1[Ny tsi-fahamarinan'ny mpisorona, sy ny namalian'Andriamanitra azy] Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao:
1祭司違命背約祭司啊!現在這命令是給你們的。
2Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
2萬軍之耶和華說:“你們若不聽從,若不放在心上,不把榮耀歸給我的名,我就使咒詛臨到你們中間,我要咒詛你們應得的福分,並且已經咒詛了,因為你們沒有把這命令放在心上。
3Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin'ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo.
3我要斥責你們的子孫,也要把糞塗抹在你們的臉上,就是節期祭牲的糞;人要把你們抬到糞堆去。”
4Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: mba ho fanekeko amin'ny Levy zanany]
4萬軍之耶和華說:“這樣,你們就知道是我把這命令給你們,使我與利未所立的約得以存留。
5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy.
5我與他所立的是生命和平安的約,也把這些賜給了他。我要使他敬畏我,又畏懼我的名。
6Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka.
6在他的口中有真理的教訓,在他的嘴裡也沒有不義;他以平安和正直與我同行,使許多人回頭離開罪孽。”
7Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy.
7祭司的嘴當保存知識,人要從他的口中尋求教訓,因為他是萬軍耶和華的使者。
8Fa ianareo kosa dia efa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin'ny lalàna ary namadika ny fanekena amin'i Levy, hoy Jehovah; Tompon'ny maro.
8萬軍之耶和華說:“你們卻偏離了正路,使許多人在律法上跌倒;你們也破壞了我與利未所立的約。
9Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan'ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan'olona ny amin'ny lalàna.
9因此,我也使你們在眾人面前被藐視、受輕看,因為你們不遵守我的道,在律法上徇人的情面。”
10[Fananarana ny olona noho ny fisaoram-bady nataony sy ny nifanambadiany tamin'ny jentilisa] Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika ? Koa nahoana no samy mivadika amin'ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin'ny razantsika?
10猶大人不忠不貞我們不是同有一位父嗎?不是同一位 神創造我們嗎?為甚麼我們各人對自己的兄弟不忠,褻瀆我們列祖的約呢?
11Ny Joda efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin'ny Isiraely sy ao Jerosalema; fa ny Joda efa nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady ny zanaka-vavin'ny andriamani-kafa.
11猶大人行了詭詐,在以色列和耶路撒冷中作了可憎的事;因為猶大人褻瀆耶和華所愛的聖所,娶了事奉外族神的女子為妻。
12Enga anie ka hofongoran'i Jehovah hiala amin'ny lain'i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manatitra fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro. [Heb. na ny mpiambina, na ny mpamaly]
12行這事的,無論是主動的,或是附從的,連那獻禮物給萬軍耶和華的,耶和華必把那人從雅各的帳棚中除掉。
13Ary faharoan'izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran'i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin'ny tananareo Izy.
13你們又行了這事:使眼淚、哀哭和呻吟蓋滿了耶和華的壇,因為耶和華不再垂看禮物,也不喜悅從你們手中收納。
14Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin'ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.
14你們還問:“為甚麼呢?”因為耶和華在你和你年輕時所娶的妻子中間作證;她是你的伴侶,是你立約的妻子,你竟對她不忠!
15Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany ? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany. [Na: moa tsy iray va no nataony? Nefa nanana fanahy sisa ihany Izy. Ary nahoana no iray? Nitady taranaka araka an'Andriamanitra Izy]
15一個還有靈性的人,是不會這樣作的。他會作甚麼呢?他會尋求 神的子孫。所以要謹守你們的靈性,不可對年輕時所娶的妻子不忠。
16Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.[Ny amin'ny andron'i Jehovah] Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana ?
16耶和華以色列的 神說:“我恨惡休妻和以強暴待妻子。”萬軍之耶和華說:“所以要謹守你們的靈性,不可行詭詐的事。”
17[Ny amin'ny andron'i Jehovah] Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana ?
17你們用自己的言語使耶和華厭煩,你們還說:“我們怎樣使他厭煩呢?”因為你們說:“作惡的,耶和華都看為善,並且喜悅他們。”或說:“公義的 神在哪裡呢?”