Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

7

1[Ny amin'ny hahaterahan'Imanoela, sy ny amin'ny handravana ny fanjakan'i Siria sy Efraima] Ary tamin'ny andron'i Ahaza, zanak'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan'i Syria, sy Pelza, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, hanafika an'i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
1二王一同攻打耶路撒冷烏西雅的孫子、約坦的兒子猶大王亞哈斯在位的日子,亞蘭王利汛和利瑪利的兒子以色列王比加,上來攻打耶路撒冷,卻不能把它攻陷。
2Dia nambara tamin'ny taranak'i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin'ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon'ny vahoakany toy ny firondronan'ny hazo any an'ala, raha asian'ny rivotra.
2有人告訴大衛家說:“亞蘭已經在以法蓮地安營。”王的心和人民的心就都震動,像林中的樹被風搖動一樣。
3Ary hoy Jehovah tamin'Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an'i Ahaza eo amin'ny faran'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, eo amin'ny lalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba,[Seara-jasoba = Hisy sisa hiverina]
3先知安慰亞哈斯耶和華對以賽亞說:“你和你的兒子施亞雅述出去,在上池的水溝盡頭,就是在漂布者田間的大路上,去迎接亞哈斯,
4ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan'ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak'i Remalia.
4對他說:‘你要謹慎,要鎮定,不要因亞蘭王利汛和利瑪利的兒子這兩個冒煙的火把頭所發的怒氣而害怕,也不要心裡膽怯。
5Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak'i Remalia ka nanao hoe:
5因為亞蘭、以法蓮和利瑪利的兒子,設惡謀要害你,說:
6Andeha isika hananika an'i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak'i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
6“我們可以上去攻打猶大,擾亂她,把她攻佔過來,歸我們所有,又在其中立他比勒的兒子作王。”
7Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;
7因此,主耶和華這樣說:“這計謀必立不住,也不能成就,
8Fa ny lohan'i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan'i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),
8因為亞蘭的首都是大馬士革,大馬士革的首領是利汛;六十五年之內,以法蓮必定毀滅,不再成為一族之民。
9Ary ny lohan'i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan'i Samaria dia ny zanak'i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra.
9以法蓮的首都是撒瑪利亞,撒瑪利亞的首領是利瑪利的兒子;你們若不相信,就必定不得堅立。”’”
10Ary Jehovah mbola niteny tamin'i Ahaza ihany ka nanao hoe:
10以馬內利的兆頭耶和華又告訴亞哈斯說:
11Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony.
11“你向耶和華你的 神求一個兆頭,或求顯在深處,或求顯在高處。”
12Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah
12但亞哈斯說:“我不求,我不試探耶和華。”
13Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ?
13以賽亞說:“大衛家啊,你們要聽!你們使人厭煩還算小事,還要使我的 神厭煩嗎?
14Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela. [Na: zazavavy][Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]
14因此主自己必給你們一個兆頭:看哪!必有童女懷孕生子;她要給他起名叫‘以馬內利’。
15Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.
15到他曉得棄惡擇善的時候,他必吃乳酪和蜂蜜。
16Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.
16因為在這孩子曉得棄惡擇善之先,你所畏懼的那兩個王之地,早就被棄絕了。
17Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin'ny andro nialan'i Efraima tamin'ny Joda (Dia ny mpanjakan'i Asyria);
17預言敵人將要入侵“耶和華必使災難的日子臨到你和你的人民,以及你的父家,自從以法蓮脫離猶大以來,未曾有過這樣的日子,就是亞述王的入侵。”
18Ary amin'izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin'ny faran'ny onin'i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin'ny tany Asyria;
18到那時,耶和華必發出哨聲,把埃及河流盡頭的蒼蠅和亞述地的蜂子召來。
19Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin'ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin'ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin'ny saha fiandrasana rehetra.
19牠們都必飛來,落在荒谷中、巖石的穴裡、一切荊棘叢中和所有的草場上。
20Amin'izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin'ny hareza nohofana any amoron'ny Ony (Dia ny mpanjakan'i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin'iny koa.[Eofrata]
20到那日,主必用大河那邊租來的剃刀,就是亞述王,剃去你們的頭髮和腳上的毛,並且剃淨你們的鬍鬚。
21Ary amin'izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;
21到那時,一個人只能養活一頭母牛犢和兩隻母綿羊。
22Ary noho ny haben'ny ronono azo avy amin'ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan'ny olona sisa rehetra ao amin'ny tany.
22因為出的奶多,他就可以吃乳酪;境內剩下的人,都要吃乳酪和蜂蜜。
23Ary amin'Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
23到那日,從前種一千棵葡萄樹,價值一萬一千四百克銀子的地方,現在卻成為荊棘和蒺藜生長之處。
24Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin'izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na: Dia tsy halehan']
24人到那裡去,必須攜帶弓和箭,因為遍地都是荊棘和蒺藜。
25Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na: Dia tsy halehan']
25以前所有用鋤頭挖掘的山地,你因為懼怕荊棘和蒺藜,都不敢上那裡去;那裡就成了放牛之地,羊群踐踏之處。