1Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy.
1跟從耶穌的婦女不久,耶穌周遊各城各村講道,宣揚 神的國的福音,和他在一起的有十二個門徒,
2mbamin'ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan'ny demonia fito,
2還有幾個蒙了醫治、脫離污鬼與疾病的婦女,其中有稱為抹大拉的馬利亞,曾有七個鬼從她身上趕出來;
3sy Johana, vadin'i Koza, mpitandrina ny fananan'i Heroda, ary Sosana mbamin'ny maro hafa koa, izay nanompo azy tamin'ny fananany. [Na: Azy]
3有希律的管家古撒的妻子約亞拿,又有蘇珊娜,和許多別的婦女,她們都用自己的財物供給耶穌和門徒。
4Ary nisy vahoaka betsaka niangona, ka nanatona Azy ny olona avy tamin'ny isan-tanàna, dia nanao fanoharana hoe Izy:
4撒種的比喻(太13:2~9;可4:1~9)當時有許多人聚在一起,還有人從各城來到耶穌那裡,他就用比喻說:
5Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin'ny voro-manidina.
5“有一個撒種的出去撒種,撒的時候,有的落在路旁,被人踐踏,或給空中的小鳥吃掉。
6Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin'ny vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo; satria tsy nisy mandomando.
6有的落在石頭地上,一長出來就枯萎了,因為得不著滋潤。
7Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja azy.
7有的落在荊棘叢中,荊棘也一齊生長,把它擠住了。
8Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
8有的落在好土裡,就生長起來,結出百倍的果實。”他說了這些話,就大聲說:“有耳可聽的,就應當聽!”
9Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin'izay hevitr'izany fanoharana izany.
9用比喻的目的(太13:10~17;可4:10~12)門徒問他這比喻是甚麼意思。
10Dia hoy Izy: Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9). [Gr. nomena]
10他說:“ 神的國的奧祕,只給你們知道,對別人就用比喻,叫他們看卻看不見,聽卻聽不明白。
11Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra.
11解釋撒種的比喻(太13:18~23;可4:13~20)“這比喻是說,種子是 神的道,
12Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.
12那落在路旁的,就是人聽了,魔鬼隨即來到,從他們心裡把道奪去,恐怕他們相信就得救了。
13Ireo teny ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy.
13那落在石頭地上的,就是人聽了,歡歡喜喜地接受,但是沒有根,不過是暫時相信,一旦遭遇試煉,就倒退了。
14Ireo teny amin'ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan'ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa.
14那落在荊棘裡的,就是人聽了,走開以後,被今世的憂慮、財富和宴樂擠住了,結不出成熟的子粒來。
15Fa ireo teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin'ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin'ny faharetana.
15但那落在好土裡的,就是人用誠實良善的心來聽,把道持守住,忍耐著結出果實。
16Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin'ny farafara; fa ataony eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.
16隱藏的事終必顯露(可4:21~25)“沒有人點燈用器皿蓋上,或放在床底下,而是放在燈臺上,叫進來的人都看得見光。
17Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho.
17因為沒有甚麼隱藏的事不被顯明,也沒有甚麼掩蓋的事不被人知道而暴露出來。
18Koa tandremo ny fihainonareo; fa izay manana dia homena; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ataony ho ananany aza dia halaina aminy.
18所以你們應當留心怎樣聽,因為凡是有的,還要給他;凡是沒有的,連他自以為有的,也要拿去。”
19Ary renin'i Jesosy sy ny rahalahiny nanatona Azy, fa tsy nahazo nihaona taminy, satria nifanety ny vahoaka.
19誰是耶穌的母親和弟兄(太12:46~50;可3:31~35)耶穌的母親和弟弟來到他那裡,因為人多,不能到他跟前。
20Ary nisy nilaza taminy hoe: Ny reninao sy ny rahalahinao mijanona ato ala-trano ta-hahita Anao.
20有人轉告耶穌:“你母親和弟弟站在外面要見你。”
21Fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin'Andriamanitra ka mankatò azy.
21他回答他們:“聽了 神的道而遵行的人,才是我的母親,我的弟兄。”
22Ary tamin'ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan'ny farihy; dia lasa izy.
22平靜風浪(太8:23~27;可4:35~41)有一天,耶穌和門徒上了船,他對他們說:“我們渡到海那邊去吧。”他們就開了船。
23Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon'ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin'ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo.
23船行的時候,他睡著了。海上忽然起了狂風,他們全身濕透,非常危險。
24Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro.
24門徒來叫醒耶穌,說:“主啊!主啊!我們沒命了!”他醒過來,斥責風浪,風浪就止息、平靜了。
25Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!
25耶穌對他們說:“你們的信心在哪裡?”他們又懼怕、又希奇,彼此說:“這到底是誰?他吩咐風浪,連風浪也聽從他。”
26Dia nitody tany amin'ny tanin'ny Gerasena izay tandrifin'i Galilia izy.[Na: (Gadarena)]
26治好鬼附的格拉森人(太8:28~34;可5:1~20)船到了格拉森人的地區,正在加利利對面,
27Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin'ny fasana.
27耶穌一上岸,就有城裡一個被鬼附著的人,迎面而來。這人已經很久不穿衣服,不住在家裡,只住在墳墓裡。
28Fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory Hianao, Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? masina Hianao, aza mampijaly ahy.
28他一見耶穌,就俯伏喊叫,大聲說:“至高 神的兒子耶穌,我跟你有甚麼關係呢?求你不要使我受苦。”
29Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin'ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.
29因為耶穌已經吩咐這污靈從那人身上出來。原來這污靈屢次抓住那人;那人被鐵鍊和腳鍊捆鎖,而且有人看管,他竟掙斷鎖鍊,被鬼趕入曠野。
30Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny.
