Malagasy

聖經新譯本

Jeremiah

44

1[Fananarana ny Jiosy any Egypta mba tsy hanompo sampy] Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia ho amin'ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, dia izay nonina tao Migdola sy Tapanesa sy Memfisa, ary tany amin'ny tany Patrosa, nanao hoe:[Heb. Nofa]
1在埃及的猶大人仍事奉別神以下的話臨到耶利米,論到所有住在埃及地的猶大人,就是那些住在密奪、答比匿、挪弗和巴忒羅地的人,說:
2Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo efa nahita ny loza rehetra izay nataoko nihatra tamin'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda rehetra; ary, indro, efa tany lao ireo ankehitriny, ka tsy misy olona monina intsony ao aminy,
2“萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:‘你們都親眼看見我降在耶路撒冷和猶大各城的一切災禍。看哪!那些城鎮今天仍然荒涼,沒有人居住,
3noho ny ratsy nataony hampahatezitra Ahy tamin'ny nandehanany handoro ditin-kazo manitra sy hanompo andriamani-kafa izay tsy fantany, na iza, na ianareo, na ny razanareo.
3這是因為他們所行的惡事的緣故;他們向別神燒香,事奉它們,惹我發怒。這些神是他們和你們,以及你們的列祖所不認識的。
4Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Masìna ianareo, aza manao izany fahavetavetana halako izany.
4雖然我不斷差遣我的僕人眾先知到你們那裡去,說:你們千萬不可行我所恨惡,這可憎的事!
5Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny hialany amin'ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa.
5他們卻不聽從,毫不留心,不肯離開他們的惡行,仍向別神燒香。
6Ka dia naidina ny fahavinirako sy ny fahatezerako, eny, nandoro ny tanànan'ny Joda, sy ny teny amin'ny lalamben'i Jerosalema izany, ka dia rava sy lao ireny tahaka ny amin'izao anio izao.
6因此,我必傾出我的烈怒和怒氣,在猶大的各城鎮和耶路撒冷的街上燒起,以致它們都荒涼廢棄,像今天一樣。’
7Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia Andriamanitry ny Isiraely: Ahoana no anaovanareo izao ratsy lehibe singotry ny ainareo izao, haharingana ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono ao amin'ny Joda tsy hahamisy miangana anareo,
7現在,耶和華萬軍的 神以色列的 神這樣說:‘你們為甚麼自己招來這樣的大災禍,使你們的男人、女人、孩童和嬰兒都從猶大中除滅,一個餘剩的人也不留下呢?
8noho ny ampahatezeranareo Ahy amin'ny asan'ny tananareo sy amin'ny andoroana ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa any amin'ny tany Egypta izay alehanareo hivahiniana, mba haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany?
8為甚麼因你們手所作的,在你們來寄居的埃及地向別神燒香,惹我發怒,以致你們被除滅,成為地上萬國咒詛和羞辱的對象呢?
9Moa hadinonareo va ny ratsy nataon'ny razanareo sy ny mpanjakan'ny Joda sy ny vadiny ary ny tenanareo sy ny vadinareo, dia izay nataony tany amin'ny tanin'ny Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema?
9你們列祖的惡行、猶大列王的惡行、他們妻子的惡行、你們自己的惡行和你們妻子的惡行,就是在猶大地和耶路撒冷街上所行的,你們忘記了嗎?
10Tsy mbola torotoro fo izy na dia mandraka androany aza sady tsy natahotra na nandeha araka ny lalàko sy ny didiko, izay napetrako teo anoloanareo sy teo anoloan'ny razanareo.
10直到今日,他們還沒有痛悔,沒有畏懼,也沒有遵行我在你們和你們列祖面前所立的律法和條例。’
11Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.
11在埃及的猶大人必被殲滅“因此萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:‘看哪!我決意向你們降下災禍,把全猶大都除滅。
12Ary halaiko ny sisa amin'ny Joda, izay nikiry hankany amin'ny tany Egypta hivahiny any, ka ho lany ritra izy rehetra; any amin'ny tany Egypta no hahalavoany, samy ho ringan'ny sabatra sy ny mosary, eny, na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra sy mosary izy rehetra ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary fandatsa.
12那些決意去埃及地,在那裡寄居的猶大餘剩的人,我必把他們除去;他們必在埃及地滅絕;他們必倒在刀下,必因饑荒滅亡;他們從最小的到最大的都必因刀劍和饑荒而死,以致成了令人驚駭、被人咒罵、咒詛和羞辱的對象。
13Fa hovaliako izay monina any amin'ny tany Egypta, toy ny namaliako an'i Jerosalema, dia amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.
13我必用刀劍、饑荒和瘟疫懲罰那些住在埃及地的人,好像懲罰耶路撒冷一樣。
14Ary na sisa amin'ny Joda izay lasa nivahiny tany Egypta dia tsy hisy ho afa-mandositra ho tafaverina any amin'ny tanin'ny Joda, izay niriny hiverenana mba honenany, afa-tsy izay vitsy sendra afa-mandositra ihany.
14那些去埃及地,在那裡寄居的猶大餘剩的人,必不能逃脫,不能倖存,不能返回他們心裡渴望回去居住的猶大地;除了一些逃脫了的人以外,一個都不能返回。’”
15Ary ny lehilahy rehetra, izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, tao Patrosa, dia namaly an'i Jeremia hoe:
15人民不聽警告,仍事奉別神那些知道自己的妻子曾向別神燒香的眾人,和一大群站在那裡的婦女,以及住在埃及地巴忒羅的眾民,回答耶利米說:
