1[Ny nangatahan'ny Jiosy an'i Jeremia haka hevitra amin'i Jehovah, ary ny anatra nataon'i Jeremia tamin'ny Jiosy kosa noho ny tsy nanekeny ny saina avy tamin'i Jehovah] Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak'i Karea, sy Jazania, zanak'i Hosaia, mbamin'ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona
1眾人求耶利米禱告 神所有的將領,包括加利亞的兒子約哈難和何沙雅的兒子耶撒尼亞,以及全體人民,從最小的到最大的,都上前來,
2ka niteny tamin'i Jeremia mpaminany hoe: Masìna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan'ny masonao izao),
2對耶利米先知說:“求你容我們向你懇求,請為我們這餘剩的民向耶和華你的 神禱告;因為我們從前人數眾多,現在剩下的極少,就像你現在親眼所見的一樣。
3mba hambaran'i Jehovah Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.
3請為我們求耶和華你的 神指示我們當走的路和該作的事。”
4Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin'i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin'i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.
4耶利米先知對他們說:“我聽見了!我必照著你們的話禱告耶和華你們的 神。耶和華回答你們所說的一切話,我必告訴你們,一句也不會向你們隱瞞。”
5Dia hoy izy tamin'i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan'i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay.
5於是他們對耶利米說:“我們若不照著耶和華你的 神差遣你到我們這裡來所說的一切話去作,願耶和華作真實和誠信的見證,指控我們。
6Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon'i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay.
6不論是甜是苦,我們都願聽從耶和華我們 神的話,因為是我們委派你向他祈求的;我們聽從耶和華我們 神的話,就必凡事亨通。”
7Ary nony afaka hafoloana, dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah.
7耶和華要他們仍居猶大過了十天,耶和華的話臨到耶利米。
8Ary izy niantso an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin'ny olona rehetra, na kely na lehibe,
8耶利米就把加利亞的兒子約哈難,和所有與他一起的將領,以及全體人民,從最小的到最大的,都叫了來,
9ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa nanirahanareo ahy mba hoborahiko eo anatrehany ny fifonanareo:[Heb. hampiankohoka]
9對他們說:“耶和華以色列的 神,就是你們委派我去為你們向他懇求的那位,這樣說:
10Raha mbola honina amin'ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako anareo.
10‘你們若決意住在這地,我就建立你們,必不拆毀;栽植你們,必不拔除;因我為那已經降在你們身上的災禍回心轉意。
11Aza matahotra ny mpanjakan'i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tànany.
11你們所怕的巴比倫王,你們不要懼怕他;你們不要懼怕他(這是耶和華的宣告),因為我與你們同在,要拯救你們,要搭救你們脫離他的手。
12Ary hataoko mahita famindram-po ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin'ny taninareo.
12我要向你們施憐憫,他也會憐憫你們,使你們歸回自己的土地。’
13Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin'ity tany ity izahay, ka tsy hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo,
13但是,你們若說:‘我們不住在這地’,不聽從耶和華你們的 神的話,
14fa manao hoe: Tsia; fa hankany amin'ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon'ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay,
14或說:‘不!我們要去埃及地,在那裡看不到戰爭,聽不見號角的聲音,也不會因缺乏糧食而飢餓;我們要留在那裡。’
15dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ankehitriny ianareo izay sisa amin'ny Joda: Izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha dia mikiry hankany Egypta ihany ianareo ka mandeha hivahiny any,
15這樣,猶大餘剩的人哪,你們現在要聽耶和華的話!萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:‘你們若決意去埃及,到那裡寄居,
16dia hahatratra anareo any amin'ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin'ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo.
16你們懼怕的刀劍必在埃及地追上你們;你們恐懼的饑荒必在埃及緊隨著你們;你們必死在那裡。
17Ary ny olona rehetra izay mikiry hankany Egypta hivahiny any dia ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana any; ary tsy hisy sisa ho afa-mandositra ny loza izay hataoko mihatra aminy.
17所有決意去埃及,在那裡寄居的人,必因刀劍、饑荒和瘟疫而死;他們沒有一人能倖存,或避過我降在他們身上的災禍。’
18Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin'ny mponina any Jerosalema, dia toy izany no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony.
18責備他們不聽警告“因為萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:‘我從前怎樣把我的怒氣和烈怒傾倒在耶路撒冷的居民身上,現在你們進入埃及的時候,我也必照樣把我的烈怒傾倒在你們身上。你們就必成為令人驚駭、被人咒罵、咒詛和羞辱的對象。你們必不能再看見這地方。
19Jehovah efa nilaza ny aminareo, ry sisa amin'ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany ianareo.
19猶大餘剩的人哪,耶和華曾對你們說:‘你們不要去埃及。’你們要確實知道,我今天已經警告你們了。
20Kanjo efa nivily ianareo ka nahavoa ny ainareo tamin'ny nanirahanareo ahy ho amin'i Jehovah Andriamanitrareo hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re izahay, ary izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika dia ambarao aminay, fa hataonay.
20你們實在自己欺騙自己,因為是你們委派我去見耶和華你們的 神,你們說:‘請為我們向耶和華我們的 神禱告;無論耶和華我們的 神說甚麼,你都要告訴我們,我們就必照著去作。’
21Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ny amin'izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.Koa aoka ho fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana ianareo any amin'ny tany izay tianareo hivahiniana.
21我今天告訴了你們,你們卻不聽從耶和華你們的 神派我來告訴你們的一切話。
22Koa aoka ho fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana ianareo any amin'ny tany izay tianareo hivahiniana.
22現在你們要確實知道,在你們想去寄居的那地方,你們必因刀劍、饑荒和瘟疫而死。”