Malagasy

聖經新譯本

Joel

1

1Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Joela, zanak'i Petoela.
1嚴重的蝗災耶和華的話臨到毗土珥的兒子約珥:
2[Filazana ny loza nanjo, ary fitarainana sy anatra noho izany] Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra amin'ny tany! Moa mba efa nisy tamin'ny andronareo na tamin'ny andron'ny razanareo, va izao?
2老年人哪!你們要聽這話。這地所有的居民啊!你們要留心聽。在你們的日子,或在你們祖先的日子,曾有這樣的事嗎?
3Lazao amin'ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin'ny zanany kosa, ary ny zanak'ireo kosa indray amin'ny taranaka mandimby azy.
3你們要把這事傳與子,子傳與孫,孫傳與後代。
4Izay sisan'ny kijeja dia nohanin'ny koraika; Ary izay sisan'ny koraika dia nohanin'ny valalavao: Ary izay sisan'ny valalavao dia nohanin'ny sompanga. [Heb. mpikiky][Heb. mpilelaka] [Heb. mpandany]
4剪蟲剩下的,蝗蟲吃了;蝗蟲剩下的,蝻子吃了;蝻子剩下的,螞蚱吃了。
5Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin'ny vavanareo izany.
5酒醉的人哪!你們要醒過來;要哀哭!所有嗜酒的人哪!你們都要為甜酒哀號,因為甜酒從你們的口裡斷絕了。
6Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan'ny liom-bavy.
6因為有一民族上來侵犯我的國土,他們強大又無數;他們的牙齒像獅子的牙齒,他們有母獅的大牙。
7Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany.
7他們使我的葡萄樹荒涼,折斷了我的無花果樹,把樹皮剝盡,丟在一旁,使枝條露白。
8Midradradradrà toy ny virijina misikindamba fisaonana noho ny amin'ny vadin'ny fahatanorany.[Heb. lamba malailay]
8勸人民哀哭你們要哀號,像少女腰束麻布,為她幼年時許配的丈夫哀號一樣。
9Efa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah.
9素祭和奠祭都從耶和華的殿裡斷絕了,事奉耶和華的祭司也都悲哀。
10Mariry ny saha, misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, mihena ny diloilo.[Heb. Malazo]
10田野荒廢,土地淒涼,因為五穀毀壞,新酒乾竭,油也缺乏。
11Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà, ianareo mpamboatra tanim-boaloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea; Fa majifa ny vokatry ny saha;
11農夫啊!你們要為大麥和小麥羞愧。修理葡萄園的啊!你們要哀號,因為田間的莊稼都破壞了。
12Maina ny voaloboka, malazo ny aviavy, ary malazo koa ny ampongaben-danitra sy ny rofia ary ny poma aza, dia ny hazo rehetra any an-tsaha; Eny, malazo ny fifalian'ny zanak'olombelona. [palma]
12葡萄樹枯乾,無花果樹衰殘;石榴樹、棕樹、蘋果樹,田野所有的樹木都枯乾,因此歡樂從人間消失了。
13Misikina sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin'ny alitara; Andeha mandry amin'ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.[Heb. lamba malailay]
13呼籲人民禁食禱告祭司啊!你們要腰束麻布,並且痛哭。在祭壇侍候的啊!你們要哀號。事奉我的 神的啊!你們披上麻布進去過夜吧,因為素祭和奠祭,都從你們的 神的殿中止息了。
14Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin'ny tany ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin'i Jehovah.
14你們要把禁食的日子分別為聖,召開嚴肅會,聚集眾長老和國中所有的居民,到你們的 神耶和華的殿裡,向耶和華呼求。
15Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.
15哀哉那日!因為耶和華的日子臨近了;那日來到,好像毀滅從全能者臨到一樣。
16Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon'Andriamanitsika?
16糧食不是在我們的眼前斷絕了嗎?歡喜與快樂不是從我們的 神的殿中止息了嗎?
17Matimaso ao ambanin'ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary.
17穀種在土塊底下朽爛,倉庫荒涼,穀倉破爛被拆毀,因為五穀都枯乾了。
18Indrisy, ny fitoreon'ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian'ny ondry aman'osy aza dia mijaly noho ny heloka.
18牲畜發出哀鳴,牛群到處流蕩,因為沒有草場給牠們,羊群也同樣受苦。
19Jehovah ô, Hianao no itarainako, fa efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra, ary nisy lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra.
19耶和華啊!我向你呼求,因為火吞滅了曠野的草場,火燄燒盡了田間所有的樹木。
20Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra.
20田野的走獸也向你發喘,因為溪水都乾涸了,火吞滅了曠野的草場。