Malagasy

聖經新譯本

Luke

14

1Ary raha niditra mba hihinana tao an-tranon'ny loholona anankiray amin'ny Fariseo Izy tamin'ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo.
1治好水臌病的人在安息日,耶穌進了一個法利賽人領袖的家裡吃飯,眾人都在窺探他。
2Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany.
2正好在他面前有一個患水臌病的人;
3Ary Jesosy namaly ka nanao tamin'ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata, sa tsia?
3耶穌對律法師和法利賽人說:“在安息日治病,可以不可以呢?”
4Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.
4他們卻不出聲。耶穌扶著病人,治好他,叫他走了,
5Ary Izy nanao tamin'ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin'izay na dia amin'ny andro Sabata aza?
5就對他們說:“你們中間誰的兒子或牛在安息日掉在井裡,不立刻把他拉上來呢?”
6Ary tsy nahavaly ny amin'izany zavatra izany izy.
6他們不能回答這些話。
7Ary Jesosy nanao fanoharana tamin'izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe:
7耶穌教訓筵席的主人(參箴25:6~7)耶穌看見被邀請的客人選擇高位,就用比喻對他們說:
8Raha misy maka anao ho any amin'ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin'ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho ianao,
8“你被邀請參加婚筵的時候,不要自己坐在高位上,恐怕有比你更尊貴的客人也被請來;
9ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin'ny fitoerana aoriana indrindra.
9那請你又請他的人過來對你說:‘請你讓位給這個人。’那時你就慚愧地退居末位了。
10Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin'ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason'izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao.
10你被邀請的時候,要坐在末位上,等請你的人過來對你說:‘朋友,請上座。’那時你在同席的人面前才有光彩。
11Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
11因為凡高抬自己的,必要降卑;自己謙卑的,必要升高。”
12Ary hoy Jesosy tamin'ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin'ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao.
12耶穌又對邀請他的人說:“你設午餐或晚宴,不要請你的朋友、弟兄、親戚或富裕的鄰舍,恐怕他又回請你,你就得了報答。
13Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;
13你擺筵席的時候,總要邀請那貧窮的、殘廢的、瘸腿的、瞎眼的,
14dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin'ny fitsanganan'ny marina.
14那你就有福了。因為他們沒有甚麼可以報答你,義人復活的時候,你必定得著報答。”
15Ary ny anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
15婚筵的比喻(參太22:1~10)一起吃飯的人中有一個,聽了這些話,就對耶穌說:“在 神的國裡吃飯的人有福了。”
16Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.
16耶穌對他說:“有一個人大擺筵席,請了許多客人。
17Ary naniraka ny mpanompony izy tamin'ny fotoana fisakafoana hilaza amin'izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.
17到了開席的時候,他打發僕人去對所請的人說:‘請來吧!樣樣都準備好了。’
18Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
18眾人一致推辭,頭一個說:‘我買了一塊地,不得不去看一看,請原諒我。’
19Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
19另一個說:‘我買了五對牛,要去試一試,請原諒我。’
20Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin'izany tsy afaka mankany.
20又一個說:‘我剛結了婚,不能去。’
21Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin'ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin'ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin'ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.
21僕人回來把這些事告訴他主人,家主就發怒,對僕人說:‘快到城裡大街小巷去,把貧窮的、殘廢的、瞎眼的、瘸腿的,都領到這裡來。’
22Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.
22僕人說:‘主啊,你所吩咐的已經辦了,還有空位。’
23Ary hoy ny tompo tamin'ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin'ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.
23主人就對僕人說:‘你出去到路邊籬畔,勉強人進來,好把我的屋子坐滿。
24Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.
24我告訴你們,先前請的那些人,一個也不得嘗我的筵席。’”
25Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin'i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe:
25作門徒的代價(參太10:37~38)有許多人與耶穌同行,他轉身對他們說:
26Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
26“如果有人到我這裡來,愛我不超過愛(“愛我不超過愛”原文作“不恨”)自己的父母、妻子、兒女、兄弟、姊妹,甚至自己的性命,就不能作我的門徒。
27Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
27凡不背著自己的十字架跟隨我的,也不能作我的門徒。
28Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?
28你們當中有誰要蓋一座樓,不先坐下計算費用,能不能蓋成呢?
29fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita
29恐怕安了地基,而不能完成,所有看見的人都譏笑他,
30ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.
30說:‘這個人開了工,卻不能完工。’
31Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin'ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin'ny iray alina izy, na tsia?
31或者一個王去和別的王打仗,哪有不先坐下想想,能否用一萬兵去抵抗那領兩萬來攻打他的呢?
32Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana.
32如果不能,就該趁對方還遠的時候,派使者去談判和平的條件。
33Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.
33這樣,你們中間不論誰,如果不撇下一切所有的,就不能作我的門徒。
34Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian'ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
34“鹽本來是好的,但如果失了味,怎能使它再鹹呢?
35Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian'ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
35或用在田裡,或放在糞裡,都不合適;只好扔在外面。有耳可聽的,就應當聽。”