1Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra.
1求耶穌顯神蹟(可8:11~13)法利賽人和撒都該人前來試探耶穌,求他顯個從天上來的神蹟給他們看。
2Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nony hariva, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.
2耶穌回答:“黃昏的時候,你們說:‘天色通紅,明天一定是晴天。’
3Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin'ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.
3早上的時候,你們說:‘天色又紅又暗,今天一定有風雨。’你們知道分辨天色,卻不能分辨時代的徵兆嗎?
4Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.
4邪惡和淫亂的世代要尋求神蹟,除了約拿的神蹟之外,不會有甚麼神蹟給它了。”耶穌就離開他們走了。
5Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy.
5提防法利賽人等的教訓(可8:14~21)門徒到了對岸,忘記了帶餅。
6Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
6耶穌對他們說:“你們要小心,提防法利賽人和撒都該人的酵。”
7Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
7他們就彼此議論說:“這是因為我們沒有帶餅吧。”
8Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?
8耶穌知道了,就說:“小信的人,為甚麼議論沒有餅這件事呢?
9Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?
9你們還不明白嗎?你們是不是忘記了那五個餅分給五千人,又裝滿了多少個籃子呢?
10na ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?
10還是忘記了那七個餅分給四千人,又裝滿了多少個大籃子呢?
11Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin'ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
11我對你們講的不是餅的事,你們為甚麼不明白?你們要提防法利賽人和撒都該人的酵。”
12Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo'ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
12這時他們才領會耶穌說的不是要提防餅酵,而是要提防法利賽人和撒都該人的教訓。
13Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona?[Na: (Aho)]
13彼得承認耶穌是基督(可8:27~29;路9:18~20)耶穌來到該撒利亞.腓立比的地區,就問自己的門徒:“人說人子是誰?”
14Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin'ny mpaminany.
14他們回答:“有人說是施洗的約翰,有人說是以利亞,也有人說是耶利米,或是先知裡的一位。”
15Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?
15他問他們:“你們說我是誰?”
16Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.
16西門.彼得回答:“你是基督,是永生 神的兒子。”
17Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.
17耶穌對他說:“約拿的兒子西門,你是有福的,因為這不是人(“人”原文作“肉和血”)指示你的,而是我在天上的父啟示你的。
18Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. [Petera = Vato; izahao Jao.1, 42] [Gr. eklesia] [Gr. Hadesy]
18我告訴你,你是彼得,我要在這磐石上建立我的教會,死亡的權勢(“死亡的權勢”原文作“陰間的門”)不能勝過他。
19Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
19我要把天國的鑰匙給你,你在地上捆綁的,在天上也被捆綁;你在地上釋放的,在天上也被釋放。”
20Ary tamin'izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin'olona akory fa Izy no Kristy.
20於是耶穌吩咐門徒不可對人說他就是基督。
21Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo.
21耶穌預言受難及復活(可8:31~9:1;路9:22~27)從那時起,耶穌開始向門徒指出,他必須往耶路撒冷去,受長老、祭司長和經學家許多的苦害,並且被殺,第三天復活。
22Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!
22彼得就把他拉到一邊,責怪他說:“主啊,千萬不可這樣,這事一定不會發生在你身上的。”
23Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.
23耶穌轉過來對彼得說:“撒但!退到我後面去!你是絆倒我的,因為你不思念 神的事,只思念人的事。”
24Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
24於是耶穌對門徒說:“如果有人願意跟從我,就當捨己,背起他的十字架來跟從我。
25Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.
25凡是想救自己生命的,必喪掉生命;但為我犧牲生命的,必得著生命。
26Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?
26人若賺得全世界,卻賠上自己的生命,有甚麼好處呢?人還能用甚麼換回自己的生命呢?
27Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.
27人子要在父的榮耀裡和眾天使一同降臨,那時他要照各人的行為報應各人。
28Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.
28我實在告訴你們,站在這裡的,有人在沒有嘗過死味以前,必要看見人子帶著他的國降臨。”