1Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin'ny tànany.[Heb. fahendren'ny vehivavy][Heb. fahadalana]
1敬畏 神大有倚靠智慧婦人建立家室,愚妄婦人親手拆毀。
2Mandeha mahitsy izay matahotra an'i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
2行事正直的,敬畏耶和華;行為乖僻的,卻藐視他。
3Eo am-bavan'ny adala misy tsorakazon'ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
3愚妄人的口中長出驕傲的枝子;智慧人的嘴唇,能保障自己。
4Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin'ny herin'ny omby.[Heb. madio]
4沒有耕牛,槽頭乾淨;出產豐盛,卻是憑著牛的力量。
5Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
5誠實的證人不說謊話;虛偽的證人吐出謊言。
6Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
6好譏笑人的尋找智慧,卻尋不著;聰明人尋找知識,卻輕易得著。
7Mialà eo anatrehan'ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
7你當離開愚昧人,因為你不會從他的嘴裡曉得知識。
8Ny mitandrina ny alehany no fahendren'ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan'ny adala.
8精明人的智慧能分辨自己的道路;愚昧人的愚妄卻欺騙自己。
9Ny adala ihomehezan'ny fanati-panonerana; Fa ao amin'ny marina no misy fankasitrahana.[Na: Ihomehezan'ny adala ny heloka]
9愚妄人譏笑贖愆祭,正直人中間卻有恩寵。
10Ny fo no mahalala ny fangidian'ny alahelony; Ary tsy raharahan'ny olon-kafa ny hafaliany.
10人的苦楚,只有自己心裡知道;心中的喜樂,外人也不能分享。
11Ravana ny tranon'ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain'ny marina.
11惡人的家必毀壞,正直人的帳棚卻必興盛。
12Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
12有一條路,人以為是正路,走到盡頭卻是死亡之路。
13Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran'ny hafaliana dia alahelo.
13人在喜笑中,心裡也會有痛苦;歡樂的結局,會是愁苦。
14Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
14心中背道的,必飽嘗自己行為的惡果;善人也因自己所行的,得到善報。
15Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
15愚蒙人凡話都信;精明的人卻步步謹慎。
16Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin'ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana.[Na: misafoaka]
16智慧人敬畏耶和華(“智慧人敬畏耶和華”或譯:“智慧人恐懼戰兢”),遠離惡事;愚昧人卻驕傲自恃。
17Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
17輕易動怒的,行事愚妄;心懷詭計的人,被人恨惡。
18Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny.[Na: mandray fahalalana]
18愚蒙人得愚妄為產業;精明的人以知識為冠冕。
19Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan'ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin'ny marina.
19壞人必俯伏在好人面前,惡人必俯伏在義人門口。
20Ny malahelo dia halan'ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian'ny maro.
20窮人連鄰舍也厭惡他;財主卻有很多人愛他。
21Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran'izay mamindra fo amin'ny ory!
21藐視鄰舍的,是為有罪;恩待貧窮人的,是為有福。
22Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an'izay manao asa tsara. [Na: misaina ny][Na. misaina ny]
22圖謀惡事的,不是走錯了嗎?謀求善事的,必得慈愛和誠實。
23Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
23一切勞苦都有益處,嘴上空談引致貧窮。
24Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan'ny adala dia fahadalana ihany.
24智慧人的冠冕是他們的財富;愚昧人的愚妄,始終是愚妄。
25Ny vavolombelona marina mamonjy ain'olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
25作真見證的,救人性命;吐出謊言的,以詭詐害人。
26Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
26敬畏耶和華的,大有倚靠;他的子孫也有避難所。
27Ny fahatahorana an'i Jehovah no loharanon'aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
27敬畏耶和華是生命的泉源,能使人避開死亡的網羅。
28Ny fahabetsahan'ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
28君王的榮耀在於人民眾多,帝王的沒落由於國民寡少。
29Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
29不輕易動怒的,十分聰明;輕易動怒的,大顯愚妄。
30Ny fo mionona no fiainan'ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
30心裡平靜,可使身體健康;但嫉妒能使骨頭朽爛。
31Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
31欺壓貧寒的,就是辱罵造他的主;恩待窮苦人的,就是尊敬造他的主。
32Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin'ny fahafatesana aza.[Na: roahina]
32惡人必因自己所行的惡事被推倒,義人死的時候仍有所倚靠。
33Mandry tsara ao am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an'ny adala kosa dia miharihary.
33智慧居於聰明人的心中;愚昧人心裡所存的,人所周知(“愚昧人心裡所存的,人所周知”有古譯本作“愚昧人心中一無所知”)。
34Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olonaNy fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao izay mahamenatra.
34正義使國家興盛,罪惡是人民的羞辱。
35Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao izay mahamenatra.
35明慧的臣僕,為王喜悅;貽羞的僕人,遭王震怒。