1Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan'izay olona mahatonga izany!
1饒恕、信心、服事等教訓(太18:6~7、21~22;可9:42)耶穌又對門徒說:“使人犯罪的事是免不了的,但那使人犯罪的人有禍了!
2Aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza.[Na: ahodim-boriky]
2就算拿一塊大磨石拴在他的頸項上,把他沉在深海裡,比他使這小子中的一個犯罪還好。
3Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony.
3你們應當謹慎。如果你弟兄得罪你,就勸戒他;他若懊悔,就饒恕他。
4Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
4如果他一天七次得罪你,又七次回轉,對你說:‘我懊悔了!’你總要饒恕他。”
5Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.
5使徒對主說:“請你加添我們的信心。”
6Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
6主說:“如果你們有信心像一粒芥菜種,就是對這棵桑樹說:‘拔起根來,栽到海裡去!’它也必聽從你們。
7Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana?
7“你們中間誰有僕人去耕地或是放羊,從田裡回來,你就對他說:‘快過來坐下吃飯’;
8Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao?
8而不對他說:‘給我預備晚餐,束起腰來服事我,等我吃喝完了,你才吃喝’呢?
9Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany?
9僕人作了所吩咐的事,主人還謝謝他嗎?
10Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
10你們也是這樣,作完一切吩咐你們的事,應該說:‘我們是無用的僕人,我們只作了應分作的。’”
11Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an'i Samaria sy Galilia.[Na: Teny anelanelan'i]
11治好十個痲風病人耶穌往耶路撒冷去,經過撒瑪利亞和加利利的邊境。
12Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.
12他走進一個村莊,有十個痲風病人迎面而來,遠遠地站著,
13Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.
13大聲說:“主耶穌啊,可憐我們吧!”
14Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana.
14他看見了,就對他們說:“你們去給祭司檢查吧。”他們去的時候就潔淨了。
15Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery
15內中有一個人見自己已經好了,就回來大聲頌讚 神,
16sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.
16在耶穌腳前把臉伏在地上感謝他。他是一個撒瑪利亞人。
17Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy?
17耶穌說:“潔淨了的不是有十個人嗎?那九個在哪裡?
18Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?
18除了這外族人,再沒有一個回來頌讚 神嗎?”
19Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
19耶穌就對他說:“起來,走吧,你的信使你痊愈了。”
20Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra.
20 神的國降臨的情形(太24:37~41)法利賽人問耶穌:“ 神的國甚麼時候來到呢?”他回答:“ 神的國來到,是眼睛看不見的。
21Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.[Na: efa eo aminareo]
21人不能說:‘看哪!在這裡’,或說:‘在那裡’;因為 神的國就在你們裡面。”
22Ary hoy Izy tamin'ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'olona, nefa tsy hahita ianareo.
22他又對門徒說:“日子將到,你們渴望看見人子的一個日子,卻見不到。
23Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ ! na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy.
23有人會對你們說:‘看哪,在那裡;看哪,在這裡!’你們不要出去,也不要追隨他們。
24Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin'ny faravodilanitra ka mahazava hatramin'ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak'olona amin'ny androny,
24電光怎樣從天這邊一閃,直照到天那邊,人子在他的日子也是這樣。
25Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin'ity taranaka ity.
25但他必須先受許多苦,被這個世代棄絕。
26Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona:
26挪亞的時代怎樣,人子的時代也是怎樣。
27nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.
27當時人們吃喝嫁娶,直到挪亞進入方舟的那一天,洪水來了,把他們全都滅掉。
28Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy;
28在羅得的時代也是這樣,人們吃喝買賣,耕種建造,
29fa tamin'ny andro izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.
29直到羅得離開所多瑪的那一天,火與硫磺從天上降下來,把他們全都滅掉。
30Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona.
30人子顯現的日子也是這樣。
31Amin'izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin'izay efa nilaozany izy.
31當那日,人在房頂上,器具在屋裡,不要下來拿;在田裡的,照樣不要回家。
32Tsarovy ny vadin'i Lota.
32應當記著羅得的妻子的教訓。
33Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany.
33凡是想保全生命的,必喪掉生命;凡是犧牲生命的,卻必保全生命。
34Lazaiko aminareo fa amin'izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
34我告訴你們,當那夜,兩個人在一張床上,一個被接去,一個被撇下。
35Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
35兩個女人一起推磨,一個被接去,一個被撇下。”
36[ Ampio hoe: Hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela]Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran'ny faty, dia any koa no hiangonan'ny voromahery.
36(有些抄本有第36節:“兩個人在田裡,一個被接去,一個撇下來。”)
37Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran'ny faty, dia any koa no hiangonan'ny voromahery.
37門徒問耶穌:“主啊,這些事會在哪裡發生呢?”主說:“屍首在哪裡,鷹也會聚集在哪裡。”