Malagasy

聖經新譯本

Lamentations

5

1[Fitarainana amin'Andriamanitra sy fangatahana ny hodian'ny soa nananana fahiny] Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.
1向耶和華禱告訴苦耶和華啊!求你記念我們所遭遇的!垂顧關注我們的恥辱。
2Ny lovanay dia afindra ho an'ny vahiny ary ny tranonay ho an'ny hafa firenena.
2我們的產業轉歸外人,我們的房屋歸給異族。
3Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.
3我們成為孤兒,沒有父親,我們的母親好像寡婦一樣。
4Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.
4我們所喝的水要用銀子買,我們的柴也付代價而得。
5Rambondrambonan'ny mpanenjika amin'ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.
5我們被人追趕,頸項帶上重軛;我們疲乏,得不著歇息。
6Nanolo-tanana tamin'ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.
6我們臣服埃及和亞述,為要得著糧食充飢。
7Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.
7我們的先祖犯了罪,現在他們不在了;我們卻要擔負他們的罪孽。
8Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin'ny tànany.
8奴僕轄制我們;沒有人救我們脫離他們的手。
9Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.
9因為曠野有刀劍的威脅,我們要冒生命的危險才得到糧食。
10Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin'ny mosary.
10我們因飢餓而發燒,我們的皮膚好像火爐一般的熱。
11Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin'ny tanànan'ny Joda.
11婦女在錫安被污辱,處女在猶大的城鎮被強暴。
12Nahantona tamin'ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.
12眾領袖被敵人吊起來;長老也不受人尊敬。
13Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.
13青年人推磨吃苦;孩童因背木柴而跌倒。
14Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.
14眾長老不再坐在城門口;青年人不再唱歌作樂。
15Ny hafalian'ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.
15我們心裡不再歡樂;我們的舞蹈變為哀哭。
16Efa afaka ny satro-boninahitra tamin'ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!
16冠冕從我們的頭上掉下來。我們有禍了;因為我們犯了罪。
17Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,
17為了這事,我們心裡愁煩;為了這事,我們的眼睛昏花;
18Noho ny amin'ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen'ny amboahaolo.
18因為錫安山荒涼,野狗就在山上到處出沒。
19Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby.
19祈求復興但耶和華啊,你永遠坐著為王;你的寶座代代長存。
20Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava ?
20你為甚麼永遠忘記我們?為甚麼長久離棄我們?
21Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?
21耶和華啊!除非你真的棄絕我們,你向我們所發的怒氣難收,不然,求你使我們歸向你,好使我們回轉過來;求你更新我們的日子,像古時一樣。
22Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?
22