1Ary niala teo Izy ka tonga tany amin'ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany.
1耶穌在本鄉遭人厭棄(太13:53~58;路4:16~30)耶穌離開那裡,來到自己的家鄉,他的門徒跟著他。
2Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny tànany izao?
2到了安息日,他開始在會堂裡教導人;很多人聽見了,都驚奇地說:“這個人從哪裡得來這一切呢?所賜給他的是怎麼樣的智慧,竟然藉著他的手行出這樣的神蹟?
3Tsy ilay mpandrafitra, zanak'i Maria, ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy etỳ amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy izy.
3這不是那木匠嗎?不是馬利亞的兒子,雅各、約西、猶大、西門的哥哥嗎?他的妹妹們不也在我們這裡嗎?”他們就厭棄耶穌。
4Fa ho Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin'ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany.
4耶穌對他們說:“先知除了在自己的本鄉、本族、本家之外,沒有不受人尊敬的。”
5Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin'ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.
5耶穌不能在那裡行甚麼神蹟,只給幾個病人按手,醫好了他們。
6Ary gaga Izy noho ny tsi-finoany. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy ka nampianatra.
6對於那些人的不信,他感到詫異。耶穌到周圍的鄉村去繼續教導人。
7Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.
7差遣十二使徒(太10:1~14;路9:1~6)他把十二門徒叫來,差遣他們兩個兩個地出去,賜給他們勝過污靈的權柄;
8Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.[Gr. varahina]
8吩咐他們說:“除了手杖以外,路上甚麼都不要帶,不要帶乾糧,不要帶口袋,腰袋裡也不要帶錢,
9Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.
9只穿一雙鞋,不要穿兩件衣服。”
10Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.
10又對他們說:“你們無論到哪裡,進了一家就住在那家,直到離開那個地方。
11Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.
11甚麼地方不接待你們,不聽你們,你們離開那地方的時候,就要把腳上的灰塵跺下去,作為反對他們的見證。”
12Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.
12門徒就出去傳道,叫人悔改,
13Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.
13趕出許多鬼,用油抹了許多病人,醫好他們。
14Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.
14施洗約翰被殺(太14:1~12;路9:7~9)當時耶穌的名聲傳揚出去,希律王也聽到了。有人說:“施洗的約翰從死人中復活了,所以他身上有行神蹟的能力。”
15Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin'ny mpaminany.
15又有人說:“他是以利亞。”還有人說:“他是先知,像古時先知中的一位。”
16Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy.
16希律聽見就說:“是約翰,我砍了他的頭,他又活了!”
17Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an'i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin'i Herodiasy vadin'i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.
17原來希律曾親自派人去捉拿約翰,把他捆鎖在監裡。他這樣作,是為了他弟弟的妻子希羅底的緣故,因為他娶了希羅底為妻,
18Fa Jaona efa nilaza tamin'i Heroda hoe: Diso ianao, raha manambady ny vadin'ny rahalahinao.
18而約翰曾對希律說:“你佔有你兄弟的妻子是不合理的。”
19Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo.
19於是希羅底懷恨在心,想要殺他,只是不能。
20Fa Heroda natahotra an'i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin'ny hafaliana izy.[Na: nanao zavatra maro]
20因為希律懼怕約翰,知道他是公義聖潔的人,就保護他。希律聽了約翰的話,就非常困擾,卻仍然喜歡聽他。
21Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan'i Heroda fanasana ho an'ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin'ny andro fahatsiarovana ny nahaterahany,[Na: tamin'ny fitsingerenan'ny taona]
21有一天,機會來了。在希律生日的那一天,他為大臣、千夫長和加利利的要人擺設了筵席。
22ka niditra ny zanakavavin'i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an'i Heroda mbamin'izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.
22希羅底的女兒進來跳舞,使希律和在座的賓客都很開心。王就對女孩子說:“你無論想要甚麼,只管向我求,我一定給你!”
23Ary nianiana taminy hoe izy: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza.
23並且對她再三起誓:“你無論向我求甚麼,就是我國的一半,我也一定給你!”
24Dia nivoaka razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
24於是她出去問母親:“我該求甚麼呢?”希羅底告訴她:“施洗的約翰的頭!”
25Dia niditra faingana niaraka tamin'izay izy ho ao amin'ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
25她急忙到王面前,向王要求說:“願王立刻把施洗的約翰的頭放在盤子上給我!”
26Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy.
26希律王非常憂愁,但是因為他的誓言和在座的賓客,就不願拒絕她。
27Ary niaraka tamin'izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan'i Jaona. Ary dia nandeha izy, ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohany.
27希律王立刻差遣一個侍衛,吩咐把約翰的頭拿來。侍衛就去了,在監裡斬了約翰的頭,
28Dia nentiny teo an-dovia ny lohany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome azy an-dreniny.
