1[Ny toe-panahin'ny tena Isiraely sy ny fandavana ny tsy izy, ary ny fandrosoan'ny Fiangonana sy ny hamoriana ny firenena rehetra hankany Jerosalema, ary ny handringanana ny ratsy fanahy] Izao no lazain'i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako ?
1 神審判萬民耶和華這樣說:“天是我的寶座,地是我的腳凳;你們要在哪裡為我建造殿宇呢?怎樣的地方才是我安息的所在呢?”
2Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.
2耶和華說:“這一切都是我親手所造的,所以它們就有了。以下這種人是我要垂顧的,就是謙卑、心靈傷痛、因我的話而戰兢的人。
3Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon'alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan'ireny ny halehany, Sy ny nifalian'ny fanahiny tamin'ny fahavetavetany,
3宰牛獻祭,又殺人,獻羊羔為祭,又打折狗的頸項;獻上素祭,又獻上豬血;燒乳香作記念祭,又稱頌虛無之神;他們選擇他們自己的道路,他們的心裡喜悅他們那些可憎惡的事。
4Dia tahaka izany kosa no hifidianako ny fampahoriana azy, Sy handatsahako ny fahatahorany ho aminy, Satria niantso Aho, fa tsy nisy namaly, Niteny Aho, fa tsy nihaino izy; Fa nanao izay ratsy eo imasoko, Ary izay tsy sitrako no nofidiny.
4所以,我也必選擇迷惑他們的事,使他們所懼怕的臨到他們身上;因為我呼喚你們,卻沒有人回答;我說話,你們都不聽,反倒行我眼中看為惡的事,選擇我所不喜悅的事。”
5Mihainoa ny tenin'i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin'ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.
5因耶和華的話而戰兢的人哪!你們要聽他的話。他說:“你們的兄弟,就是那些憎恨你們、因我的名趕走你們的,曾說:‘願耶和華得榮耀;讓我們看見你們的喜樂。’他們卻要蒙羞。
6Injany! horakoraka any an-tanàna, Ary feo ao amin'ny tempoly, Dia feon'i Jehovah izay mamaly ny ataon'ny fahavalony.
6聽啊!有喧嚷的聲音出自城中;有聲音出於殿裡。這是耶和華向他的仇敵施行報應的聲音!
7Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; Fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy.
7錫安沒有絞痛就生產;疼痛沒有臨到她身上,就生了一個男孩。
8Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, Na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.
8像以下這樣的事,誰曾聽過呢?像下面這些事,誰曾見過呢?一地之民能在一天之內就產生嗎?一國的人能在一時之間就生下來嗎?但錫安一絞痛,就生下了兒女。
9Izaho moa hahatonga ho eo amin'ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao.
9耶和華說:‘我既然使她臨盆,又怎能不使她生產呢?’你的 神說:‘我既然使她生產,又怎能使她閉胎不生呢?’
10Miaraha mifaly amin'i Jerosalema, Ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy; Aoka hiara-mifaly aminy tokoa Hianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy,
10所有愛慕耶路撒冷的人哪!你們都要與她一同歡喜,都要因她快樂;所有為耶路撒冷哀悼的人哪!你們都要與她一同盡情歡樂。
11Mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin'ny nonony mahafaly, Eny, mba higoka ianareo, Ka hiravoravo amin'ny haben'ny voninahiny.
11好使你們能在她那安慰人的懷裡吃奶得飽;使你們能從她豐盛的榮耀裡擠奶而吃,滿心喜樂。”
12Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, Ka hinono ianareo; Ary hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika.
12因為耶和華這樣說:“看哪!我必使平安達到她那裡,好像江河一樣,使列國的財寶達到她那裡,如同漲溢的河流一般;你們要吮奶,你們必被抱在懷中,撫弄在膝上。
13Tahaka ny olona ampiononin-dreniny No hampiononako anareo; Eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.
13人怎樣受他母親的安慰,我也怎樣安慰你們;你們要在耶路撒冷得安慰。”
14Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan'i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin'ny fahavalony kosa Izy.
14你們看見了,就心裡快樂,你們的骨頭必像嫩草一樣長起來,耶和華的手必向他的僕人顯現,他必向他的仇敵發怒。
15Fa, indro, Jehovah ho avy amin'ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin'ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin'ny lelafo.
15看哪!耶和華必在火中降臨,他的戰車好像旋風;他要以猛烈的怒氣施行報應,用火燄施行斥責。
16Fa ny afo sy ny sabany no ho entin'i Jehovah hifandahatra amin'ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan'i Jehovah.
16因為耶和華必用火和刀劍,在所有的人身上施行審判,被耶和華所殺的人必定很多。
17Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.
17那些自己分別為聖,又潔淨自己,進到園裡,在園中一個跟一個,吃豬肉、老鼠和可憎之物。他們都必一同滅亡;這是耶和華說的。
18Fa Izaho dia hamaly ny asany sy ny heviny, Ho avy ny hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny samy hafa fiteny; Dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.[Na: mahalala]
18我知道他們的行為和意念;我要來,聚集萬國萬族;他們都必來看我的榮耀。
19Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin'ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin'ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin'ny jentilisa izy.[Heb. Loda]
19我要在他們中間施行神蹟,從他們中間差遣所有逃脫的人到列國去,就是到他施、普勒、善於拉弓的路德、土巴和雅完,以及從未聽過我的名聲、從未見過我的榮耀的遙遠眾海島;他們必把我的榮耀傳揚在列國中。
20Ary hitondra ny rahalahinareo rehetra izy, Avy any amin'ny jentilisa rehetra ho fanatitra ho an'i Jehovah, Mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana, Ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy Jehovah, Dia tahaka ny fitondran'ny Zanak'Isiraely ny fanatitra hohanina ao anatin'ny vilia madio ho any an-tranon'i Jehovah;
20他們要從萬國中用馬、用車、用轎、用騾子、用獨峰駝,把你們所有的兄弟都送到我的聖山耶路撒冷來,作供物獻給耶和華,好像以色列人用潔淨的器皿把供物送到耶和華的殿一樣;這是耶和華說的。
21Ary avy amin'ireo aza no hakako ho mpisorona sy Levita, hoy Jehovah.
21耶和華說:“我也必從他們中間取些人作祭司和作利未人。”
22Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, Dia toy izany ny haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo.
22耶和華說:“我所要造的新天新地怎樣在我面前留存,你們的後裔和你們的名字也必怎樣長存。
23Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin'ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon'ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.
23將來每逢月朔,每逢安息日,所有的人都必來在我面前敬拜;這是耶和華說的。
24Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin'ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon'ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.
24他們要出去,觀看那些悖逆我的人的屍體;因為他們的蟲是不死的,他們的火是不滅的;他們必成為所有人恨惡的東西。”