Malagasy

聖經新譯本

Revelation

13

1[Ny amin'ny biby roa izay mpanompon'ny dragona] Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy. [ Gr. blasfemia; izahao Mat. IX, 3]
1海中的獸和地上的獸我又看見一隻獸從海裡上來,有十角七頭,十角上戴著十個皇冠,七頭上有褻瀆的名號。
2Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.
2我所看見的獸,樣子好像豹,腳像熊的腳,口像獅子的口。龍把自己的能力、王位和大權柄,都交給了牠。
3Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia.
3獸的七頭中有一個似乎受了致命傷,但那致命傷卻醫好了。全地的人都很驚奇,跟從那獸。
4Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy?
4因為龍把權柄交給了獸,大家就拜龍,也拜獸,說:“有誰可以跟這獸相比?有誰能與牠作戰呢?”
5Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana. [ Gr. vava] [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] [ Na: haharitra]
5龍又給了那獸一張說誇大和褻瀆話的嘴巴,也給了牠權柄可以任意而行四十二個月。
6Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an'Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra. [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3]
6獸就開口向 神說褻瀆的話,褻瀆他的名和他的帳幕,以及那些住在天上的。
7Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry.
7牠得了允許能跟聖徒作戰,並且能勝過他們;又有權柄給了牠,可以管轄各支派、各民族、各方言、各邦國。
8Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.
8所有住在地上的人,名字沒有記在創世以來被殺的羊羔之生命冊上的,都要拜牠。
9Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino.
9凡有耳的,就應當聽!
10Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin'ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan'ny olona masina. [ Na: Raha misy ho amin'ny fahababoana, dia ho amin'ny fahababoana izy]
10如果人應該被俘擄,就必被俘擄;如果人應該被刀殺,就必被刀殺。在這裡聖徒要有忍耐和信心!
11Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin'ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.
11我又看見另一隻獸從地裡上來。牠有兩個角好像羊羔,說話好像龍。
12Ary ny fahefana rehetra nananan'ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan'ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy.
12牠在頭一隻獸面前,行使頭一隻獸的一切權柄。牠使全地和住在地上的人,都拜那受過致命傷而醫好了的頭一隻獸。
13Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin'ny tany eo imason'ny olona aza.
13牠又行大奇事,甚至在人面前叫火從天上降在地上。
14Ary mamitaka izay monina ambonin'ny tany izy amin'ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason'ny bibi-dia, sady milaza amin'izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao sary ho an'ny bibi-dia, izay voan'ny sabatra, nefa velona ihany.
14牠得了能力,在頭一隻獸面前能行奇事,迷惑了住在地上的人,吩咐住在地上的人,要為那受過刀傷而還活著的獸做個像。
15Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibi-dia.
15又有能力賜給牠,可以把氣息給獸像,使獸像能夠說話,並且能夠殺害那些不拜獸像的人。
16Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa,
16那從地裡上來的獸,又要所有的人,無論大小貧富,自由的和作奴隸的,都在右手或額上,給自己作個記號。
17mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibi-dia, na ny isan'ny anarany.Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.
17這記號就是獸的名字或獸名的數字,除了那有記號的,誰也不能買,誰也不能賣。
18Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.
18在這裡要有智慧。有悟性的人,就讓他計算獸的數字,因為這是人的數字,它的數字是六百六十六。