Malagasy

聖經新譯本

Jeremiah

4

1Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy foana,
1呼召以色列和猶大悔改“以色列啊!你要是回轉,就當回轉歸向我。”這是耶和華的宣告。“如果你從我面前除掉你可憎的偶像,不到處浪蕩;
2Fa hianiana amin'ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy no holazain'ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.
2如果你憑真理、公正、公義,指著永活的耶和華起誓;列國就必因耶和華蒙福,也必以他為榮。”
3[Ny hanjo ny Joda sy Jerosalema, raha tsy mibebaka izy] Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny Joda sy Jerosalema: Hevoy ny tombamborakareo, fa aza mamafy amin'ny tsilo. [Na: Miasà tany vaovao ho anareo]
3耶和華對猶大和耶路撒冷的人這樣說:“你們要為自己開墾未經耕耘之地,卻不要撒種在荊棘中!
4Miforà ho an'i Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian'ny ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy hamono azy.
4猶大人和耶路撒冷的居民哪!你們要為了耶和華的緣故自行割禮,除去心裡的污穢;不然,我的忿怒必因你們的惡行,如火一般發出來,無人能熄滅!”
5Ambaraonareo ao amin'ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin'ny tany ny anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra amin'ny tanàna mimanda.
5“你們應當在猶大宣告,在耶路撒冷傳揚,說:‘要在境內吹號。’高聲呼叫,說:‘你們要集合起來,我們要進到堅固的城裡去!’
6Manangàna faneva manandrify an'i Ziona; Mandosira faingana, aza mijanona; Fa Izaho hahatonga loza sy fandringanana be avy any avaratra.
6要向錫安豎起旗號,趕快逃命,不可停留,因為我必使災禍與嚴重的毀滅,從北方而來。”
7Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin'ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.
7獅子從牠的密林中上來了,毀壞列國的已經動身,從他的本處出發,為要使你的地荒涼,使你的城市破毀,無人居住。
8Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo, ka mitomania sy midradradradrà; Fa ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah tsy afaka amintsika.[Heb; lamba malailay]
8因此,你們應當披上麻布,痛哭哀號,因為耶和華的烈怒,還沒有離開我們。
9Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ary ho kepoka ny mpisorona, sy ho gaga ny mpaminany.
9“到那日,君王和首領的勇氣消失,祭司也要驚惶,先知都必詫異。”這是耶和華的宣告。
10Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema tamin'ny nanaovanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; Kanjo mihatra amin'ny aina ny sabatra.
10於是我說:“噢!主耶和華啊!你真的欺騙了這人民,也欺騙了耶路撒冷,說:‘你們必平安無事’,其實刀劍已經架在頸項上了!”
11Amin'izany andro izany dia holazaina amin'ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin'ny oloko zanakavavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.[Na: Ny lalàn'ny oloko zanakavavy dia rivotra mahamay, etc]
11到那時,必有話對這人民和耶路撒冷說:“有一陣熱風從曠野光禿的高岡,颳向我的子民(“我的子民”原文作“我子民的女子”),不是為簸散,也不是為揚淨;
12Dia ho tonga avy amiko izay rivotra mahery noho ireny; Ary ankehitriny Izaho kosa hifandahatra aminy.[Na: Dia ho tonga etỳ amiko ny rivotra mahery izay avy amin'ireny]
12這過強的風要為我颳來,我就要向他們宣告我的判詞。”
13Indro, avy toy ny rahona izy, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, faingana noho ny voromahery ny soavaliny; Lozantsika! fa lany ringana isika.
13看哪!我必如密雲湧聚,他的戰車如旋風,他的馬比鷹還快。我們有禍了,我們滅亡了!
14Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin'ny ratsy, mba hovonjena ianao! Mandra-pahoviana no hitoeran'ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
14耶路撒冷啊!洗淨你心中的邪惡,使你可以得救!你心存惡念,要到幾時呢?
