1[Fananarana ny amin'ny mpampianatra sandoka] Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy sady rahalahin'i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin'Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an'i Jesosy Kristy;
1問安耶穌基督的僕人,雅各的兄弟猶大,寫信給那些被召的人,就是在父 神裡蒙愛,並且為了耶穌基督而蒙保守的人。
2hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
2願憐憫、平安、慈愛多多加給你們。
3Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin'ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an'ny olona masina.
3要竭力維護信仰親愛的,我曾經迫切地想寫信給你們,論到我們共享的救恩;現在我更覺得必須寫信勸勉你們,要竭力維護從前一次就全交給了聖徒的信仰,
4Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika. [ Na: mandà ny Andrian-tokana sy Jesosy Kristy Tompontsika]
4因為有人已經混進你們中間,他們就是早被判定受刑的不敬虔的人。這些人把我們 神的恩典當作放縱情慾的藉口,並且否認獨一的主宰我們的主耶穌基督。
5Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian'izany izay tsy nino.
5列舉史實作鑒戒雖然這一切事情你們都早已知道,我仍然要提醒你們:從前主從埃及地把人民救出來,跟著就把那些不信的人除滅了。
6Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe.
6還有,那不守本位擅離自己居所的天使,主用永遠的鎖鍊把他們拘留在黑暗裡,直到那大日子的審判。
7Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay.
7又像所多瑪、蛾摩拉和周圍城市的人,與他們一樣的淫亂,隨從反常的情慾,以致遭受永火的刑罰,成了後世的鑒戒。
8Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra. [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX 3]
8雖然是這樣,這些醉生夢死的人還是照樣玷污身體,藐視主權,毀謗尊榮。
9Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra anao anie Jehovah".
9天使長米迦勒為了摩西的屍體與魔鬼爭論的時候,還不敢用毀謗的話定他的罪,只說:“主責備你!”
10Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany. [ Na: andotoany]
10但這些人毀謗他們所不知道的,他們只知道按本性所能領悟的事,好像沒有理性的禽獸,就因這些事敗壞了自己。
11Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin'ny lalan'i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora izy.
11他們有禍了,因為他們走上了該隱的道路,又為了財利闖進巴蘭的歧途,並且在可拉的背叛中滅亡了。
12Ireo no harambato voasaron-drano eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra; [ Na: Ireo no pentimpentina]
12這些人膽敢與你們同席,他們只顧餵飽自己,是你們愛筵中的暗礁;是無雨的浮雲,隨風飄蕩;是秋天不結果子的樹,連根拔起,死而又死;
13onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina.
13是海中的狂浪,濺起了自己可恥的泡沫;是流蕩的星,有漆黑的幽暗永遠為他們存留。
14Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina
14亞當的第七世孫以諾,也曾經預言這些人說:“看,主必同他的千萬聖者降臨,
15hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy."
15要審判眾人,又要定所有不敬虔的人的罪,因為他們妄行各樣不敬虔的事,並且說了種種剛愎的話頂撞 神。”
16Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
16這些人常發牢騷,怨天尤人,順著自己的私慾行事,口說誇張的話,為了利益就不惜阿諛奉承。
17Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;
17要在至聖的信仰上建立自己但你們呢,親愛的,你們要記住我們主耶穌基督的使徒從前所說的話。
18fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny.
18他們曾經對你們說:“末世必有好譏笑人的人,隨著自己不敬虔的私慾行事。”
19Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy. [ Na: tsy mba manana fanahy]
19這些人分黨結派,是屬血氣的,沒有聖靈。
20Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina;
20但你們呢,親愛的,你們要在至聖的信仰上建立自己,在聖靈裡禱告,
21ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.
21要保守自己在 神的愛中,仰望我們主耶穌基督的憐憫,直到永生。
22Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana; [ Na: raha miady aminareo izy]
22有些人心裡疑惑,你們要憐憫他們;
23ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.
23有些人你們要拯救,把他們從火中搶救出來;又有些人你們要戰戰兢兢地憐憫他們,連染上情慾污漬的衣服也應當憎惡。
24Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana,ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.
24頌讚的禱告願榮耀、威嚴、能力、權柄,藉著我們的主耶穌基督,從萬世以前,及現在,直到永永遠遠,歸給獨一的 神我們的救主。他能保守你們不至跌倒,使你們毫無瑕疵,欣然站在他榮光之前。阿們。
25ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.
25