28把頭放在盤子上,拿來交給那女孩子,女孩子又交給她的母親。
29Ary rehefa nandre izany ny mpianany, dia tonga ka naka ny faty ary nandevina azy.
29約翰的門徒聽見了,就來把他的屍體領去,安放在墳墓裡。
30Ary ny Apostoly niangona teo amin'i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin'izay nampianariny.
30給五千人吃飽的神蹟(太14:13~21;路9:10~17;約6:1~13。參可8:1~9)使徒們回來聚集在耶穌跟前,把他們所作和所教導的一切都報告給他聽。
31Ary hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza).
31耶穌對他們說:“來,你們自己到曠野去休息一下。”因為來往的人多,他們甚至沒有時間吃飯。
32Dia nandeha an-tsambokely izy hitokana any an-tany foana.
32他們就悄悄地上了船,到曠野去了。
33Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an'i Jesosy, dia niala avy teny amin'ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety, dia tonga talohany.[Na: nandeha tongotra]
33群眾看見他們走了,有許多人認出了他們,就從各城出來,跑到那裡,比他們先趕到。
34Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
34耶穌一下船,看見一大群人,就憐憫他們,因為他們好像羊沒有牧人一樣,就開始教導他們許多事。
35Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: Tany foana ity, ka efa hariva ny andro ankehitriny;
35天晚了,門徒前來對他說:“這裡是曠野的地方,天已經很晚了,
36ravao ny olona mba hankanesany eny an-tsaha sy eny amin'ny vohitra manodidina hividy hanina ho azy.
36請叫他們散開,好讓他們往周圍的田舍村莊去,自己買點東西吃。”
37Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon'ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny?
37耶穌回答他們:“你們給他們吃吧!”門徒說:“要我們去買兩百銀幣的餅給他們吃嗎?”
38Fa hoy Izy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Andeha, izahao. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy sy hazandrano roa.
38耶穌說:“去看看你們有多少餅!”他們知道了,就說:“五個餅,還有兩條魚。”
39Dia nasain'i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin'ny ahi-maitso izy.
39耶穌吩咐他們叫大家分組坐在青草地上。
40Dia nipetraka an-tokony zato sy dimam-polo avy ny olona.
40他們就一排一排地坐了下來,有一百的,有五十的。
41Ary rehefa voarain'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan'ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin'ny olona rehetra.
41耶穌拿起這五個餅、兩條魚,望著天,祝謝了;然後把餅擘開,遞給門徒擺在群眾面前,又把兩條魚也分給群眾。
42Ary samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky.
42大家都吃了,並且吃飽了。
43Ary nangoniny izay sombintsombin'ny mofo sy ny hazandrano, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.
43他們把剩下的零碎撿起來,裝滿了十二個籃子,
44Ary izay nihinana ny mofo dia dimy arivo lahy.
44吃餅的人,男人就有五千。
45Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha ho any Betsaida, mandra-pandràvany ny vahoaka.
45耶穌在海面上行走(太14:22~33;約6:15~21)事後耶穌立刻催門徒上船,叫他們先渡到對岸的伯賽大去,等他自己叫眾人散開。
46Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka.
46他離開了他們,就上山去禱告。
47Ary nony hariva ny andro, dia efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teo an-tanety.
47到了晚上,船在海中,耶穌獨自在岸上,
48Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain'ny rivotra: ary tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.
48看見門徒辛辛苦苦地搖櫓,因為風不順。天快亮的時候(“天快亮的時候”原文作“夜裡四更天”),耶穌在海面上向他們走去,想要趕過他們。
49Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo.
49門徒看見他在海面上走,以為是鬼怪,就喊叫起來;
50Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin'izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra.
50因為他們都看見了他,非常恐懼。耶穌立刻對他們說:“放心吧!是我,不要怕。”
51Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo.
51於是上了船,和他們在一起,風就平靜了。門徒心裡十分驚奇,
52Ary tsy fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy ny fony.
52因為他們還不明白分餅這件事的意義,他們的心還是遲鈍。
53Ary nony tafita izy, dia tonga teo amin'ny tany Genesareta ka niantsona teo.
53治好革尼撒勒的病人(太14:34~36)他們渡過了海,就在革尼撒勒靠岸,
54Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala an'i Jesosy niaraka tamin'izay ny olona teo
54一下船,眾人立刻認出耶穌來,
55ka nihazakazaka tamin'izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa nitoerany.Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy.[Gr. voavonjy]
55就跑遍那一帶地方,把有病的人放在褥子上,聽見他在哪裡,就抬到哪裡。
56Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy.[Gr. voavonjy]
56耶穌無論到甚麼地方,或村莊,或城市,或鄉野,眾人都把病人放在街上,求耶穌准他們摸他衣服的繸子,摸著的人就都好了。