Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

42

1[Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, mpitondra famonjena ho an'ny Isiraely sy ny firenena rehetra] Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy.
1 神的僕人看哪!這是我的僕人,我扶持他;我所揀選的,我的心喜悅他;我已經把我的靈賜給他,他必把公理帶給萬國。
2Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana.
2他不呼喊,也不揚聲,也不叫人在街上聽見他的聲音。
3Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy.
3壓傷的蘆葦,他不折斷;將熄滅的燈火,他不吹滅;他忠實地傳出公理。
4Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.
4他不灰心,也不沮喪,直到他在地上設立公理,眾海島的人都等候他的教訓。
5Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an'izay mandeha eo aminy:
5那創造諸天,展開穹蒼,鋪張大地和大地所出的一切,賜氣息給地上的眾人,又賜靈性給在地上行的人的耶和華 神這樣說:
6Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa,
6“我耶和華憑著公義呼召了你;我必緊拉著你的手,我必保護你,立你作人民的約,作列國的光,
7Hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin'ny maizina hiala ao an-trano famatorana.
7為要開瞎子的眼,領被囚的出牢獄,領住在黑暗中的出監牢。
8Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokitra.
8我是耶和華,這是我的名;我必不把我的榮耀歸給別人,也不把我當受的稱讚歸給雕刻的偶像。
9Ny amin'ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.
9看哪!先前預言過的事已經成就了,現在我說明新的事;它們還沒有發生以前,我就先說給你們聽了。”
10Hianareo izay midina any amin'ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin'ny faran'ny tany.
10頌讚 神之歌所有航海的和海中所充滿的,眾海島和其上的居民哪!你們都要向耶和華唱新歌,從地極向他發出讚美。
11Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan'i Kedara; Aoka hihoby ny mponina any Sela; Ary aoka hanao feo avo any an-tampon'ny tendrombohitra izy.[Na: any amin'ny harambato]
11願曠野和其中的城鎮都揚聲;願基達人居住的村莊都高呼;願西拉的居民都歡呼,在山頂上吶喊。
12Aoka hanome voninahitra an'i Jehovah izy Ary hitory ny fiderana Azy any amin'ny nosy.
12願他們把榮耀歸給耶和華,在眾海島中宣揚對他的頌讚。
13Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon'ny mpiady no amohazany ny fahatezerany; Miantsoantso Izy, eny, mihiaka mafy; Mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy.[Na: fahasaro-piarony]
13耶和華必像勇士出戰,必像戰士激動熱心;他要呼喊,大聲吶喊,要向仇敵顯出自己的威猛。
14Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; Fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka, eny, miehakehaka tsy avy miaina.
14我已經很久緘默不言,閉口不語,但現在我要像待產的婦人一樣呼喊,我要急速地喘氣。
15Hataoto mariry ny tendrombohitra sy ny havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra ao aminy, ary ny ony ho tonga nosy, Ary hataoko tankina ny farihy.
15我必使大山小山都變為荒場,使一切草木都枯乾;我要使江河變為乾地,使水池乾涸。
16Hitarika ny jamba amin'izay lalana tsy fantany Aho; ary amin'ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.
16我必領瞎子走陌生的道,帶他們走他們不知道的路。我必在他們面前使黑暗變為光明,使彎曲的地方變為平直。這些事我都要作,決不放棄。
17Hihemotra sady ho menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay manao amin'ny sarin-javatra an-idina hoe: Hianareo no andriamanitray.
17那些倚靠偶像,對鑄像說:“你們是我們的神”的,必被趕逐,全然蒙羞。
18Mihainoa ianareo, ry marenina; Ary mijere, ry jamba, mba hahita.
18責民愚昧無知聾子啊!你們要聽。瞎子啊!你們要留心去看。
19Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizan'i Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony?
19有誰比我的僕人更瞎呢?有誰比我差派的使者更聾呢?有誰瞎眼像那與我立了和約的呢?有誰瞎眼像耶和華的僕人呢?
20Mahita zavatra maro ianao, nefa tsy mitandrina; Manongilana ny sofiny izy, nefa tsy mihaino.
20你們看見了許多的事,卻沒有留心,耳朵開著,卻沒有聽見。
21Sitrak'i Jehovah noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.
21耶和華為自己公義的緣故,喜歡使律法為大為尊。
22Kanefa ity dia firenena nobaboina sy norobaina; Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voàfina ao an-trano-maizina; Voababo izy, ka tsy misy mamonjy; Voasambotra izy, ka tsy misy manao hoe: Ampodio.
22但這人民是被搶劫和被掠奪的,全都困陷在洞穴中,被收藏在監牢裡;他們作了掠物,無人搭救;他們成了擄物,無人說:“要歸還!”
23Iza aminareo no hihaino iza-ny? Iza no handre, dia hitandrina izany amin'ny andro ho avy?
23你們中間誰肯聽這話呢?誰肯從今以後留心聽呢?
24Iza no nanolotra an'i Jakoba hosamborina, ary Isiraely ho an'ny mpamabo? Tsy Jehovah, Izay efa nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin'ny lalany ireo, sady tsy nety nihaino ny lalàny;Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan'ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin'ny fony
24誰把雅各交出來給掠奪者?誰把以色列交給搶劫的呢?豈不是耶和華,就是我們得罪的那位嗎?因為他們不肯遵行他的道,也不肯聽從他的律法。
25Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan'ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin'ny fony
25因此,他把他猛烈的怒氣和慘酷的戰爭,傾倒在他身上;這在他四周如火燒起來,他還不知道;把他燒著了,他也不放在心上。