15Fa injany! misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin'ny tany havoan'i Efraima,
15因為有聲音從但宣告,從以法蓮山傳出災禍的警報。
16Lazaonareo amin'ny firenena, torio amin'i Jerosalema hoe: Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra ka manakora hamely ny tanànan'ny Joda.
16“要向列國提說,向耶路撒冷宣揚:‘圍攻的人從遠地而來,向猶大的各城鎮大聲吶喊。
17Manodidina azy ireo toy ny fanaon'ny mpiandry saha, fa efa niodina tamiko izy, hoy Jehovah.
17他們四面包圍耶路撒冷,好像看守田地的人一樣,因為耶路撒冷背叛了我。’”這是耶和華的宣告。
18Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; Izany no faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin'ny ainao.
18“你這一切災禍是你的所作所為作成的,這就是你的惡果,實在是苦,直透心底。”
19Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangina aho; Fa ny feon'anjomara sy ny akoran'ady dia renao, ry fanahiko.[Heb. Endrey ny rindrin'ny foko!]
19先知為 神的子民悲哀我的肺腑,我的肺腑啊!我絞痛欲絕。我的心哪!我的心在我裡面顫抖,我不能緘默不語。我的靈啊!我聽見了號角的聲音,也聽見了戰爭的吶喊。
20Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.
20毀滅的消息頻傳,因為全國盡都毀壞,我的帳棚忽然毀壞,我的幔子轉瞬破裂。
21Mandra-pahoviana re no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon'anjomara?
21我看見旗號要到幾時呢?我聽見號角的聲音要到幾時呢?
22Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.
22“我的子民愚妄,他們連我都不認識,是無知的兒女,沒有悟性;他們有智慧行惡,卻沒有知識行善。”
23Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy;
23我觀看地,地是空虛混沌;我仰視天,天上也全然無光。
24Nojereko ny tendrombohitra, ka, indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra nihozongozona;
24我觀看大山,它們盡都震動,小山也都搖來搖去。
25Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra;
25我觀看,毫無人跡;空中的飛鳥也逃掉了。
26Nojereko, ka, indro, ny saha mahavokatra aza efa tonga efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan'i Jehovah, dia teo anoloan'ny firehetan'ny fahatezerany.[Na: karmela]
26我觀看,肥美田園變為荒野;在耶和華面前,就是在他烈怒之下,所有的城市都被拆毀。
27Fa izao no lazain'i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.
27因為耶和華這樣說:“全國都必荒涼,我卻不盡行毀滅。
28Noho izany dia hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.
28因此,地要悲哀,天必昏暗。因為我說過,就不後悔;我定了意,決不改變。”
29Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia efa mandositra avokoa ny tanàna rehetra; Mitsofoka any anatin'ny kirihitrala sy mananika ny vatolampy izy; Lao avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy misy mponina intsony ao.[Heb. rahona]
29因著騎兵和弓箭手的響聲,各城的人盡都逃跑。他們進入密林,爬上巖穴;各城都被撇下,無人住在其中。
30Ary hanao ahoana ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; Hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny ainao aza no hotadiaviny.Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon'i Ziona zanakavavy, izay misefosefo sady mamelatra ny tànany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon'ireo mpamono olona.
30你這被毀壞的啊!你在幹甚麼?即使你穿上朱紅色的服裝,佩戴黃金飾物,用顏料畫大你的眼睛,你自炫漂亮,也是白費的。愛你的人仍然鄙視你,他們都在尋索你的命!
31Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon'i Ziona zanakavavy, izay misefosefo sady mamelatra ny tànany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon'ireo mpamono olona.
31我聽到好像婦人產痛的叫聲,正像生頭胎孩子的婦人疼痛的叫聲,就是錫安居民(“居民”原文作“女子”)的聲音,他們喘著氣,伸開雙手,說:“哎!我有禍了!在那些殺人者跟前,我發昏了!”