Malagasy

聖經新譯本

Matthew

4

1Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly fanahy.[Devoly = mpiampanga, na mpanendrikendrika]
1耶穌受試探(可1:12~13;路4:1~13)隨後,耶穌被聖靈帶到曠野,受魔鬼的試探。
2Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.
2耶穌禁食了四十晝夜,就餓了,
3Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.
3試探者前來對他說:“你若是 神的兒子,就吩咐這些石頭變成食物吧!”
4Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3).
4耶穌回答:“經上記著:‘人活著,不是單靠食物,更要靠 神口裡所出的一切話。’”
5Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly,
5隨後,魔鬼帶耶穌進了聖城,使他站在殿頂上,
6dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).
6對他說:“你若是 神的兒子,就跳下去吧!因為經上記著:‘ 神為了你,會吩咐自己的使者用手托住你,免得你的腳碰到石頭。’”
7Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).
7耶穌對他說:“經上又記著:‘不可試探主你的 神。’”
8Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny,
8最後,魔鬼帶耶穌上了一座極高的山,把世界各國和各國的榮華都指給他看。
9dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.
9並且對他說:“你只要跪下來拜我,我就把這一切都給你。”
10Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13).
10但耶穌說:“撒但,走開!經上記著:‘當拜主你的 神,單要事奉他。’”
11Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.
11於是魔鬼離開了耶穌,有天使前來服事他。
12Ary nony ren'i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy.
12耶穌在加利利傳道(可1:14~20;路4:14~15,5:1~11,6:17~19;約1:35~42)耶穌聽見約翰被捕,就往加利利去。
13Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin'ny zara-tanin'ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,
13他又離開拿撒勒,往西布倫和拿弗他利境內近海的迦百農去,住在那裡,
14mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:
14為了要應驗以賽亞先知所說的:
15Ny tanin'ny Zebolona sy ny tanin'ny Naftaly, Ao amin'ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Galilia, tanin'ny jentilisa,
15“西布倫地、拿弗他利地,沿海之路,約旦河外,外族人的加利利啊!
16Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9. 1).
16住在黑暗中的人民,看見了大光;死亡幽暗之地的居民,有光照亮他們。”
17Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
17從那時起,耶穌就開始傳道,說:“天國近了,你們應當悔改。”
18Ary nony nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.
18耶穌在加利利海邊行走的時候,看見兄弟二人,就是名叫彼得的西門和他的弟弟安得烈,正在把網撒到海裡去;他們是漁夫。
19Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
19耶穌就對他們說:“來跟從我,我要使你們作得人的漁夫。”
20Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
20他們立刻撇下網,跟從了他。
21Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin'i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.
21耶穌又往前走,看見另一對兄弟,就是西庇太的兒子雅各和約翰,正和父親西庇太在船上整理魚網,他就呼召他們。
22Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
22他們立刻離了船,別了父親,跟從了耶穌。
23Ary Jesosy nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona.
23耶穌走遍加利利,在各會堂裡教導人,宣揚天國的福音,醫治民間各種疾病、各種病症。
24Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.[Demoniaka = olona nidiran'ny demonia; izahao Mat.7.22]Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin'i Jordana.
24他的名聲傳遍了敘利亞全地,人們就把一切患病的,就是患各種疾病、疼痛、鬼附、癲癇、癱瘓的,都帶到他面前,他就醫好他們。
25Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin'i Jordana.
25於是有許多人從加利利、低加波利、耶路撒冷、猶太和約旦河東來跟從耶穌。