1Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin'ny fandatsahan-drakitra;
1窮寡婦的奉獻(可12:41~44)耶穌抬眼看見有錢的人把奉獻投入奉獻箱。
2ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy.[ Gr. lepta roa, dia farantsakely varahina izany = kodranta iray, tokony ho variroaventy]
2他又看見一個窮寡婦,投入兩個小錢,
3Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.
3就說:“我實在告訴你們,這個窮寡婦所投的,比眾人投的更多。
4Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no nandatsahany tao amin'ny rakitra; fa izy kosa tamin'ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
4因為這些人都是把自己剩餘的投進去作奉獻,這寡婦是自己不足,卻把所有養生的都投進去了。”
5Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:
5預言聖殿被毀(太24:1~2;可13:1~2)有人在談論聖殿,是用美麗的石頭和供物裝飾的。耶穌說:
6Ny amin'ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
6“你們看見的這些,到了日子,必沒有一塊石頭留在另一塊石頭上面,每一塊都要拆下來。”
7Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?
7這世代終結的預兆(太10:17~22,24:3~14;可13:3~13)那些人問他:“老師,甚麼時候會有這些事呢?這些事要發生的時候,有甚麼預兆呢?”
8Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.
8他說:“你們要小心,不要被人迷惑。因為有許多人要來,假冒我的名說:‘我就是基督’,又說:‘時候近了。’你們不要跟從這些人。
9Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin'izay ny farany.
9你們要聽見戰亂和暴動,但不要驚慌,因為這些事是必先發生的,不過結局卻不會立刻就到。”
10Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.
10過了一會兒,耶穌又對他們說:“一個民族要起來攻打另一個民族,一個國家要起來攻打另一個國家。
11Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.
11到處必有大地震、饑荒和瘟疫,天上必有又恐怖又巨大的預兆。
12Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
12但在這一切以先,人必為我的名,下手拘捕、迫害你們,把你們交給會堂,下在監裡,甚至押到君王和總督面前,
13Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.
13結果卻成了你們見證的機會。
14Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;
14所以,你們應當心裡鎮定,用不著預先思慮怎樣申辯。
15fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.
15因為我必賜給你們口才、智慧,是你們所有的敵人不能抵抗,也不能駁倒的。
16Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
16你們也會被父母、弟兄、親戚、朋友出賣,他們又要害死你們一些人。
17Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
17你們要因我的名,被眾人恨惡,
18Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza.
18然而連你們的一根頭髮,也必不失落。
19Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
19你們要以堅忍的心志,贏取自己的靈魂。
20Ary raha mahita an'i Jerosalema voahodidin'ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.
20預言耶路撒冷被毀(太24:15~21;可13:14~19)“當你們看見耶路撒冷被軍隊圍困的時候,就知道它荒涼的日子近了。
21Ary izay any Jodia amin'izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.
21那時,住在猶太的,應該逃到山上;住在城裡的,要離開;住在鄉下的,不要進城。
22Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
22因為這是報仇的日子,使經上的一切話都得應驗。
23Fa lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany ary fahatezerana amin'ity firenena ity.
23當那些日子,懷孕的和乳養孩子的有禍了!因為大災難要臨到這地,烈怒要臨到這民。
24Dia ho ringana amin'ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon'ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin'ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron'ny jentilisa.
24他們將倒在刀下,被擄到各國,耶路撒冷必被外族人踐踏,直到外族人的日期滿足。
25Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany,
25人子必駕雲降臨(太24:29~35;可13:24~31)“日月星辰將有異兆;在地上,各國也要因著海洋波濤的咆哮而困苦不安。
26ka ho reraka ny fon'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina.[ Na: ka hisy ho faty aza]
26天上的萬象震動,人因為等待即將臨到世界的事,都嚇昏了。
27Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
27那時,他們要看見人子,帶著能力,滿有榮耀,駕著雲降臨。
28Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
28一有這些事,你們就當挺身昂首,因為你們的救贖近了。”
29Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.
29耶穌又給他們講了一個比喻:“你們看看無花果樹和各樣的樹。
30Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.
30它們甚麼時候發芽,你們看見了,就知道夏天近了。
31Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra.
31同樣,你們甚麼時候看見這些事發生,也應該知道 神的國近了。
32Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany.
32我實在告訴你們,這一切都必定發生,然後這世代才會過去。
33Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
33天地都過去,但我的話決不會廢去。
34Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
34警醒祈求“你們應當自己小心,免得在貪食醉酒和生活的掛慮壓住你們的心的時候,那日子突然臨到你們,
35Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra etỳ ambonin'ny tany rehetra izany.
35正如網羅臨到全地的所有居民。
36Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.
36你們要時刻警醒,常常祈求,好讓你們能逃避這一切要發生的事,可以站在人子面前。”
37Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.
37耶穌白天在殿裡教導人,晚上就到橄欖山上去過夜。
38Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.
38群眾清早起來上聖殿,到他那裡要聽他講道。