Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

38

1[Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanalavan'Andriamanitra ny androny, ary ny fiderana nataony amin'izany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
1希西家病危與康復(王下20:1~11;代下32:24)那時,希西家患了重病,快要死去。亞摩斯的兒子以賽亞先知來見他,對他說:“耶和華這樣說:‘你要把你的家整頓妥當,因為你快要死去,不能存活。’”
2Dia nitodika nankany amin'ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin'i Jehovah
2希西家就轉臉向牆,對耶和華禱告、
3hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.
3說:“耶和華啊!求你記念我在你面前怎樣誠誠實實、以純全的心來行事,又作你眼中看為善的事。”然後,希西家就痛哭起來。
4Dia tonga tamin'Isaia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
4耶和華的話臨到以賽亞說:
5Mandehana, ka lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao,
5“你去告訴希西家:‘耶和華你祖先大衛的 神這樣說:我聽見了你的禱告,看見了你的眼淚;看哪!我必在你的壽數上加添十五年。
6sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.
6我必救你和這城脫離亞述王的手;我必保護這城。’
7Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin'i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:
7以下就是耶和華給你的兆頭,為要證明耶和華必成全他所說過的。
8Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan'ny masoandro azy teo amin'ny dialin' i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany. [Heb. ambaratonga]
8看哪!我要使亞哈斯日晷上那向前進的日影往後退十度。”於是那向前進的日影,果然在日晷上往後退了十度。
9Ny teny nosoratan'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin'ny aretiny:
9希西家的感恩歌猶大王希西家從病患中痊愈以後,就寫了這詩:
10Hoy izaho: Amin'izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita; nesorina tamiko ny androko sisa. [Heb. Sheola]
10我曾說:在我盛年之際,我竟要進入陰間之門;我餘剩的年日,竟被奪去。
11Hoy izaho: Tsy mba hahita an'i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an'i Jehovah ao amin'ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan'ny mponina any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola]
11我曾說:在活人之地,我必不得見耶和華;在世間的居民中,我必不再見到任何人。
12Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain'ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin'ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
12我的住處被拔起,遷離了我,像牧人的帳棚一樣;我捲起我的性命,像織布的捲布一樣;他把我從機頭剪斷;一日之間,他必使我生命終結。
13Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain'ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
13我不斷哀歎,直到早晨,他像獅子一般,折斷我所有的骨頭;一日之間,他必使我生命終結。
14Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin'ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.
14我像燕子呻吟,像白鶴鳴叫,又像鴿子哀鳴。我的眼睛因仰望高處而疲倦;耶和華啊!我受欺壓,求你作我的保障。
15Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin'ny taonako sisa rehetra noho ny fangidian'ny aiko. [Na: rehefa afaka]
15我可說甚麼呢?他應許我的,已給我成全了;因我的心曾受過苦楚,所以我要謹慎地度我所有的年日。
16Tompo ô, izany no iveloman'ny olona, ary amin'izany tokoa no iainan'ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.
16主啊!人活著是在於這些,我的靈存活,也在於這些。所以求你使我恢復健康,使我存活。
17Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin'ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.
17看哪!我受盡苦楚,為要使我得平安;你保全我的性命,脫離毀滅的坑,因為你把我的一切罪都丟在你的背後。
18Fa ny fiainan-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. [Heb. Sheola]
18陰間不能稱謝你,死亡不能讚美你,下坑的人都不能仰望你的信實。
19Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
19只有活人才能稱謝你,像我今日一樣;作父親的,要讓兒女知道你的信實。
20Jehovah efa vonona hamonjy Ahy, Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon'i Jehovah izahay Amin'ny andro rehetra iainanay.
20耶和華必拯救我,因此我們要一生一世在耶和華的殿中,用絲弦的樂器彈奏我的詩歌。
21Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy, ary apetaho amin'ny vay izany, mba ho sitrana izy.Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon'i Jehovah aho?
21以賽亞說:“叫人拿一塊無花果餅來,貼在瘡上,王就必痊愈。”
22Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon'i Jehovah aho?
22希西家問:“我能上耶和華的殿去,有甚麼兆頭呢?”