1[Taratasy nampitondrain'i Jeremia ho any amin'ny babo tany Babylona] Ary izao no fitenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin'ny sisa amin'ny loholona voababo sy ho amin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin'i Nebokadnezara ka nentiny avy tany Jerosalema ho any Babylona
1寫信慰問被擄的人民以下這一封信,是耶利米先知從耶路撒冷寄給被擄的祭司、先知和眾民,以及尚存的長老,就是尼布甲尼撒從耶路撒冷擄到巴比倫去的。
2(rehefa lasa niala tany Jerosalema Jekonia mpanjaka sy ny reniny sy ny tandapa sy ny mpanapaka ny Joda sy Jerosalema mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy),
2這是在耶哥尼雅王、太后、宮中的臣宰、猶大和耶路撒冷的領袖、工匠和鐵匠從耶路撒冷被擄走以後。
3dia ilay teny nampitondrainy an'i Elasa, zanak'i Safana, sy Gemaria, zanak'i Hilkia, izay nirahin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona, ho any amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao hoe:
3這封信是由沙番的兒子以利亞薩和希勒家的兒子基瑪利帶去的;他們是猶大王西底家差往巴比倫,去見巴比倫王尼布甲尼撒的。信上說:
4Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona:
4“萬軍之耶和華以色列的 神對所有被擄的,就是耶和華(“耶和華”原文作“我”)把他們從耶路撒冷擄到巴比倫去的人,這樣說:
5Manaova trano ianareo, ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy.
5‘你們要建造房屋,定居下來;要栽種園子,吃園中的果子。
6Manambadia, ka miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy, ka hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy.
6你們要娶妻,生養兒女;要為你們的兒子娶媳婦,把你們的女兒出嫁,好讓他們也生養兒女。你們要在那裡增多,不可減少。
7Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.
7我把你們擄到的那城,你們要為她求平安,為她向耶和華祈禱;因為她得平安,你們也得平安。’
8Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aza mety hofitahin'ny mpaminaninareo sy ny mpanao fankatovanareo, izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo.[Na: izay nampanonofisinareo]
8勿信假先知“萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:‘不要被你們中間的先知和作占卜的欺騙,也不要聽信自己所作的夢(“自己所作的夢”原文作“你們的夢,就是你們所促使作的夢”,有古本作“他們所作的夢”)。
9Fa lainga no vinaniny aminareo amin'ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah.
9因為他們冒我名對你們說虛假的預言,我並沒有差派他們。’這是耶和華的宣告。
10Fa izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin'ity tany ity ianareo.
10預言七十年後必重返故土“耶和華這樣說:‘為巴比倫所定的七十年滿了以後,我必眷顧你們,向你們實行我滿有恩惠的諾言,把你們帶回這地方來。
11Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.[Heb. farany sy fanantenana]
11因我自己知道我為你們所定的計劃,是使你們得平安,而不是遭受災禍的計劃;要賜給你們美好的前程和盼望。’這是耶和華的宣告。
12Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
12‘你們要呼求我,要來向我禱告,我就必應允你們。
13Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.
13你們要尋找我,只要一心尋求,就必尋見。
14Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin'ny firenena rehetra sy avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin'ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina.
14我必給你們尋見(這是耶和華的宣告);我必使你們被擄的歸回,從我趕逐你們去的各國各地,把你們集合起來,帶回我擄你們離開的地方去。’這是耶和華的宣告。
15Fa hoy ianareo: Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona.
15“你們既然說:‘耶和華在巴比倫為我們興起了先知’,
16Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny amin'ny vahoaka rehetra izay monina amin'ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo.
16所以耶和華論到那坐大衛王位的君王和住在這城裡的眾民,就是沒有和你們一同被擄去的眾兄弟,這樣說:
17izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana, ka hataoko toy ny aviavy ratsy dia ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.
17‘萬軍之耶和華這樣說:看哪!我必打發刀劍、饑荒、瘟疫臨到他們;我必使他們像腐爛的無花果,壞到不能吃。
18Ary henjehiko amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an'ny firenena izay nandroahako, azy[Na: ho fampangovitana]
18我必用刀劍、饑荒、瘟疫追趕他們,使他們成為地上萬國所驚懼的,在我趕逐他們到的各國中,成為令人驚駭、被人咒罵、嗤笑、羞辱的對象。
19noho ny tsy nihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, teny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy Jehovah.
