1[Ny amin'ny vehivavy mitafy ny masoandro, izay nenjehin'ny dragona] Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany,
1生子的女人和大龍那時,天上出現了一個奇偉的景象:有一個婦人,身披太陽,腳踏月亮,頭戴十二顆星的冠冕。
2sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.
2她懷了孕,在生產的痛苦中疼痛呼叫。
3Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany.
3天上又出現了另一個景象。看哪!有一條大紅龍,有七頭十角,七頭上戴著七個皇冠。
4Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;
4牠的尾巴拖著天上三分之一的星辰,把它們摔在地上。龍站在那快要生產的婦人面前,等她生產了,就要吞吃她的孩子。
5ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin'ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany. [ Gr. handry]
5她生了一個男孩子,就是將來要用鐵杖治理列國的。她的孩子被提取到 神和他寶座那裡去。
6Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.
6婦人就逃到曠野去了,那裡有 神為她預備的地方。她在那裡得供養一千二百六十天。
7Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady,
7天上發生了戰爭:米迦勒和他的天使與龍作戰。龍和牠的天使也起來應戰,
8nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.
8龍卻抵擋不住,天上再也沒有牠們的地方了。
9Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.
9於是那大龍被摔了下來。牠就是那古蛇,名叫魔鬼,又叫撒但,是迷惑普天下的人的。牠被摔在地上,牠的天使也跟牠一同被摔了下來。
10Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina.
10我又聽見天上有大聲音說:“我們 神的救恩、能力、國度和他所立的基督的權柄,現在都已經來到了!因為那晝夜在我們 神面前控告我們弟兄的控告者,已經被摔下來了!
11Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza.
11弟兄勝過牠,是因著羊羔的血,也因著自己所見證的道,他們雖然至死,也不愛惜自己的性命。
12Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.
12所以,眾天和住在其中的,你們都歡樂吧!可是地和海有禍了!因為魔鬼知道自己的時日無多,就大大發怒下到你們那裡去了。”
13Ary rehefa hitan'ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.
13龍見自己被摔在地上,就迫害那生了男孩子的婦人。
14Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an'ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay itaizana azy fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy ho hitan'ilay menarana izy.
14於是有大鷹的兩個翅膀賜給了那婦人,使她可以飛到曠野,到自己的地方,在那裡得供養一年兩年半年,離開那蛇的面。
15Ary ilay menarana namoaka rano tamin'ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin'ny riaka iry.
15蛇在婦人後面,從口中吐出水來,好像江河一樣,要把婦人沖去。
16Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin'ny vavany.Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.
16地卻幫助了那婦人,張開口,把從龍口中吐出來的河水吞了。
17Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.
17龍就向婦人發怒,去和她其餘的子孫作戰,就是和那遵守 神命令堅持耶穌見證的人作戰。 [ (Revelation 12:18) 那時,龍站在海邊的沙上。 ]