1Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
1質問耶穌憑甚麼權柄作事(太21:23~27;可11:27~33)有一天,耶穌在殿裡教導人,宣講福音,眾祭司長、經學家和長老上前來,
2ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany?
2對他說:“告訴我們,你憑著甚麼權柄作這些事?給你這權柄的是誰?”
3Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko:
3他回答他們:“我也要問你們一句話,你們告訴我:
4Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona?
4約翰的洗禮是從天上來的,還是從人來的呢?”
5Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
5他們就彼此議論說:“如果我們說:‘是從天上來的’,他就會問:‘那你們為甚麼不相信他呢?’
6Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.
6如果我們說:‘是從人來的’,眾人都會用石頭打我們,因為他們都認定約翰是先知。”
7Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany.
7於是他們回答耶穌:“我們不知道是從哪裡來的。”
8Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
8耶穌說:“我也不告訴你們,我憑著甚麼權柄作這些事。”
9Dia nilaza izao fanoharana izao tamin'ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
9佃戶的比喻(太21:33~46;可12:1~12)於是耶穌向眾人講了這個比喻:“有一個人栽種了一個葡萄園,租給佃戶,就遠行去了很久。
10Ary tamin'ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin'ny mpiasa tany izy mba handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina.
10到了時候,園主派了一個僕人到佃戶那裡,叫他們把葡萄園當納的果子交給他。佃戶卻打了他,放他空手回去。
11Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina.
11園主又派另一個僕人去,佃戶又打了他,並且侮辱他,也叫他空手回去。
12Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
12於是他又派第三個去,佃戶把他打傷,趕他走了。
13Dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.
13葡萄園的主人說:‘怎麼辦呢?我要派我的愛子去,也許這一個他們會尊敬的。’
14Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.
14佃戶一看他,就彼此商議說:‘這是繼承產業的,讓我們殺了他,那麼,產業就成為我們的了。’
15Dia namoaka azy tany ivelan'ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka ahoana moa izy amin'izany?
15於是他們把園主的愛子推出葡萄園外殺了。主人要怎樣對待他們呢?
16Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
16他要來除掉這些佃戶,把葡萄園租給別人。”他們聽見了就說:“千萬不要有這樣的事發生!”
17Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro? (Sal. 118. 22).
17耶穌看著他們,說:“那麼,‘建築工人所棄的石頭,成了房角的主要石頭’,這經文是甚麼意思呢?
18Izay rehetra potraka amin'izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
18凡是跌在那石頭上的,就必摔碎;那石頭掉在誰的身上,就必把他壓得粉碎。”
19Ary tamin'izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin'izany fanoharana izany.
19經學家和祭司長知道這比喻是針對他們說的,當時就想動手拿他,可是又害怕群眾。
20Ary nizaha taratra an'i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin'ny teniny, hanolorany Azy ho amin'ny hery sy ny fahefan'ny governora.
20以納稅的事問難耶穌(太22:15~22;可12:13~17)經學家和祭司長差派奸細偽裝好人去窺探耶穌,要抓著他的把柄,好把他交由總督全權裁決。
21Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan'olona, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra:
21奸細問他:“老師,我們知道你所說所教的都對,並且不講情面,只照著真理把 神的道教導人。
22Mety va raha mandoa vola hetra ho an'i Kaisara izahay, sa tsia?
22我們納稅給凱撒可以不可以?”
23Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe:
23耶穌看透他們的詭計,就對他們說:
24Mampisehoa denaria amiko. An'iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An'i Kaisara.
24“給我一個銀幣看看,上面是誰的像,誰的名號?”他們說:“凱撒的。”
25Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.
25耶穌說:“這樣,凱撒的應當歸給凱撒, 神的應當歸給 神。”
26Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan'ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.
26他們在群眾面前,不能抓住耶穌的把柄,又希奇他的回答,就沉默下來。
27Ary ny sasany tamin'ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
27人復活後不娶不嫁(太22:23~33;可12:18~27)撒都該人向來否認有復活的事,他們當中有幾個人來問耶穌:
28Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
28“老師,摩西曾寫給我們說:‘如果一個人娶了妻子,還沒有兒女就死了,他弟弟就應當娶他的妻子,為哥哥立後。’
29Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
29從前有兄弟七人,頭一個娶了妻子,沒有孩子就死了。
31sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon'izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
31第三個,也娶過她;七個都是這樣,都沒有留下孩子就死了。
32Ary farany dia maty koa ravehivavy.
32後來那女人也死了。
33Koa amin'ny fitsanganan'ny maty ho vadin'iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.
33那麼,這女人在復活的時候,要作哪一個的妻子呢?因為七個人都娶過她。”
34Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak'izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina;
34耶穌說:“這世界的人又娶又嫁,
35fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin'ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina;
35但配得那世界的,又配從死人中復活的人,也不娶也不嫁。
36ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin'ny anjely sady zanak'Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin'ny maty.
36他們和天使一樣,不能再死;既然是復活了的人,就是 神的兒女了。
37Ary Mosesy aza nanambara teo amin'ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an'i Jehovah hoe Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6).
37至於死人復活的事,摩西在荊棘篇上提過,他稱主是亞伯拉罕的 神、以撒的 神、雅各的 神;
38Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona; fa velona ho an'Andriamanitra avokoa izy rehetra.
38 神不是死人的 神,而是活人的 神,因為在他那裡的人都是活的。”
39Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.
39經學家中有幾個說:“老師,你說得好。”
40Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.
40從此他們再不敢問他甚麼了。
41Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak'i Davida?
41大衛稱基督為主(太22:41~45;可12:35~37)耶穌問他們:“人怎麼能說基督是大衛的子孫呢?
42Fa Davida ihany no milaza eo amin'ny bokin'ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
42大衛自己在詩篇上說:‘主對我的主說:你坐在我的右邊,
43Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran'ny tongotrao (Sal. 110. 1).
43等我使你的仇敵作你的腳凳。’
44Davida amin'izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-Zanany Azy?
44大衛既然稱他為主,他又怎會是大衛的子孫呢?”
45Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany teo anatrehan'ny olona rehetra:
45提防經學家(太23:1~36;可12:38~40)眾人聽著的時候,耶穌對門徒說:
46Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain'ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana,ary mandany ny tranon'ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
46“你們要提防經學家,他們好穿長袍走來走去,喜歡人在巿中心向他們問安,並且喜歡會堂裡的高位、筵席上的首座。
47ary mandany ny tranon'ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
47他們吞沒了寡婦的房產,又用冗長的禱告作掩飾。這等人必受更重的刑罰。”