1[Ny tsy hahafahan'ny olona amin'ny loza, na dia efa nifonan'i Jeremia tamin'Andriamanitra aza izy] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia ny amin'ny mosary.
1預言旱災耶和華的話臨到耶利米,是關於旱災的事:
2Misaona ny Joda, ary mitanondrika ny vavahadiny; Mitafy lamba fioriana izy ka mipetraka amin'ny tany; Ary miakatra ny fitarainan'i Jerosalema.
2“猶大悲哀,她的城鎮(“城鎮”原文作“城門”)衰落,人人都坐在地上悲傷痛哭;耶路撒冷的哀聲上達於天。
3Ny lehibeny maniraka ny madinika hantsaka rano; Dia tonga any amin'ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano ka miverina mitondra loha mody; Menatra sy mangaihay izy ka misaron-doha.
3他們的顯貴差派童僕去打水;童僕來到池邊,卻找不到水,就拿著空的器皿回來;他們失望難過,蒙著自己的頭。
4Noho ny fangentan'ny tany, noho ny tsy nilatsahan'ny ranonorana taminy, dia menatra ny mpiasa ka misaron-doha.[Na: satria tora-kovitra]
4土地乾裂,因為地上沒有雨水;農夫失望,都蒙著自己的頭。
5Ary na dia ny dieravavy any an-tsaha aza, raha miteraka, dia mahafoy noho ny tsi-fisian'ny ahi-maitso.
5甚至母鹿在田野生產了小鹿,也得把牠丟棄,因為沒有青草。
6Ary ny borikidia mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, mihanahana maniry ny rivotra toy ny amboadia izy; Manjambena ny masony noho ny tsi-fisian'ny ahitra.[Na: jakala]
6野驢站在光禿的高岡上,像野狗喘著氣;牠們雙目發呆,因為沒有青草。”
7Ry Jehovah ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, miasà ihany Hianao noho ny anaranao; Fa be ny fiodinanay, taminao no nanotanay.
7“耶和華啊!即使我們的罪孽指證我們,還求你因你名的緣故施行拯救。我們實在多次背道,得罪了你。
8Ry Fanantenan'ny Isiraely ô, Mpamonjy azy amin'ny andro fahoriana! Nahoana Hianao no dia toy ny vahiny amin'ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja?
8以色列的盼望啊!以色列遭難時的拯救者啊!你為甚麼在本地像一個寄居的人,又像個只住宿一夜的旅客呢?
9Nahoana Hianao no dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola ato aminay ihany Hianao, Jehovah ô, ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay; Aza dia mandao anay.
9你為甚麼像個受驚的人,又像個不能拯救人的勇士呢?耶和華啊!你是在我們中間,我們是稱為你名下的人,求你不要離棄我們。”
10Izao no lazain'i Jehovah amin'ity firenena ity: Te-hirenireny toy izao izy, ka tsy mahajanona ny tongony; Tsy sitrak'i Jehovah izy, Ankehitriny dia tsaroany ny helony, ary valiany ny fahotany.
10耶和華論到這人民這樣說:“他們喜愛這樣流蕩,不約束自己的腳;因此耶和華不悅納他們,現在就要記念他們的罪孽,並要懲罰他們的罪惡。”
11Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mivavaka ho an'ity firenena ity hahasoa azy.
11耶和華對我說:“不要為這人民祈求好處;
12Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; Ary na dia manatitra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.
12即使他們禁食,我也不會聽他們的呼求;即使他們獻上燔祭和素祭,我也不會悅納;我卻要用刀劍、饑荒和瘟疫去滅盡他們。”
13Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indreo ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy hiharan'ny sabatra ianareo, ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra eto amin'ity tany ity ianareo.
13假先知的收場我就說:“唉,主耶和華啊!你看,那些先知常對他們說:‘你們必不會看見刀劍,也必不會有饑荒;因為我耶和華要在這地方賜給你們恆久的平安。’”
14Dia hoy Jehovah tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin'ny anarako; Tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; Fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinotsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.
14耶和華對我說:“那些先知借我的名說假預言;我並沒有差遣他們,沒有吩咐他們,也沒有向他們說話。他們對你們所預言的,是虛假的異象、占卜的預兆、虛無的事,和他們自己心裡的詭詐。”
15Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo mpaminany izay maminany amin'ny Anarako ireo nefa tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin'ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
15因此,耶和華這樣說:“關於那些借我名說預言的先知,我並沒有差遣他們,他們竟說:‘這地必不會有刀劍和饑荒。’那些先知必被刀劍和饑荒滅絕。
16Ary ny firenena izay aminanian'ireo koa dia hiely faty eny an-dalamben'i Jerosalema noho ny mosary sy ny sabatra, ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany, na ny vadiny, na ny zananilahy, na ny zananivavy, fa haidiko ao aminy ny faharatsiany.
16至於那些聽他們說預言的人民,必因刀劍和饑荒被拋棄在耶路撒冷的街上,沒有人埋葬他們,也沒有人埋葬他們的妻子和兒女。我必要把他們作惡應得的報應倒在他們身上。
17Koa lazao aminy izao teny izao: Ny ranomasoko hijononoka andro aman'alina ka tsy hitsahatra; Fa ny oloko, zanakavavy virijina, naratra mafy dia mafy tamin'ny kapoka maharary indrindra.
17耶利米為人民哀痛“你要對他們說這話:‘願我的眼淚直流,日夜不停;因為我的同胞(“同胞”原文作“人民的處女”)遭受極大的毀滅,受到很嚴重的打擊。
18Raha mivoaka any an-tsaha aho, dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, dia indreo ny anan'ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin'ny tany tsy fantany.[Na: ka tsy mahalala]
18如果我出到田間,就看見那些被刀劍所殺的人;如果我走進城裡,就看見因饑荒而來的各種疾病。連先知和祭司也流亡到他們素不認識的地方。’”
19Efa narianao tokoa va Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va Ziona? Nahoana no dia mamely anay Hianao, ka efa tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita asa, ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.[Na: fahafinaretana]
19你真的棄絕猶大嗎?你真的討厭錫安嗎?你為甚麼擊打我們,使我們無法醫治呢?我們期待平安,卻得不到好處;期待得醫治的時候,不料,只有驚慌。
20Jehovah ô, tsaroanay ny faharatsianay sy ny heloky ny razanay; Fa efa nanota taminao izahay.
20耶和華啊!我們承認我們的罪惡,和我們列祖的罪孽;我們實在得罪了你。
21Noho ny amin'ny anaranao dia aza arianao izahay; Aza atao ho tsinontsinona ny seza fiandrianan'ny voninahitrao; Tsarovy, ka aza tsoahanao ny fanekenao taminay.Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin'ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.[Heb. zava-poanan']
21求你為你名的緣故,不要厭棄我們!不要叫你榮耀的寶座蒙羞!求你記念你和我們所立的約,不要廢除!
22Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin'ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.[Heb. zava-poanan']
22列國虛無的偶像中,有可以降雨的嗎?天能自降甘霖嗎?耶和華我們的 神啊!能夠這樣作的,不是只有你嗎?所以我們仰望你,因為這一切都是你所作的。