19因為他們不聽從我的話(這是耶和華的宣告),就是我不斷差遣到他們那裡去,我的僕人眾先知所說的話;同樣,你們也沒有聽從。’這是耶和華的宣告。
20Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo babo rehetra izay nesoriko tany Jerosalema ho atỳ Babylona.
20“你們這所有被擄去的,就是我從耶路撒冷趕逐到巴比倫去的,要聽耶和華的話。
21Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'i Ahaba, zanak'i Kolaia, sy ny amin'i Zedekia, zanak'i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin'ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izy, ka dia hovonoiny eo imasonareo.
21亞哈和西底家必遭惡報“萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:‘論到冒我的名向你們說虛假預言的哥賴雅的兒子亞哈和瑪西雅的兒子西底家,我要把他們交在巴比倫王尼布甲尼撒的手中,他要在你們眼前擊殺他們。
22Ary izy roa lahy dia hataon'ny babo rehetra amin'ny Joda izay any Babylona ho fanozonana hoe: Hataon'i Jehovah tahaka an'i Zedekia sy Ahaba, izay nodoran'ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny afo, anie ianao,
22所有被擄到巴比倫的猶大人,都要因他們的遭遇這樣咒詛人,說:“願耶和華使你像巴比倫王用火燒死的西底家和亞哈一樣。”
23noho ny nanaovany izay fady indrindra tao amin'ny Isiraely sy ny nijangajangany tamin'ny vadin'ny namany ary ny nitenenany lainga tamin'ny anarako, izay tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ka ho vavolombelona Aho, hoy Jehovah.[Heb; fahadalana]
23因為他們二人在以色列中行了無恥的事,他們和鄰舍的妻子通姦,又冒我的名說虛假的話,是我沒有吩咐他們說的。我知道一切,也可以作證。’這是耶和華的宣告。”
24Ary Semaia Nehelamita dia hilazanao hoe:
24示瑪雅寫信叫人責備耶利米耶和華吩咐耶利米說:“你要對尼希蘭人示瑪雅說:
25Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nampitondranao taratasy tamin'ny anaranao ho amin'ny vahoaka rehetra izay any Jerosalema sy amin'i Zefania mpisorona, zanak'i Mahaseia, ary amin'ny mpisorona rehetra hafa koa nanao hoe:
25‘萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:你曾用自己的名寄信給在耶路撒冷的眾民、瑪西雅祭司的兒子西番雅,和眾祭司,說:
26Jehovah efa nanao anao ho mpisorona ho solon'i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany, ka dia hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;
26耶和華已經立了你西番雅為祭司,代替耶何耶大,作耶和華殿中的總管,你就應把所有妄自說預言的人,都帶上腳鐐枷鎖。
27koa nahoana ianao no tsy nananatra mafy an'i Jeremia avy any Anatota, izay manao azy ho mpaminany aminareo?
27現在,亞拿突人耶利米向你們說預言,你為甚麼不斥責他呢?
28Fa naniraka ho aminay any Babylona izy nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano ianareo, dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra aminy.
28因為他寄信給我們在巴比倫的人說:被擄的時期必會長久,所以你們要建造房屋,定居下來,也要栽植園子,吃園中的果子。’”
29Ary Zefania mpisorona namaky izany taratasy izany teo anatrehan'i Jeremia mpaminany.
29(西番雅祭司卻把這封信念給耶利米先知聽。)
30Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
30示瑪雅說假預言必受惡報耶和華的話又臨到耶利米,說:
31Maniraha ho any amin'ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian'i Semaia taminareo, kanefa tsy nirahiko izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin'ny laingadia izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hamaly an'i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy hanana zanakalahy honina amin'ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin'ny hahitana ny soa izay hataoko amin'ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notoriny.
31“你要寄信給所有被擄的人,說:‘論到尼希蘭人示瑪雅,耶和華這樣說:因為示瑪雅向你們說預言,我並沒有差遣他,他竟使你們信靠謊言。
32dia izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hamaly an'i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy hanana zanakalahy honina amin'ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin'ny hahitana ny soa izay hataoko amin'ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notoriny.
32所以耶和華這樣說:看哪!我必懲罰尼希蘭人示瑪雅和他的後代;他必不會有子孫住在這人民中間,也必不能看見我要為我的子民所作的美事,因為他說了悖逆耶和華的話。’”這是耶和華的宣告。