Malagasy

聖經新譯本

Revelation

14

1[Ny amin'ny Zanak'ondry sy ny mpanaraka Azy] Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Ary, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny.
1救贖的新歌我又觀看,見羊羔站在錫安山上,跟他在一起的還有十四萬四千人。他們的額上都寫著他的名和他父的名。
2Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon'ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an'ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
2我聽見有聲音從天上來,好像眾水的聲音,好像大雷的聲音;我所聽見的聲音,又像琴師彈奏的琴聲。
3Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan'ny seza fiandrianana sy eo anatrehan'ny zava-manan'aina efatra sy ny loholona izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin'ny tany. [ Gr. presbytera]
3他們在寶座前,在四個活物和眾長老面前唱新歌;除了從地上買來的那十四萬四千人以外,沒有人能學這歌。
4Ireo no tsy voaloto tamin'ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. lreo no navotana avy tamin'ny olona ho voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry.
4這些人沒有跟婦女在一起而使自己玷污,他們原是童身的。羊羔無論到哪裡去,他們都跟隨他。這些人是從世人中買來的,作初熟的果子歸給 神和羊羔。
5Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.
5在他們口中找不著謊言;他們是沒有瑕疵的。
6[Ny amin'ny anjely telo izay nitory, sy ny fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny andro fijinjana] Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra,
6三個天使的信息我又看見另一位天使在高空飛翔,有永遠的福音要傳給住在地上的人,就是各邦國、各支派、各方言、各民族的人。
7nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [ Gr. ora]
7他大聲說:“應當敬畏 神,把榮耀歸給他!因為他審判的時候到了,應當敬拜創造天、地、海和眾水泉源的那一位!”
8Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany.
8又有第二位天使接著說:“傾倒了!大巴比倫傾倒了!它曾經叫列國喝它淫亂烈怒的酒。”
9Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany,
9又有第三位天使接著他們大聲說:“如果有人拜獸和獸像,又在自己的額上或手上受了記號,
10dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry;
10他就必定喝 神烈怒的酒:這酒是斟在 神震怒的杯中,純一不雜的。他必定在眾天使和羊羔面前,在火與硫磺之中受痛苦。
11ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.
11他們受痛苦的煙往上冒,直到永永遠遠。那些拜獸和獸像的,以及接受牠名字的記號的人,日夜得不到安息。”
12Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.
12在這裡,那些遵守 神的命令和耶穌的信仰的聖徒,要有忍耐。
13Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.
13我聽見從天上有聲音說:“你要寫下來!從今以後,那在主裡死去的人有福了!”聖靈說:“是的,他們脫離自己的勞苦,得享安息了,他們的作為也隨著他們。”
14Ary, indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak'Olona nipetraka teo ambonin'ny rahona, Izay nisatroka satro-boninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany. [ Na: toa zanak'olona]
14收割地上的莊稼我又觀看,見有一片白雲,雲上坐著一位好像人子的,頭上戴著金冠,手裡拿著鋒利的鐮刀。
15Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery ka nanao tamin'ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany. [ Gr. ora]
15有另一位天使從聖所出來,對那坐在雲上的大聲呼喊:“伸出你的鐮刀來收割吧!因為收割的時候已經到了,地上的莊稼已經熟透了。”
16Dia naroson'ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona tamin'ny tany ny fijinjany, ka voajinja ny tany.
16於是那坐在雲上的向地上揮動鐮刀,地上的莊稼就被收割了。
17Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa nanana fijinjana maranitra.
17又有另一位天使從天上的聖所出來,他也拿著一把鋒利的鐮刀。
18Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin'ny alitara, ary nanana fahefana tamin'ny afo izy; ary izy niantso ilay nanana ny fijinjana maranitra tamin'ny feo mahery hoe: Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka angòny ny sampahom-boaloboka eo amin'ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.
18接著,又有一位天使從祭壇那裡出來,是有權柄掌管火的;他向那拿著鋒利鐮刀的天使大聲說:“伸出你鋒利的鐮刀來,收取地上葡萄樹纍纍的果子吧!因為葡萄已經熟透了。”
19Ary naroson'ilay anjely tamin'ny tany ny fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin'ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran'Andriamanitra.Ary voahitsaka teny ivelan'ny tanàna ny famiazana, ary avy tao amin'ny famiazana dia nisy rà nahadifotra hatramin'ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin'ny enin-jato amby arivo stadio.
19於是,那天使向地上揮動鐮刀,收取了地上的葡萄,把葡萄扔在 神烈怒的大壓酒池裡。
20Ary voahitsaka teny ivelan'ny tanàna ny famiazana, ary avy tao amin'ny famiazana dia nisy rà nahadifotra hatramin'ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin'ny enin-jato amby arivo stadio.
20那壓酒池在城外被踹踏,就有血從壓酒池流出來,漲到馬的嚼環那麼高,流到三百公里(“三百公里”原文作“一千六百司他町”)那麼遠。