話。
10Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo
10無憂無慮的女子啊!再過一年多,你們就必受困擾,因為沒有葡萄可摘,收禾稼的日子也沒有來。
11Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.
11安逸的婦女啊!你們要受震驚。無憂無慮的女子啊!你們要受困擾了,脫去衣服,赤著身子,以麻布束腰吧。
12Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.
12你們要為美好的田地和多結果子的葡萄樹搥胸哀哭。
13Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin'ny oloko, eny, na dia ny ao amin'ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;
13也為那些在我子民的土地上長起來的荊棘和蒺藜而哀哭,為那歡樂的城和所有快樂的房屋,也是這樣。
14Fa ho foana ny lapan'ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman'ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen'ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian'ny ondry aman'osy, [Na: Ny havoana]
14因為宮殿必被丟棄,熱鬧的城市也被撇下,山岡和守望樓必永遠成為洞穴,作了野驢喜歡的地方和羊群的草場。
15Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin'ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.
15等到聖靈從高處傾倒在我們身上,曠野變為肥田,肥田被看為樹林的時候,
16Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin'ny saha mahavokatra.
16公平就必居在曠野中,公義必住在肥田裡。
17Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;
17公義的果效必是平安,公義的效驗必是平靜與安穩,直到永遠。
18Ary ny oloko hitoetra ao amin'ny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;
18那時,我的子民必住在平安的居所,安穩的住處,不受騷擾的安息之處。
19Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.Sambatra izay mamafy eny amoron'ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.
19但在敵人的國土中,必有冰雹降下,打倒他們的樹林,他們的城必被夷平。
20Sambatra izay mamafy eny amoron'ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.
20你們這些在各水邊撒種,又使牛驢隨意走動的,是多麼有福啊!