Malagasy

聖經新譯本

Matthew

23

1Ary tamin'izany Jesosy dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany ka nanao hoe:
1經學家和法利賽人有禍了(可12:38~39;路20:45~46)那時,耶穌對群眾和他的門徒說:
2Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;
2“經學家和法利賽人坐在摩西的座位上,
3koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.
3所以凡他們吩咐你們的,你們都要遵守,但不可效法他們的行為,因為他們只會說而不去作。
4Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin'ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany anankiray asa.
4他們把重擔捆起來,壓在人的肩頭上,但自己連一個指頭也不肯動。
5Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan'ny. olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.
5他們所作的一切,都是要作給人看:他們把經文的匣子做大了,衣服的繸子做長了;
6Ary tia ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin'ny synagoga
6他們喜歡筵席上的首位、會堂裡的高位;
7sy ny hoharabain'ny olona eny an-tsena ary ny hataon'ny olona hoe: Raby ô!
7又喜歡人在市中心向他們問安,稱呼他們‘拉比’。
8Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.
8然而你們不要被人稱為‘拉比’,因為只有一位是你們的老師,你們都是弟兄。
9Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.
9不要稱呼地上的人為父,因為只有一位是你們的父,就是天父。
10Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.
10你們也不要被人稱為師傅,因為只有一位是你們的師傅,就是基督。
11Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.
11你們中間最大的,必作你們的僕人。
12Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
12凡高抬自己的,必被降卑;凡自己謙卑的,必被升高。
13Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.[Ampio hoe:]
13“虛偽的經學家和法利賽人哪,你們有禍了!你們在人面前關了天國的門,自己不進去,連正要進去的人,你們也不准他們進去。
14(Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon'ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)
14(有些抄本有第14節:“虛偽的經學家和法利賽人哪,你們有禍了!你們吞沒了寡婦的房產,假裝作冗長的禱告,所以你們必受更重的刑罰。”)
15Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.
15“虛偽的經學家和法利賽人哪,你們有禍了!你們走遍海洋陸地,要使一個人入教;當他入了教,你們卻使他淪為地獄之子,比你們更甚。
16Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny volamena amin'ny tempoly, dia haningo-tena izy.
16“你們這些瞎眼的嚮導有禍了!你們說:‘凡指著聖所而起的誓,是沒有用的;但指著聖所的金子而起的誓,就必須遵守。’
17Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?
17你們這些瞎眼的愚昧人哪,到底是金子大,還是使金子成聖的聖所大呢?
18Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.
18你們又說:‘凡指著祭壇所起的誓,是沒有用的;但指著壇上的祭物所起的誓,就必須遵守。’
19Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?
19瞎眼的人哪!到底是祭物大,還是使祭物成聖的祭壇大呢?
20Koa amin'izany, izay mianiana amin'ny alitara, dia mianiana aminy mbamin'ny zavatra rehetra izay eo amboniny.
20所以,凡指著祭壇起誓的,他就是指著祭壇和壇上的一切起誓;
21Ary izay mianiana amin'ny tempoly dia mianiana aminy mbamin'izay mitoetra ao anatiny.
21指著聖所起誓的,就是指著聖所和住在那裡的 神起誓;
22Ary izay mianiana amin'ny lanitra dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra mbamin'izay mipetraka eo amboniny.
22指著天起誓的,就是指著 神的寶座和坐在寶座上的起誓。
23Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.[Anaran-java-maniry ireo]
23“虛偽的經學家和法利賽人哪,你們有禍了!你們把薄荷、茴香、芹菜,獻上十分之一,卻忽略律法上更重要的,就如正義、憐憫和信實;這些更重要的是你們應當作的,但其他的也不可忽略。
24Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.
24你們這些瞎眼的嚮導啊,你們把蚊蟲濾出來,卻把駱駝吞下去。
25Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.
25“虛偽的經學家和法利賽人哪,你們有禍了!你們洗淨杯盤的外面,裡面卻裝滿了搶奪和放蕩。
26Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.
26瞎眼的法利賽人哪,先把杯和盤的裡面洗淨,好使外面也可以乾淨。
27Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra.
27“虛偽的經學家和法利賽人哪,你們有禍了!你們好像粉飾了的墳墓,外面好看,裡面卻裝滿了死人的骨頭和各樣的污穢;
28Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin'ny eo ivelany dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.
28照樣,你們外面看來像義人,裡面卻充塞著虛偽和不法。
29Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan'ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan'ny olona marina,
29“虛偽的經學家和法利賽人哪,你們有禍了!你們建造先知的墓,修飾義人的碑,
30ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin'ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.
30並且說:‘我們若活在我們祖先的時代,決不會與他們一同流先知的血。’
31Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak'izay namono ny mpaminany.
31這樣,你們就指證自己是殺害先知的人的子孫了。
32Ary ianareo koa dia mamenoa ny famaran'ny razanareo.
32那麼,去完成你們祖先的罪孽吧!
33Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin'ny helo?
33你們這些蛇,這些毒蛇所生的啊,你們怎能逃脫地獄的刑罰呢?
34Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin'ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin'ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,-
34因此,我差派先知、智慧人和經學家到你們那裡;有些你們要殺害又釘在十字架上,有些你們要在會堂裡鞭打,從一個城趕逐到另一個城。
35mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin'ny tany, hatramin'ny ran'i Abela marina ka hatramin'ny ran'i Zakaria, zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan'ny tempoly sy ny alitara.
35所以,從義人亞伯的血起,到巴拉加的兒子撒迦利亞的血為止,他就是你們在聖所和祭壇中間所殺的,所有義人在地上所流的血,都要歸在你們身上。
36Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.
36我實在告訴你們,這一切都必臨到這個世代。
37Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!
37為耶路撒冷歎息(參路13:34~35)“耶路撒冷,耶路撒冷啊,你殺害先知,又用石頭把奉派到你們那裡的人打死。我多次想招聚你的兒女,好像母雞招聚小雞到翅膀底下,只是你們不願意。
38Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.Fa lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah.
38你看,你們的家必成為荒場,留給你們。
39Fa lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah.
39我告訴你們,從今以後,你們一定見不到我,直等到你們說:‘奉主名來的,是應當稱頌的。’”