1[Ny mahatsinontsinona ny sampy, ary ny fampisehoana ny voninahitr'i Jehovah sy ny fahatezerany] Henoy ny teny izay lazain'i Jehovah aminareo, ry taranak'Isiraely!
1假神與真神無法相比以色列家啊!你們要聽耶和華對你們所說的話。
2Izao no lazain'i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon'ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin'ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.[Heb. didin']
2耶和華這樣說:“你們不要學習列國的行徑,列國因天象驚惶,你們卻不要因這些驚惶。
3Fa ny fanaon'ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an'ala ireny, dia asan-tànan'ny mpiasa amin'ny famaky;
3因為萬民所信奉的都是虛空,只是從林中砍下的樹木,是匠人用鑿刀製成的產品。
4Volafotsy sy volamena no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy, mba tsy hihetsiketehany.
4他們用金銀把它修飾,用釘子和鎚子把它釘牢,使它不動搖。
5Toy ny hazo voasana ho sari-drofia izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.[palma]
5它們像瓜田裡的稻草人,不能說話;它們必須要人抬著走,因為它們不能走路。你們不要害怕它們,因它們不能降禍,也不能降福。”
6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin'ny hery ny anaranao.
6耶和華啊!沒有可以跟你相比的;你是偉大的,你的名大有能力。
7Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan'ny firenena! Fa Hianao no iendrehan'izany, eny, amin'ny hendry rehetra amin'ny firenena sy amin'ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.
7萬國的王啊!誰敢不敬畏你呢?這是你應得的。因為在列國所有的智慧人中,以及在他們的全國裡,沒有可以跟你相比的。
8Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany.
8他們全是頑梗愚昧,他們所領受的教導是來自那些虛無、木做的偶像。
9Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan'ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan'ny mahay zavatra izy rehetra.
9那些偶像鑲有經過錘煉的銀片,銀子是從他施運來的,也有從烏法運來的金子,都是匠人和金匠手作的產品。它們穿著藍色和紫色的衣服,全都是巧匠的作品。
10Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin'ny fahatezerany, ka tsy tantin'ny firenena ny fahavinirany
10只有耶和華是真神;他是永活的 神,是永遠的君王。他一發怒,大地就震動,萬國都不能抵受他的忿怒。
11(Izao no holazainareo amin'ireny; Ny amin'ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin'ny tany na ho atỳ ambanin'ny lanitra ireny)
11你們要對他們這樣說:“那些沒有創造天地的神,必從地上、從天下消滅。”
12Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.
12耶和華用自己的能力創造了大地,用自己的智慧堅立了世界,又用自己的聰明展開了諸天。
13Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho amin'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.
13他一發聲,空中眾水就澎湃;他使雲霧從地極上騰;他造了閃電和雷雨,又使風從他的倉庫裡吹出來。
14Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon'aina ao aminy.
14人人都是頑梗無知;所有的金匠都因偶像羞愧,因為他們鑄造的像都是虛假、沒有氣息的。
15Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
15偶像都是虛無的,是荒謬可笑的作品;到了討罪的時候,它們必被除滅。
16Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba; Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
16那作雅各產業的並不像這些偶像,因為他是萬物的創造者;以色列是屬他的民族,萬軍之耶和華是他的名。
17Angony ny korontan'entanao, ka ento hiala amin'ny tany, ry ilay mipetraka ao amin'ny haterena!
17不能逃避的災禍住在被圍困的城中的人哪!你們從地上拾起自己的行囊。
18Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton'antsamotady ny mponina amin'ny tany, ary hataoko tery izy mba hahitany.
18因為耶和華這樣說:“看哪!在這時候,我要把這地的居民投擲出去;又使他們受困苦,以致他們被壓倒。”
19Mahita loza aho, fa torotoro! Tsy azo sitranina ny feriko; Nefa hoy Izaho: Anjara-fahoriako izao, ka dia hozakaiko ihany.
19因我的損傷,我有禍了!我的創傷不能醫治;但我說:“這是我的痛苦,我必須忍受。”
20Rava ny laiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; Lasa ny zanako, ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny laiko intsony na hanantona ny ambain-daiko.
20我的帳棚毀壞,我的繩索都折斷了;我的兒女都離我而去,不在這裡了;再沒有人支搭我的帳棚,掛起我的幔子。
21Fa efa ketrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady an'i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, ka dia miely ny ondry andrasany rehetra.
21牧人都是頑梗的,他們不求問耶和華;因此,他們不得亨通,他們所有的羊群都四散。
22Injany! misy siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin'ny fihorakorahana be avy any amin'ny tany avaratra mba hahatonga ny tanànan'ny Joda ho lao sy ho fonenan'ny amboadia.
22聽哪!有風聲傳來,有大騷動從北方之地而來,要使猶大的城市荒涼,成為野狗的巢穴。
23Jehovah ô, fantatro fa tsy an'ny olombelona ny lalan-kalehany, na an'ny mpandeha ny hahalavorary ny diany
23耶和華啊!我知道人的道路是不由自己的;人行走時,也不能確定自己的腳步。
24Jehovah ô, anaro aho, nefa araka ny antonony ihany, fa tsy amin'ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin'ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an'i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.
24耶和華啊!求你只按著公正懲治我,不要按著你的忿怒施行懲治,免得你使我衰微。
25Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin'ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an'i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.
25願你把你的烈怒傾倒在不認識你的列國,和不求告你名的萬族身上;因為他們吞吃了雅各,他們吞吃了他,把他消滅,使他的住處荒涼。