1[Ny nahadiso ny lehiben'ny Isiraely sy ny mpaminany, ary ny handravana an'i Jerosalema]Ary hoy izaho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon'i Jakoba, Sy ianareo mpanapaka ny taranak'Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny?
1指摘官長與領袖我說:“雅各的首領,你們要聽,以色列家的官長,你們也要聽;難道你們不知道公平嗎?
2Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin'ny taolany,
2然而,你們恨惡良善,喜愛邪惡,從人身上剝皮,從人骨頭上剔肉。
3Eny, ianareo izay homana ny nofon'ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin'ny fahandroan-kena.
3你們吃我民的肉,剝他們的皮,打斷他們的骨頭,切成像鍋裡的塊,像釜中的肉塊。
4Amin'izany dia hitaraina amin'i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin'izany andro izany Izy Araka ny faharatsian'ny nataon'ireo.
4那時,他們要向耶和華呼求,耶和華卻不應允他們。到那時,耶和華必掩面不顧他們,因為他們行了惡事。”
5Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina:
5責備假先知關於那些使我民走迷路的先知,耶和華這樣說:“他們的牙齒有所咀嚼的時候,就大叫‘平安’;誰不把食物給他們吃,他們就攻擊那人。”
6Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro,
6因此你們只有黑夜,沒有異象,只有黑暗,沒有默示。對先知,日頭要下落,為他們,白日變為黑暗。
7Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra.
7先見必抱愧,得默示的人要蒙羞;他們都必掩著上唇,因為沒有 神的答覆。
8Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.[Na:amin']
8至於我,我卻藉著耶和華的靈,滿有力量、公平和能力,可以向雅各述說他的過犯,向以色列指出他的罪惡。
9Masìna ianareo, mihainoa izao, Ry loholon'ny taranak'i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak'Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra,
9惡有惡報──聖城被毀雅各家的首領,你們要聽這個,以色列家的官長,你們也要聽;你們厭惡公平,屈枉正直,
10Dia izay manangana an'i Ziona amin'ny fandatsahan-drà Sy Jerosalema amin'ny faharatsiana.
10用人血建錫安,以罪孽造耶路撒冷。
11Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.
11城中的首領為賄賂而審判,祭司為薪俸而教導,先知為銀子說默示,他們竟倚靠耶和華,說:“耶和華不是在我們中間嗎?災禍必不會臨到我們身上。”
12Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.
12所以,為你們的緣故,錫安必像被耕種的田地,耶路撒冷必變為亂堆,這殿的山要成為叢林中的高岡。