Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

40

1[Teny mahafaly, fampiononana ny Isiraely] Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
1 神的安慰你們的 神說:“你們要安慰,要安慰我的子民!
2Mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan'i Jehovah izy ho valin'ny fahotana rehetra nataony. [Na: tapitra ny fe-taom-panompoany]
2你們要向耶路撒冷說慈愛的話,又要向它宣告:他們的苦難已經滿足了,他們的罪孽已經還清了,他們因著自己的一切罪,已經從耶和華的手裡受到過重的刑罰。”
3Injany! misy feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika.
3預言在曠野有預備主道的有聲音呼喊說:“你們要在曠野清理耶和華的路,在沙漠修直我們 神的大道。
4Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
4一切深谷都要填滿,一切山岡都要削平;險峻的要改為平地,崎嶇的要改為平原。
5Dia hiseho ny voninahitr'i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
5耶和華的榮耀必要顯現,所有的人都必一同看見,因為這是耶和華親口說的。”
6Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
6有聲音說:“你呼喊吧!”他問:“我呼喊甚麼呢?”“所有的人盡都如草;他們的榮美都像野地的花。
7Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin'ny fofonain'i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.
7草必枯乾,花必凋謝;因為耶和華的氣吹在上面;真的,這民的確是草!
8Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
8草必枯乾,花必凋謝,唯有我們 神的道永遠長存。”
9Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! [Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Ziona][Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema]
9 神乃善牧報好信息給錫安的啊!你要登上高山。報好信息給耶路撒冷的啊!你要極力揚聲。要揚聲,不要懼怕!要對猶大的眾城說:“看哪,你們的 神!”
10Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
10看哪!主耶和華必像大能者臨到,他的膀臂要為他掌權;看哪!他給予人的賞賜在他那裡,他施予人的報應在他面前。
11Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
11他必像牧人牧養自己的羊群,像用膀臂聚集羊羔,抱在自己的懷中,慢慢引導乳養小羊的。
12Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin'ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy ny havoana tamin'ny mizana? [Heb. ampahatelon'ny efaha]
12 神偉大無比誰曾用掌心量過海水,用手掌測過蒼天呢?誰曾用升斗量過大地的塵土,用秤稱山嶺,用天平稱岡陵呢?
13Iza no nanome hevitra ny Fanahin'i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy?
13誰曾測度耶和華的靈,或作過他的謀士教導他呢?
14Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan'ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan'ny fahendrena ?
14他與誰商議,誰使他有聰明?誰把正確的路指教他,把知識指教他,又把明智的路教導他呢?
15Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin'ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madiniKa amin'ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra. [Na: tahaka ny vovoka madinika paohin'ny rivotra]
15看哪!萬國都像水桶裡的一滴,又被看作天平上的微塵。看哪!他舉起眾海島,好像微細之物。
16Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana.
16黎巴嫩的樹林不夠當柴燒,其中的走獸也不夠作燔祭。
17Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman'ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.
17萬國在他跟前好像不存在,在他看來,只是烏有和虛空。
18Koa ampitovinareo amin'iza moa Andriamanitra ? Ary endrik'inona no ampanahafinareo Azy ?
18你們把誰來跟 神相比呢?你們用甚麼形象來與 神並列呢?
19Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
19至於偶像,是匠人鑄造的,鑄匠用金子把它包裹,用銀子為它做銀鍊。
20Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lò ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona.
20貧窮獻不起這供物的,就揀選不朽壞的樹木,為自己尋找巧匠,立起不會動搖的偶像。
21Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin'ny fanorenan'ny tany?
21你們不曾知道嗎?你們不曾聽見嗎?不是從起初就已經告訴過你們嗎?自從大地的根基立了以來,你們還不曾明白嗎?
22Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
22 神坐在大地的圓穹之上,地上的居民好像蚱蜢,他鋪張諸天如鋪張幔子,展開眾天像展開可以居住的帳棚。
23Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin'ny tany ho tahaka ny zava-poana.
23他使諸侯都歸於無有,使地上的審判官成為虛空。
24Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin'ny tany ny fotony, dia notsofin'Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin'ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.
24他們才剛剛栽上,剛剛種上,他們的樹頭剛剛在地裡扎根,他一吹在其上,他們就枯乾了,旋風把他們像碎秸一樣吹去。
25Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.
25那聖者說:“你們把誰來跟我相比,使他與我相等呢?”
26Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
26你們向天舉目吧!看是誰創造了這些萬象?是誰按著數目把萬象領出來,一一指名呼喚?因他的大能大力,連一個也不缺少。
27Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
27勉勵人民信靠 神雅各啊!你為甚麼這樣說;以色列啊!你為甚麼埋怨說:“我的道路向耶和華隱藏,我的案件被我的 神忽略了”?
28Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
28你不知道嗎?你沒有聽過嗎?永在的 神、耶和華、地極的創造主既不疲乏,也不困倦;他的知識無法測度。
29Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.
29疲乏的,他賜氣力,無力的,他加力量。
30Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
30就是年輕人也會疲乏困倦,強壯的人也會全然跌倒。
31Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
31但那些仰望耶和華的人,必重新得力;他們必像鷹一樣展翅上騰;他們奔跑,也不困倦,他們行走,也不疲乏。