Malagasy

聖經新譯本

John

15

1Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.
1耶穌是真葡萄樹“我是真葡萄樹,我父是培植的人。
2Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa. [Gr dioviny]
2所有屬我而不結果子的枝子,他就剪去;所有結果子的,他就修剪乾淨,讓它結更多的果子。
3Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
3現在你們因著我對你們所講的道,已經乾淨了。
4Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.
4你們要住在我裡面,我也就住在你們裡面。枝子若不連在葡萄樹上,自己就不能結果子;你們若不住在我裡面,也是這樣。
5Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.
5我是葡萄樹,你們是枝子。住在我裡面的,我也住在他裡面,他就結出很多果子;因為離開了我,你們就不能作甚麼。
6Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.
6人若不住在我裡面,就像枝子丟在外面枯乾了,人把它們拾起來,丟在火裡燒掉了。
7Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.
7你們若住在我裡面,我的話也留在你們裡面;無論你們想要甚麼,祈求,就給你們成就。
8Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
8這樣,你們結出很多果子,我父就因此得榮耀,你們也就是我的門徒了。
9Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo.
9父怎樣愛我,我也怎樣愛你們;你們要住在我的愛裡。
10Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.
10如果你們遵守我的命令,就必定住在我的愛裡,正像我遵守了我父的命令,住在他的愛裡一樣。
11Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
11“我把這些事告訴了你們,好讓我的喜樂存在你們心裡,並且使你們的喜樂滿溢。
12Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
12你們要彼此相愛,像我愛你們一樣,這就是我的命令。
13Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
13人為朋友捨命,人間的愛沒有比這個更大的了。
14Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.
14你們若行我所吩咐你們的,就是我的朋友了。
15Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo.
15我不再稱你們為僕人,因為僕人不知道主人所作的事;我已經稱你們為朋友了,因為我從我父那裡聽見的一切,都已經告訴你們了。
16Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.
16不是你們揀選了我,而是我揀選了你們,並且分派你們去結果子,就是結常存的果子,使你們奉我的名,無論向父求甚麼,他必定賜給你們。
17Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo.
17我把這些事吩咐你們,是要你們彼此相愛。
18Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.
18世人恨主也恨門徒“如果世人恨你們,你們要知道他們在恨你們以先,已經恨我了。
19Raha naman'izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman'izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao ianareo. [Gr. avy amin']
19你們若屬於這世界,世人必定愛屬自己的;但因為你們不屬於世界,而是我從世界中揀選了你們,所以世人就恨你們。
20Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.
20你們要記住我對你們說過的話:‘僕人不能大過主人。’他們若迫害我,也必定迫害你們;他們若遵守我的話,也必定遵守你們的話。
21Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy.
21但他們因著我的名,要向你們行這一切,因為他們不認識那差我來的。
22Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin'ny helony.
22如果我沒有來,也沒有對他們講過甚麼,他們就沒有罪;但現在他們的罪是無可推諉的了。
23Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.
23恨我的,也恨我的父。
24Raha tsy nataoko teo aminy Izay asa tsy nataon'olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Ahy sy ny Raiko koa;
24如果我沒有在他們中間作過別人沒有作過的事,他們就沒有罪;但現在我和我的父,他們都看見了,也都恨惡。
25fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin'ny lalàny hoe: Halany foana Aho (Sal. 69. 4; 109. 3).
25這就應驗了他們律法上所寫的話:‘他們無故地恨我。’
26Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. [ Izahao 14.16]Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany.
26“我從父那裡要差來給你們的保惠師,就是從父那裡出來的真理的靈,他來到的時候,要為我作見證。
27Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany.
27你們也要作見證,因為從開始你們就是跟我在一起的。”