30耶穌問他:“你叫甚麼名字?”他說:“群。”因為進到那人裡面的鬼很多。
31Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin'ny lavaka tsy hita noanoa.
31他們求耶穌,不要趕他們進入無底坑。
32Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny.
32那裡有一大群豬正在山上吃東西。他們求耶穌准他們進入豬群。耶穌准許了,
33Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin'ny hantsana ho any amin'ny farihy, ka dia maty tany.[Gr. kenda]
33鬼就從那人身上出來,進入豬群,豬群闖下山崖,掉在海裡淹死了。
34Ary nony hitan'ny mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha.
34放豬的看見所發生的事就逃跑,到城裡和各鄉村把這事傳開。
35Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin'i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan'ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan'ny tongotr'i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.
35眾人就出來看發生了甚麼事。來到耶穌那裡,看見鬼已經離開的那人,穿著衣服,神志清醒,坐在耶穌腳前,他們就害怕。
36Ary izay efa nahita dia nanambara tamin'ny olona ny namonjena an'ilay demoniaka.
36當時看見的人,把被鬼附過的人怎樣得到醫治,說給他們聽。
37Ary ny olona rehetra tany amin'ny tanin'ny Gerasena manodidina dia nangataka an'i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina.[Na: Gadarena]
37格拉森一帶的人,都要求耶穌離開他們,因為他們大大懼怕。他就上船回去了。
38Ary ny lehilahy izay efa nivoahan'ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin'i Jesosy izy ka nataony hoe:
38鬼已經離開的那人求耶穌,要跟他在一起;但耶穌打發他回去,說:
39Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran'ny tanàna izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy taminy.
39“你回家去,述說 神為你作了怎樣的事。”他就走遍全城,傳講耶穌為他作了怎樣的事。
40Ary nony tafaverina Jesosy, dia nandray Azy tsara ny vahoaka, fa niandry Azy avokoa izy rehetra.
40治好血漏病的女人(太9:18~22;可5:21~34)耶穌回來的時候,眾人歡迎他,因為大家都在等著他。
41Ary, indro, dia tonga ny lehilahy atao hoe Jairo, mpanapaka ny synagoga; dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka niangavy taminy hiditra ao an-tranony.
41那時,有一個人來了,名叫葉魯,他是一位會堂主管。他俯伏在耶穌腳前,求他往他家裡去,
42Fa nanana zanakavavy tokana tokony ho roa ambin'ny folo taona izy, ary efa ho faty razazavavy. Ary raha nandeha Jesosy, dia nanety lalana Azy ny vahoaka.
42因為他的獨生女,約十二歲,快要死了。耶穌去的時候,群眾擁擠著他。
43Ary nisy vehivavy anankiray narary roa ambin'ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.[Gr. narary nandeha rà]
43有一個女人,患了十二年的血漏病,在醫生手裡花盡了全部養生的(有些抄本無“在醫生手裡花盡了全部養生的”一句),沒有一個能醫好她。
44Dia nankao ivohon'i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin'izay dia nijanona ny aretiny.[Gr. fandehanan'ny ràny]
44她從後面擠來,一摸耶穌的衣裳繸子,血就立刻止住。
45Ary hoy Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary rehefa samy nandà izy rehetra, dia hoy Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka betsaka mifanety ka manizina Anao.
45耶穌說:“摸我的是誰?”眾人都不承認。彼得說:“主啊,眾人都擁擠著你。”
46Fa hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.
46耶穌說:“必定有人摸我,因為我覺得有能力從我身上出去。”
47Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan'ny vahoaka rehetra izay anton'ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin'izay.
47那女人見不能隱瞞,就戰戰兢兢地過來,向他俯伏,把摸他的緣故,和怎樣立刻得到醫治,在眾人面前說出來。
48Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.[Gr. nahavonjy]
48耶穌對她說:“女兒,你的信使你痊愈了,平安地去吧!”
49Ary raha mbola niteny Jesosy, dia tonga ny anankiray avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Maty ny zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra.
49使女孩復活(太9:23~26;可5:35~43)耶穌還在說話的時候,有人從會堂主管家裡來,說:“你的女兒死了,不必再勞動老師了。”
50Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.[Gr. voavonjy]
50耶穌聽見就對他說:“不要怕,只要信,她必得痊愈。”
51Ary raha tonga tao an-trano Izy, dia tsy nisy olona navelany hiara-miditra taminy, afa-tsy Petera sy Jaona ary Jakoba mbamin'ny ray aman-drenin-drazazavavy.
51到了那家,除了彼得、約翰、雅各和女孩的父母以外,他不准任何人同他進屋裡去。
52Ary ny olona rehetra nitomany sy nisaona azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty izy, fa matory.
52眾人都在痛哭哀號,他說:“不要哭!她不是死了,而是睡著了。”
53Dia nihomehy Azy fatratra ny olona satria fantany fa efa maty razazavavy.
53他們明知女孩已經死了,就嘲笑他。
54Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena.
54他進去拉著女孩的手,叫她說:“孩子,起來!”
55Dia nody indray ny ainy, ka niarina niaraka tamin'izay izy; ary nasainy nomena hanina izy.Ary dia talanjona ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara ary tsy hilazalaza amin'olona ny zavatra efa natao.
55她的靈魂回來了,她就立刻起來。耶穌吩咐給她東西吃。
56Ary dia talanjona ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara ary tsy hilazalaza amin'olona ny zavatra efa natao.
56她父母非常驚奇。耶穌囑咐他們不要把他所作的事告訴人。