Malagasy

聖經新譯本

Mark

1

1Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra.
1施洗約翰(太3:1~12;路3:1~18;約1:19~28) 神的兒子(有些抄本無“ 神的兒子”一句)耶穌基督福音的開始。
2Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1); [Na: ao amin'ny mpaminany]
2正如以賽亞先知的書上寫著:“看哪,我差遣我的使者在你面前,預備你的道路;
3Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3),
3在曠野有呼喊者的聲音:‘預備主的道,修直他的路!’”
4dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka.
4照這話,施洗的約翰在曠野出現了,傳講悔改的洗禮,使罪得赦。
5Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
5猶太全地和全耶路撒冷的人,都出來到他那裡去,承認自己的罪,在約旦河裡受了他的洗。
6Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
6約翰身穿駱駝毛的衣服,腰束皮帶,吃的是蝗蟲和野蜜。
7Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
7他傳講說:“有一位在我以後來的,能力比我大,我就是彎腰給他解鞋帶都沒有資格。
8Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina.
8我用水給你們施洗,他卻要用聖靈給你們施洗。”
9Ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana.
9耶穌受洗(太3:13~17;路3:21~22)那時候耶穌從加利利的拿撒勒來,在約旦河裡受了約翰的洗。
10Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
10他從水裡一上來,就看見天裂開了,聖靈仿佛鴿子降在他身上。
11Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.
11又有聲音從天上來說:“你是我的愛子,我喜悅你。”
12Ary niaraka tamin'izay dia nampandehanin'ny Fanahy ho any an-efitra Izy.[Gr. noroahin']
12耶穌受試探(太4:1~11;路4:1~13)聖靈隨即催促耶穌到曠野去。
13Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'i Satana fanahy; ary teo amin'ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.
13他在那裡四十天,受撒但的試探,和野獸在一起,有天使來服事他。
14Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra
14在加利利傳道(太4:12~17;路4:14~15)約翰被捕以後,耶穌來到加利利,宣講 神的福音,
15ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.
15說:“時候到了, 神的國近了,你們應當悔改,相信福音。”
16Ary nony nandalo teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy, dia nahita an'i Simona sy Andrea, rahalahin'i Simona, nanarato teo amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.
16呼召四個門徒(太4:18~22;路5:1~11;約1:35~42)耶穌沿著加利利海邊行走,看見西門和他弟弟安得烈在海上撒網;他們是漁夫。
17Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
17耶穌就對他們說:“來跟從我,我要使你們成為得人的漁夫。”
18Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
18他們立刻撇下網,跟從了他。
19Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an'i Jakoba, zanak'i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony.
19耶穌稍往前走,看見西庇太的兒子雅各,和雅各的弟弟約翰,正在船上整理魚網,
20Dia niantso azy niaraka tamin'izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an'i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin'ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an'i Jesosy.
20他立即呼召他們。他們撇下父親西庇太和雇工在船上,就跟從他去了。
21Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra.
21在迦百農趕出污靈(路4:31~37)他們到了迦百農,耶穌隨即在安息日進入會堂教導人。
22Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.
22大家對他的教訓都很驚奇,因為他教導他們,像一個有權柄的人,不像經學家。
23Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy
23就在那時,會堂裡有一個被污靈附著的人,喊叫起來,
24ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.
24說:“拿撒勒人耶穌,我們跟你有甚麼關係呢?你來毀滅我們嗎?我知道你是誰,你是 神的聖者。”
25Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy.
25耶穌斥責他說:“住口!從他身上出來!”
26Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy.
26污靈使那人抽瘋,大聲喊叫,就從他身上出來了。
27Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.
27眾人都很驚訝,於是彼此對問說:“這是怎麼一回事?是個有權能的新道理啊!他吩咐污靈,污靈竟服從了他!”
28Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.
28耶穌的名聲立刻傳遍了加利利一帶。
29Ary niaraka tamin'izay, raha nivoaka avy tao amin'ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon'i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.
29治病趕鬼(太8:14~17;路4:38~41)他們一出會堂,就和雅各、約翰到西門和安得烈的家裡去。
30Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry teo nanavin'ny tazo; ary niaraka tamin'izay dia nilaza azy taminy izy ireo.
30西門的岳母正在發燒躺著,他們立刻告訴耶穌。
31Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.
31耶穌走到她面前,拉著她的手,扶她起來,熱就退了,她就服事他們。
32Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.
32到了黃昏,有人不斷把生病的和被鬼附的,都帶到耶穌面前。
33Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan'ny varavarana avokoa.
33全城的人都聚集在門口。
34Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.
34耶穌醫好了各樣的病,也趕出許多的鬼,並且不許鬼說話,因為鬼認識他。
35Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.
35在加利利傳道趕鬼(路4:42~44)次日凌晨,天還沒有亮,耶穌起身出去,來到荒野的地方,在那裡禱告。
36Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.
36西門和那些跟他在一起的人就去尋找耶穌。
37Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao.
37他們找到了,就對他說:“大家都在找你呢!”
38Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.
38耶穌對他們說:“我們到鄰近的鄉鎮去吧,我也好在那裡傳道,因為我就是為這事而來的。”
39Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin'ny synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka ny demonia.
39於是他走遍加利利全地,在他們的會堂裡傳道,並且趕鬼。
40Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
40治好痲風病人(太8:2~4;路5:12~16)有一個患痲風的人,來到耶穌跟前,跪下求他說:“如果你肯,必能使我潔淨。”
41Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.
41耶穌動了憐憫的心,就伸手摸他,說:“我肯,你潔淨了吧!”
42Ary niaraka tamin'izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.
42痲風立刻離開了他,他就潔淨了。
43Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin'izay
43耶穌打發那人離開以前,嚴厲地吩咐他,
44ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.
44說:“你千萬不可把這事告訴任何人,你只要去給祭司檢查,並且照著摩西所規定的,為你得潔淨獻祭,好向大家作證。”
45Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.
45但那人出來,竟任意傳講,就把這事傳開了,以致耶穌不能再公開進城,只好留在外邊荒野的地方;然而還是有人從各處到他那裡去。