16Raha ny amin'ilay teny voalazanao taminay tamin'ny anaran'i Jehovah, dia tsy hihaino anao izahay.
16“你奉耶和華的名對我們所說的話,我們不聽從。
17Fa hataonay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin'ny tanànan'ny Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.
17我們口中說過的一切話,我們一定去作,我們要向天后燒香,澆奠祭,好像我們自己和我們的列祖,以及我們的君王和領袖,在猶大的各城和耶路撒冷的街上所行的一樣。那時我們吃得飽,得享福樂,不見災禍。
18Fa hatrizay nitsaharanay tsy nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra na nanidina fanatitra aidina ho azy izay, dia saiky tsy nanana na inona na inona akory izahay sady ringan'ny sabatra sy ny mosary.
18但是,自從我們停止向天后燒香和澆奠祭以後,我們就樣樣都缺乏,又因刀劍和饑荒滅亡。”
19Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy, moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?[Na: ho enti-mivavaka aminy]
19那些婦女又說:“我們不錯是向天后燒香和澆奠祭,難道我們的丈夫不知道我們照著天后的形象製餅供奉她,向她澆奠祭嗎?”
20Ary hoy Jeremia tamin'ny olona rehetra, na ny lehilahy na ny vehivavy, dia ny olona rehetra izay efa namaly azy:
20再警告必遭災禍耶利米對全體人民,對那些用這話答覆他的男人、女人和眾民說:
21Ny nandoroanareo ditin-kazo manitra tany an-tanànan'ny Joda sy tany an-dalamben'i Jerosalema, dia ianareo sy ny razanareo sy ny mpanjakanareo sy ny mpanapaka anareo mbamin'ny vahoaka, moa tsy hotsarovan'i Jehovah va izany, ary tsy tao an-tsainy va?
21“你們和你們的列祖,以及你們的君王、領袖,和全國的人民,在猶大的各城和耶路撒冷的街上燒的香,耶和華怎能忘記,他心裡怎能不想起呢?
22Ka dia tsy nahalefitra intsony Jehovah noho ny faharatsian'ny nataonareo sy noho ny fahavetavetana izay nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy ho figagana ary ho fanozonana, ka tsy misy mponina, tahaka ny amin'izao anio izao.
22耶和華再不能容忍你們邪惡的行為,和你們所行可憎的事;故此,你們的土地荒涼,成了令人驚駭、被人咒詛的對象,沒有人居住,好像今天一樣。
23Noho ny nandoroanareo ditin-kazo manitra sy ny nanotanareo tamin'i Jehovah, fa tsy nihaino ny feon'i Jehovah, na nandeha araka ny lalàny sy ny didiny ary ny teny vavolombelony ianareo, dia izany no nahatonga izao loza izao taminareo tahaka ny amin'izao anio izao,
23因為你們向別神燒香,得罪了耶和華,不聽從耶和華的話,不遵行他的律法、條例和法度,所以這災禍臨到你們,好像今天一樣。”
24Ary hoy koa Jeremia tamin'ny olona rehetra sy tamin'ny vehivavy rehetra: Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay atỳ amin'ny tany Egypta:
24耶利米又對眾民和眾婦女說:“在埃及地所有的猶大人哪,要聽耶和華的話!
25Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo sy ny vadinareo samy niteny tamin'ny vavanareo sady nanatanteraka tamin'ny tananareo ka nanao hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka.
25萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:‘你們和你們的妻子親口說過:我們一定要實行我們的願,向天后燒香,澆奠祭。你們果然親手作了。現在你們只管持定你們所許的願,只管實行你們的誓言吧!’
26Koa henoinareo ny tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin'ny tany Egypta: Indro Aho efa nianiana tamin'ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy hotononin'ny vavan'ny lehilahy amin'ny Joda eran'ny tany Egypta intsony ny anarako hanao hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo.
26但所有住在埃及地的猶大人哪,你們要聽耶和華的話!耶和華說:‘看哪!我指著我偉大的名起誓:在埃及全地每一個猶大人的口中,再不會呼喚我的名,說:我指著永活的主耶和華起誓。
27Indro, miambina anareo Aho hahatonga loza, fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin'ny Joda, izay atỳ amin'ny tany Egypta, dia ho ringan'ny sabatra sy ny mosary mandra-pahalany ritrany.
27看哪!我要留意向他們降禍不降福;在埃及地所有的猶大人都必因刀劍和饑荒滅亡,直到滅絕。
28Ary izay afa-mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tanin'ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin'ny Joda rehetra izay mankany amin'ny tany Egypta hivahiny any dia hahafantatra izay ho tò teny, na ho Izaho, na ho izy.
28那些逃脫刀劍的,必從埃及地返回猶大地;他們人數很少。這樣,所有去埃及地在那裡寄居的猶大餘剩的人,就知道誰的話實現:我的,還是他們的。
29Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin'ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa tò tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan'i Egypta, hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy.
29埃及被巴比倫擊敗的預兆“‘我要在這地方懲罰你們,這是給你們的徵兆,好使你們知道我說要降禍給你們的話,一定實現。’這是耶和華的宣告。
30Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan'i Egypta, hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy.
30耶和華這樣說:‘看哪!我必把埃及王法老合弗拉交在他仇敵的手中,和那些尋索他性命的人的手中,像我把猶大王西底家交在他仇敵,那尋索他性命的巴比倫王尼布甲尼撒的手中一樣。’”