1[Ny amin'ny Isiraely. tanim-boalobok'i Jehovah, sy ny hanjo azy] Aoka aho hihira ny amin'ny Malalako, dia hiran'ny Malalako ny amin'ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;[Na: ho an']
1葡萄園的比喻我要為我所愛的唱歌,這歌是關於他的葡萄園:我所愛的人有一個葡萄園,在肥美的山岡上。
2Dia nasainy io, ka nesoriny ny vato, Ary novoleny karazam-boaloboka tsara, Sady nanao tilikambo teo afovoany Izy Ary nandavaka famiazam-boaloboka teo; Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, Kanjo namoa voalobo-dratsy.
2他把園子周圍的泥土挖鬆了,撿去石頭,栽種了上好的葡萄樹;在園中建造了一座守望樓,又鑿了一個榨酒池。他期望結出好葡萄,卻結出野葡萄。
3Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin'ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko.
3耶路撒冷的居民和猶大人哪!現在請你們在我與我的葡萄園之間斷定是非吧!
4Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
4我為我的葡萄園所作的以外,還有甚麼要作的呢?我期望它結出好葡萄,它為甚麼倒結出野葡萄呢?
5Koa noho izany dia aoka hambarako anareo izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: Hesoriko ny fefy tsilony, ka dia holevonina izy; Ary harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka izy;
5現在我告訴你們,我要怎樣處理我的葡萄園:我要把它的籬笆撤去,使它被吞滅;我要把它的圍牆拆毀,使它被踐踏。
6Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy. [Heb. rahona matevina]
6我要使它荒廢,不再修剪,也不再耕耘,荊棘和蒺藜卻要長起來;我也要吩咐雲不再降雨在園子上。
7Fa ny taranak'i Isiraely no tanim-boalobok'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ary ny lehilahy amin'ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.[Na: fampahoriana]
7因為萬軍之耶和華的葡萄園就是以色列家,他喜悅的樹就是猶大人;他期望的是公平,但看到的只是流血的事;他期望的是公義,聽到的只是哀叫聲。
8Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin'ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran'ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin'ny tany ianareo!
8人民的惡行──六禍那些使房屋連接房屋,使田地連接田地,以致不留餘地的人,有禍了!你們只可以獨居在境內。
9Izao no ren'ny sofiko avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro, Eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.
9我聽聞萬軍之耶和華說:“必有許多房屋變成荒涼,甚至那些又大又美的房屋也沒有人居住。
10Ary bata iray monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka folo Zemeda, Ary rehefa iray monja no ho vokatry ny voan-javatra eran'ny homera.[Zemeda dia anaram-pandrefesana, tokony ho antsasaky ny akera]
10十公頃葡萄園只出二十二公升酒;二百二十公升穀種只結二十二公升糧食。”
11Lozan'izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan'ny andro ka ampirehetin'ny divay!
11那些清早起來,追求濃酒,留連到晚上,以致因酒發燒的人,有禍了!
12Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan'i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon'ny tanany tsy mba hitany.
12在他們的筵席上,有琴、瑟、手鼓、笛和酒,但他們不理耶和華的作為,也不留心他手所作的。
13Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho main'ny hetaheta.
13所以我的人民因無知被擄去;他們的尊貴人十分飢餓;他們的群眾極其乾渴。
14Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita Hanao teli-moka an'i Jerosalema; Ary any no hivarinan'ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin'izay mifalifaly ao aminy;[He. Sheola][Heb. azy]
14故此,陰間擴張它的咽喉,張大它的口,沒有限量;耶路撒冷城的榮耀、群眾、喧嚷的人和在城中作樂的人,都要下到陰間。
15Ary ny zanak'olombelona dia hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary ny mason'ny miandranandrana dia haidina.
15卑賤人俯首,尊貴人降卑,眼目高傲的也降卑。
16Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no hisandratra amin'ny fitsarana, Ary Andriamanitra masina dia hiseho ho masina amin'ny fahamarinana.
16唯獨萬軍之耶和華,因公平被高舉;至聖的 神,因公義顯為聖。
17Ary ny zanak'ondry hikania toy ny eny amin'ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan'ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
17那時羊羔必來吃草,像在自己的草場一樣;富裕者的荒場被寄居者隨意吃用。
18Lozan'izay mitari-keloka amin'ny kofehin'ny faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin'ny mahazakan-tsariety,
18那些人虛假的繩索牽引罪孽,又像用車繩拉罪惡的人,有禍了!
19Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain'ny Iray Masin'ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!
19他們說:“願他趕快、迅速地成就他的作為,給我們看看!願以色列的聖者所計劃的臨近!願它來到,好讓我們知道!”
20Lozan'izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!
20那些稱惡為善,稱善為惡,以暗為光,以光為暗,以苦為甜,以甜為苦的人,有禍了!
21Lozan'izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!
21那些自以為有智慧,自視為聰明的人,有禍了!
22Lozan'izay fatratra nefa amin'ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto nefa amin'ny fampiharoharoana toaka ihany! [Heb. mahery]
22那些勇於喝酒,又精於調和濃酒的人,有禍了!
23Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny amin'ny marina!
23他們因受了賄賂,就稱惡人為義;卻把義人的權益奪去。
24Koa toy ny fandevonan'ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan'ny fakany sy hijofoan'ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn'i Jehovah, Tompon'ny maro izy Sy nanamavo ny tenin'ny Iray Masin'ny Isiraely.
24因此,火舌怎樣吞滅碎秸,乾草怎樣落在火燄之中,照樣,他們的根必像腐朽之物,他們的花必像塵土飛揚;因為他們棄絕萬軍之耶和華的訓誨,藐視以色列聖者的話。
25Koa izany no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin'ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
25所以耶和華的怒氣向他的子民發作,他伸出手來擊打他們,群山都震動,他們的屍體在街上好像糞土,雖然這樣,他的怒氣還未轉消,他的手仍然伸出。
26Ary hanangana faneva ho amin'ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran'ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo; [Heb. mahery]
26懲罰快要來臨他必豎立旗幟,招一國的人從遠方而來,發出哨聲把他們從地極召來;看!他們必急速快奔而來。
27Tsy hisy reraka na tafintohina ao aminy; Tsy ho rendrehana na hatory izy: Tsy hiboraka ny fehin-kibony, ary tsy ho tapaka ny fehin-kapany,
27他們當中沒有疲倦的,沒有絆倒的,沒有打盹的,也沒有睡覺的;他們的腰帶沒有放鬆,鞋帶也沒有折斷。
28Maranitra ny zana-tsipìkany, Ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; Ny kitron-tsoavaliny atao ho tahaka ny afovato; Ary ny kodiany ho tahaka ny tadio;
28他們的箭銳利,所有的弓都上了弦;他們的馬蹄看來像火石,車輛似旋風。
29Ny fierony dia tahaka ny fieron'ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.Ary hirohondrohona aminy amin'izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin'ny rahona.
29他們的吼叫像母獅,他們的咆哮如幼獅;他們咆哮,攫取獵物,把它叼去,無人援救。
30Ary hirohondrohona aminy amin'izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin'ny rahona.
30到那日,他們要向以色列人咆哮,像海浪的澎湃聲一樣;人若望著這地,就只見黑暗與災難;光在雲中也成了黑暗。